Rehefa mijery vaovao ao amin’ny gazety  eto amin’ny aterineto aho dia mahatsiaro ny fahiny foana rehefa mamaky momba ny traboina, ny rano miakatra,… amin’izao orana tsisy farany any amin’ny tanàna izao.

 

Teny Ambohibarikely Anosibe no nipetrahanay tamin’izany fotoana izany, iny manaraka ny làlan-drano sy ny làlamby miala avy any Andranomanalina, Isotry, Ampefiloha, Anosibe dia miantoraka mankany Tanjombato iny. Ny nanamora ny fiantsoana ny teny aminay dia hoe eny amin’ny paraky, satria raha mandeha zotra izahay mody dia miteny hoe “misy miala eo amin’ny paraky” (ndry, fahizany tokoa izany, fahatsiarovana sisa !). Ny ozinina manao ny Paraky tsy lefy tsinona io, fa ny tena tandrifin’ny tranonay, sarahan’ny làlamby sy ny làlan-drano, dia ny Cimelta.

 

Ka rehefa avy elaela izay ny orana tamin’izany (ka hatramin’izao raha ireo vaovao vakiana eto foana) dia efa miomana foana ny hanala kiraro raha toa ka mandeha tongotra mody satria akaiky kokoa ny làlana avy any avaratra raha mody an-tongotra mandalo any Anosy, hopitaly Ravoahangy, Solimotel, dia miampita ny “passage à niveau” sy ny tetezana, dia lasa amin’izay manara-morona. Angamba ivaiva any avaratra mihoatra amin’ny eny atsimo (tao ihany aho no nahalala aiza ny avaratra atsimo andrefana mihoatra amin’ny tranonay satria efa tsianjery be fotsiny hoe rehefa miteny atsimo ny olona dia any amin’ny misy ny Paraky izay, raha avaratra dia any amin’ny misy ny tsenan’Anosibe, ary andrefana ao ambadiky ny tranonay).

 

Nipetraka tao izahay nanomboka 1986 ka hatramin’ny 1996 angamba izay, satria izaho niala tany an-tanindrazana tamin’ny 1991, fa nandritra izay fotoana izay dia saika isan-taona no misy io olana io. Nisy fotoana indray mandeha na indroa aza, tamin’ny fotoana mbola nahatany ahy, no tena nanao azy ny orana, ka tena tafiditra tao an-trano ny rano, ka izay foana no tena tsaroako sy fitantarako hampihomezana ny namana aty. Taolana ny nify ka miomehy, niainana ilay izy ka nalaina manja tamin’izany fa zara aza nisy trano nonenana koh, saingy mampalahelo fa efa 20 taona lasa izay mbola tsy misy fiovana mihintsy ilay toerana, ny talohan’ny nonenanay teny mbola manampy izany,  asa raha mba ao anaty fanamby 8 ao amin’ny MAP ny fanatsarana azy io re.

 

Ka rehefa tafiditra ary ny rano dia izao no paika : asiana kapoaka na birika daholo ny entana manana tongotra ivaiva, ny tsisy tongotra ampakarina ambony latabatra sy fandriana.  Dia manao “botte de pluie” amin’izay ao an-trano satria efa hanasa-dranjo ny rano, fa izany an : clop clop clop clop manerana ny trano. Ny trano fandroana moa tamin’izany tsy mba misy itony bakoly itony satria fianakaviana efatra izahay no tao anatin’ilay tamboho, iraisana ny trano fandroana, izany hoe efitrano malalaka fotsiny dia samy mitondra ny sinin-drano sy ny savony sy ny fanamainan-tena (aza mba misy hadino re ny akanjo sy ny anatiny fa tsy maintsy mivazavaza miantso olona ianao hitondra ilay izy ao, fa angaha ianao afaka hitsoriaka tsy mitafy amin’ity tokontany feno olona, hahaha), ka teo no tena henjana rehefa miakatra an-drova ny rano, ahoana ary no handehananao mandro nefa ny tongotrao aza anaty rano tsy fantatrao fihaviana, haintsika ihany fa fiondranan’ny rano maloto iny lalan-drano iny.

 

Amin’izao aho miteny irery hoe matanjaka tokoa isika tany an-dalam-pandrosoana fa ny aretina tsy azo tamin’izany efa aretina niavonavona mihintsy. Dia mbola tantara mitohy io amin’izao  fotoana izao, ary asa mandra-paha-rahoviana.

 
Tamin’izany kosa aho tsaroako tsara nanao vazivazy foana hoe : “rehefa tafita aho any aoriana any dia ataoko voalohan-draharahako ny mamboatra ity toerana ity”. Eny mantsy ry tanàna !!! Eny ho’aho ry Gasikarako …