Sento lalina sisa...

Nampidirin'i ikalamako | 15 Jan, 2018

 

Alatsinainy fahatelo amin'ny ity 2018 ity androany ity... #BlueMonday hono, izany no fiantsoana azy : alatsinainy mahabe fanetserana, alatsinainy mahaoriory, alatsinainy mahangolingoly tsy hay izany. Alatsinainy mampidepra, zay angamba no mahafaoka azy. Rizareo aty amin'ny ilabolatany avaratra indray no mahita an'izany e...shhhhh.

Kanefa dia indroa taona nifanesy aloha izao dia tena #Blue ilay #Monday ho ahy e. Mitamberina terý ny tamin'ny herintaona toy izao, fony aho namita iraka ho an-drazokiko lahy teny amin'ny fasan'i Md Joany Paoly II. Tena miondana be an'io Papa Ray Masina iray io izy ka dia nararaotiko ny "Andro iraisam-pirenena ho an'ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana" isaky ny alahady faharoan'ny volana janoary nanatontosako izany. Mandray anjara amin'izany isan-taona manko ny Ankohonana katolika malagasy, hany ka vantany vao tafiditra teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera izahay dia napetrako tamin'ireo namana ny faneva fotsy-mena-maitso nentiko fa izaho, hoy aho tamin'izy ireo, hiditra kely ao anaty bazilika. 

Dia niditra sy "niresaka" tamin'i Papa Joany Paoly II tao aho. Tsy haiko fa nahatsiaro tena ho nanana adidy nitondra hafatra ho azy aho satria efa nanirahany ahy ihany io taona vitsivitsy lasa izay saingy izaho mihitsy no tsy narisika satria tsoriko fa izaho sy ny fivavahana tsy dia rano sy vary loatra. Izay fiantraikany sy ny akony dia tsy haiko fa nahatsiaro ho maivana aho aloha niala tao. Herinandro taorian'izay, ny 23 janoary 2017, dia lasa izy.

Tamin'ity taona ity aho tsy namonjy ilay andro iraisam-pirenena satria tsy "angelus" fotsiny tamin'ity fa tena sorona masina niarahana tamin'ny Papa Fransoa tao anaty bazilika ka tsy nahasarika ahy loatra satria tsy dia afaka/mahazo makamaka sary toy ny fanaoko aho.

Mety hoe zarako koa aza satria dia nitamberina tsisy toa izany ireo zava-nitranga tamin'iny taona lasa iny eto am-pamisavisana fa herintaona katroka aty aoriana dia lasa nandao ihany koa ny zoky iray, tena niray andiany tamin'io zokiko lahy io.

Zanaka an-tranon'i neninay tao daholo izy rehetra fahizany. Nifandray be hatramin'ny fianakaviana. Izay didi-maharary hatrany ny fiainanay hatramizay. Nisy fotoana izy niofana taty ivelany dia nisampana kely ny làlana fa tsy nanova n'inona n'inona tamin'ny fihavanana izany. Izaho koa niala tanindrazana avy teo ka tany amin'ny taona 1985 tany  izany no nifankahitanay mianadahy farany.

Nony lasa ilay zokiko iray tam-po amiko tamin'ny herintaona dia teo hatrany izy. Tazako namoaka sarin'ny fandevenana maromaro izy tao amin'ny facebook fa izaho moa ilay efa niala dia niverina - niverina saingy natao trano niombonanay sy Andry ary Hery ilay izy - dia lasa tsy fanaoko loatra ny manao ny dingana voalohany mangataka ho namana. Izy rahateo na nahatazana ny "ankihibe miakatra" nataoko tamin'ny sariny teny ho eny aza dia tsy nangataka ahy koa. Tsy nampaninona ahy rahateo. Nefa ireo zoky rehetra iray andiany tamin'izy ireo dia mifandray amiko na any amin'ny mailaka, na namako ao amin'ny facebook avokoa.

Raha nahazo hafatra aho tamin'ny zoma alina, 12 janoary teo, fa nodimandry ny harivan'iny izy dia ny facebook-ny sy ny an'ny zanany no nojereko voalohany. Ka tao amin'ny zanany no namakiako hoe "Amin'ny alalan'ity resaka napetrak'i papa farany ao aminy ity (ao amin'ny facebook-ny) no hampandrenesako anareo fa nandao anay izao hariva izao izy". Novakiako ilay nosoratany dia hoe "fohy ny fiainana ary mety mijanona tampoka amin'ny fotoana tsy ampoizina, ka aza miandry fotoana ela miteny hoe tiako ianao sy mamihina ireo olona tianao sao tara loatra..." Teo am-pamaranana ny taona 2017 no nanoratany an'io satria hoy izy hoe "mamelà ahy ianareo izay mety ho tafintohina tamin'ny nataoko ary hamindra fo amintsika Andriamanitra ka ho taona ho an'ny Fiadanana sy Fifaliana ary Fifampihavanana ny 2018". 

Tsy haiko na narary izy nanoratra izany na olona tsy narinaritra akory satria tany Paris izy no maty. Izaho moa raha vao misy zavatra mitranga toa itony ankehitriny dia mitovy amin'ny sokatra, avy dia ampidiriko anaty akora ny lohako dia ao aho. Tsy nametraka fanontaniana na tamin'iza na tamin'iza aho fa dia ato aloha aho toy ny omby mitsako dilatra.

Manerinerina aho eto, mampionon-tena hoe mety izay angamba no mety taminay ? Tsy nisy nahasahy nifampaka namana izahay mianadahy tanatin'izay herintaona izay, hany ka tsy afaka nifampitory fitiavana sy nifamihina na dia virtoaly fotsiny ihany aza. Raha tsy izany dia mety ho navesatra noho izao angamba ny fisarahana. Nefa dia fombako amin'ireo namana mihitsy ny miteny hoe "dia efa lazaiko ihany hoe tiako ianao, tiako ianareo, tiako itena, tiako itenisany... sao sanatria lasa tampoka aho ka tsy voalazako an."

Izany hoe nijanona teo amin'ny vazivazy sy tsikitsikinay mianadahy tany amin'ny 30 taona lasa ny fahatsiarovana tavela ato anaty saiko, sy ny azy koa angamba. Ny zava-misy aloha dia tsy mitovy ratram-po ny mandao sy ny ilaozana... ka misy kaikitra kely izay ao anatiko ao, misy feo kely miteny amiko hoe tena tara loatra, tsy voateninao azy fa tianao izy, tsy nahavita nisaotra azy ianao tamin'izay rehetra vitany tamin'ny naha-zoky azy izay. 

Kanefa matoky ny rohim-pifankatiavana namatotra anay hatramizay aho ka na tsy voalazako aza izany, tsy nisy n'inon'inona nanembatsembana ny fifankatiavanay nandritra izay ela tsy nifandraisana izay. Any ankoatra indray tohizana, zoky Anselme a ! 


*lasa aho nijery boky fitehirizana sary fa tsaroako tampoka hoe nandefasany sary aho fony izy nianatra tany La Réunion (1984 tany ho any angamba izy io).

 

 


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article