“Aza ampijaliana ny tenintsika” hoy i DadaRabe indray andro tany amin’ny hevitra nandehandeha tany. Izaho koa angamba isan’ny nametraka sangisangy zary tenany indray andro hoe fa maninona no tsisy mari-piatoana ilay lahatsoratra. Vao haingana koa aho  nahita hevitra toy ny hoe : "fanalana sy fitaizana no eto",dia nanoratra ilay ranamana hoe : rehefa fa tsy refa, fotoana fa tsy fotôna, hoe fa tsy oe, sns, tsy tsaroako daholo.

Nisy namana iray teto moa niresahako indray andro momba ny antony tokony mahatonga izany rehetra izany dia voatanisany tao ny hoe :

- mety fohy ny fotoana ananan’ireo namana any Madagasikara : ny tosaka ambany be nefa ny vola aloa betsaka ihany.

- mbola votsa mitady ny faingo sy ny teboka ny ankamaroany.

- ny zava-dehibe izy mianatra mampiasa solosaina aloha fa izany resaka fanoratra izany manaraka ihany

Ekeko daholo izany rehetra izany, nefa mino aho fa ny fampandrosoana ny tanintsika dia ny fanajantsika indrindra indrindra ny antsika : atomboka amin’ny fiteny sy ny teny malagasy izany. Andrianiko ny teniko, fandre matetika io fiteny, izany hoe ataoko toa ny andriana ny teniko.

Tanjona kinendrin’ny "Tetikasa Telomiova" ohatra ny fampiroboroboana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny aterineto, fa ahoana moa no hiroboroboany raha ny teny malagasy aza toa very hasina fa na simba aza dia tsy olana, fa ny zava-dehibe ny aterineto. TSY AZO ATAO MIARAKA VA RE NY MIANATRA ATERINETO SY MAMEHY NY TENY MALAGASY ?

Marina fa misy ny frantsay tsy mahay manoratra ny teniny, na ny anglisy tsy mahafehy ny fanoratra ny teny anglisy. Moa dia tsy maintsy manao toa azy ireo isika fa tsy hanao ezaka hanaja sy hilofo hamehy ny tenintsika ?

Sady ny teny malagasy dia isan’ireo mora soratana satria izay andrenesanao azy no hanoratanao azy fa tsy mila irony satroka sy tsindrim-peo isan-karazany irony loatra. Moa tsy vetivety sy moramora kokoa manoratra fotoana noho ny fotôna ? Dia sarotra ve ny mamerina izay hita voasoratra amin’ny lahatsoratry ny namana hafa ka ohatra ny hoe dia soratana miaraka amin’ny haintso fa tsy toa ny andrenesana azy fotsiny hoe oe,  ny mampme tsy toa izao no fanoratra azy fa mampiomehy. Dia tena mila fotoana lavabe ve ny manoratra ireny na ambany aza ny tosaka ?

Rehefa miteny isika dia mino aho fa sady mieritreritra fa ny teny malagasy tsy manana ô fa oa, fa ny teny malagasy mampiasa y amin’ny faran’ny teny, fa ny teny malagasy tsy manana ny litera u, fa ny teny malagasy dia mampiasa haintso marobe amin’ny lohan’ny teny fa tsy re izy ireny rehefa tononina : hafa, hoe, hafatra,... ka mino aho fa tsy dia handany fotoana loatra raha mba samy mizatra manoratra sy mieritreritra amin’ny teny malagasy madio. Raha mila manenjika fotoana moa amin’ny fampidirana lahatsoratra, tsy azo atao ve manokana andro hafa manaraka mba hamerenana mamaky azy ireny sy hanitsiana izay diso ?

Tsy mamely akaiky andranona na ranona ity lahatsoratro ity fa mba fiangaviana an-tànan-droa fotsiny rey olona, averiko indramina ilay tenin’i DadaRabe hoe “aza  ampijaliana re ny tenintsika !” fa lova sy harentsika io. Ny an’ny hafa aza ve asaina hianarantsika dia ny antsika indray no tsinontsinoavina ?

Matoa aho manoratra ity dia noho ny fahatsapana fa mihamaro ireo lahatsoratra ahitana taratra ireo, ary dia marina ilay hevitra napetraky ny namana tany ho any hoe “Fanalana sady Fitaizana” no eto.

Miala tsiny raha lava dia lava ny lahatsoratra fa be loatra ny aingam-panahy ka tsy aritra intsony ny tsy hamoaka azy. Raha diso ny teniko avereno amiko fa aza izaho no ariana ; ataovy toa ny voankazo an’ala ka ny mamy raiso fa ny mangidy kosa ario. Misaotra betsaka.