Dia ho tohy vakana ve ?
Nampidirin'i ikalamako | 23 Feb, 2007Dia mbola mitohy ny vaovao ratsiko androany. Adiny roa lasa izay aho no nahita io fahalasanan'i Dadan'i Joro io, dia nandefa hafatra tamin'ny zokiko vavy any Dago, sao sanatria mbola tsy tratr'antso rizareo. Kanefa dia novaliany tamin'ny hafatra iray indray aho fa eny an-dàlana ho any Toamasina izy handevina ny nenitoanay, zanak'olo-mirahavavy amin'ny mamanay sady nenitoa tianay be izy io. Dia nijojo indray aloha ny ranomaso.
Dia tsy hitako izay lazaina. Mbola tsy tapitra akory ity ny volana febroary 2007 !!!