​Ho an'izay efa nitsidika ny bazilikan'i Md Piera eto Roma na ireo nahita sary fotsiny ihany koa dia mahalala fa eo ambonin'ny satro-trano namboarin'i Michelangelo dia misy bola mivolom-bolamena tataovina lakroa makadiry. Toa bitika erý mijery azy io raha avy eo amin'ny Kianjan'i Md Piera saingy tena goavana izy ary mahazaka olona roa ambin'ny folo eo ho eo (olona 20 raha mifaneritery).

Tohatra vý avy ao amin'ny Loggia del Lanternino no miakatra ao. Varavarana tery kely, zara raha 80 santimetatra, no idirana ao amin'ilay efitra boribory sahabo roa metatra ny savaivony, ary ny hodidiny dia ahitana tresaka ahafahana mitsirika sy mankafý ny hakanton'ny tazamaso avy eny ambony eny. Efatra ny isan'ireo tresaka ireo ary mifanandrify avy amin'ireo vazan-tany efatra.  

Vita amin'ny takela-barahina dimam-polo voahosotra volamena samihafa habe avy io bola io. Efa tamin'ny taona 2005 vao hitan'ireo "sanpietrini" (ireo mpiambina ny bazilika) ny ankosotra volamena, raha sambany tamin'ny tantara "nosasana", nokojakojaina sy nampamirapiratina izy.

Tamin'ny taona 1593 no nametrahana azy teny, araka ny fanirian'i Papa Clément VIII. I Michelangelo no nanao io satro-tafon'ny bazilika io saingy nony nodimandry izy dia i Giacomo della Porta no nanankinana ny famitàna azy, telopolo taona taorian'ny nahafahatesany.

Tamin'ny 1845 aza dia tao no nandraisan' i Papa Grégoire XVI  sy nandrosoany fanalana hetaheta ny Tsar rosiana, Nicolas I.
Ny Papa Pie IX  no niakatra farany teny tamin'ny 1847, ny alina mialoha ny fankalazana ny Fetin'i Masindahy Piera sy Paoly - olomasina mpiahy ny tanànan'i Roma - efa ho herintaona katroka taorian'ny Fifidianana sy ny Fihasinana azy.
Nanomboka tamin'ny antsasaky ny taona 1950 no tsy azo niakarana sy notsidihana intsony teny satria natahorana hampitsingilahila ny satro-tafo.