
Ny zavatra toa itony no isan'ny mahafinaritra ahy manaraka ny pejin'ireto mpanakantontsika ireto, na dia somary lasa katalogy-na lamaody aza ny an'ny sasany indraindray (ka zay tiany ihany io koh
)
Resadresaka tao amin'ny pejin'i Kheman Johariseta, izay mivoy ny gadona reggae, izy ity ka mba tiako taterina eto ho an'ireo izay toa ahy tsy mahay izay bi sy ba amin'ny resaka mozika, sitrany mba nahazo tombom-pahalalana kely indray anio alohan'ny hatory.
Hoy izy : fanontaniana tsotsotra ho an ireo artiste reggae dancehall namana mba hitsapana ny fankafizantsika sy ny fitiavantsika an'ity mozika ity :
inona no atao hoe "Riddim" ?
iza no tompony ?
aiza no ahitana
Io amin'ny sary io ny fanazavana hitan'ny sasany teto amin'ny aterineto teto, saingy toa mazava kokoa amiko ilay izy rehefa lasa resadresaka amin'ny teny malagasy, izay fintiniko toa izao.
Ny riddim dia midika hoe '' Rythme '' fa amin'ny tenim-paritra izy dia hoe ''Riddim'', izany hoe feonkira izay vokarin'ny trano mpamokatra iray ary izy ihany no misafidy izay hitaingina an'io riddim io.
Ohatra : The Good Book Riddim, novokarin'ny Yard Vybz Production ka ry Elephant Man / Aidonia / Bounty Killer / Mavado / Vybz Kartel no artista no nosafidiana hitaingina azy.
Misy ihany koa ny "Riddim classic", izany hoe riddim nametraka tantara teo amin'ny Reggae Music. Ireo riddim ireo dia matetika mitondra ny anaran'ny hira notaingenan'ny artista iray voalohany teo amboniny.
Ohatra : "Sleng teng ", riddim avy ao amin'ny King Jammy, izay i Wayne Smith no nitaingina azy voalohany amin'ilay hoe "Under mi sleng teng" .
Misy ny atao hoe "One Riddim album", izay "compilation"-n'ny artista izay voaantso hitaingina eo amboniny. Ireo izay nofidian'ilay trano mpamokatra ihany no ofisialy eo ambonin'iny riddim iny ary tafiditra ao anaty "credits", fa ny sisa kosa mampiasa ilay izy fotsiny. Io no mahatonga ny artista vahiny - rehefa mitaingina riddim ka tsy ofisialy izy - dia soratany ao afara ao foana ny anaran'ilay riddim satria tsy anazy iny.