Olo-jiaby amin'ny fomban-taniny - tapany faharoa

Nampidirin'i ikalamako | 24 Jol, 2007

Tapany faharoa tokoa izy ity, satria tontosa soa aman-tsara tamin’ny 14 jolay teo ny fanambadian’ireto namanay, Marika sy Gianluigi.

Raha ny tokony ho izy dia tokony hanao “sérénade” ralehilahy tamin’ny zoma 13 jolay hariva, fa efa nampoizina ihany fa tsy hahasahy hiakatra sehatra ranamana. Fa ny tena votoatin’ilay fety kosa dia ilay antsoin-drizareo hoe “Fiaingana” (partenza), izany hoe andro farany hipetrahan-drazazavavy ao an-tranony fa hanainga hamonjy ny akaniny izy ny ampitso.

Ny ampitso kosa rehefa vita ny fanamasinana ny fanambadiana dia nanolotra fialana hetaheta teo an-tokontanim-piangonana aloha ny fianakaviana ; kanefa ny tena nahasarika anay tsy tompon-tany dia ity fomba ity : natao an-tongotra daholo moa ny làlana na tamin’ny nandroso na nony nivoaka ny fiangonana fa ny fiara rehetra dia niandry teny am-pidirana ny tanàna daholo. Ny antony dia eo ny hateren’ny làlana, fa teo koa ireo fialana hetaheta kely atolotry ny mpiray tanàna ho an’ny mpivady vao sy ny mpanotrona (banquet, na “banchetto” amin’ny teny italiana), ka amin’izany dia mitambatambatra ny fianakaviana telo na efatra dia mba mamelatra ireo banquet ireo manoloana ny tranony izay lalovan’ny mpanambady. Ka adidy moa ny mandray isaky ny fiantsonana ka toa vao tsy nandray fiara hamonjy restaurant akory (izay tany amin’ilay tanàna iray hafa mba lehibebe) dia efa voky sahady, hihihi.

Na tany am-piangonana na  tany am-pisakafoanana  aloha dia tsy nalaiko sary satria efa mahazatra ireny.

Taorian’ny sakafo dia samy namela fiara teo am-pidirana ny tanàna daholo indray, dia niara-niakatra an-tongotra hanatitra azy mivady kely any an-tokantranony vaovao. Ka izay fianakaviana tsy nanolotra banquet tamin’ny nandroso indray no nanolotra teto.

Nony tonga tao an-tokontanin’izy mivady dia nisy vatan-kazo lehibe dia lehibe (notaritina tamin’ny trakitera hono vao tafakatra tany, nandritra ny nahatany am-piangonana anay, lol) nibahana ny tokonam-baravaran’izy ireo. Fomba ao amin’io tanàna io izy ity hanehoanao amin’ny rehetra fa tsy mandà izay rehetra adidy sy olana eo amin’ny fiainan-tokantranonao ianao fa vonona foana hisikim-ponitra, saingy noho i Gianluigi tovolahy tena mahafatra-po amin’ny asa, dia toa ho tapany vetivety raha vatan-kazo kelikely, ka dia nitadiavan-drizareo izay lehibe indrindra izy.

Raha nilazana moa izahay hoe miara-miakatra any antrano daholo rehefa avy any amin’ny restaurant fa mbola hihinana "cochon laqué" fa izay no tena mba spécialté any amin’io faritra io, dia saika torana aho fa ny teo aza tsy tafidina intsony ! Kanefa teo vao azoko fa hay mbola ho lava ny fiarahana fa tsy hoe aterina fotsiny ny mpivady vao, satria rehefa tapaka ny vatan-kazo ka afaka niditra ny tranony izy roa dia izahay mbola nanohy nihinana sy nisotro teo ivelany ihany. Hay re ka mbola miandry amin’ny 1 ora maraina indray fa hofohazina amin’ny “sérénade” indray re ireto izy mivady kely !

Noho izahay namonjy torimaso tamin’ny 2 ora maraina fa tena reraka, dia ny ampitso vao renay fa hay rehefa avy niarahaba anay teny an-davarangana izy ireo ka nidina namonjy anay, dia nisy niakatra moramora indray tany amin’ny efitranony nandraraka fotsimbary tao anaty fandrian’izy ireo ; ka mino aho fa fomba efa hatrizay moa izy ity, fa mety tamin’izany andro izany mety natao hijerena ny amin-drazavavavy izy io raha mbola virjiny na tsia, fa ankehitriny dia natao hifankalozana sisa.

Nahafinaritra sy nahavariana ahy tokoa izy ity ka tsy aritro ny tsy hizara azy eto, ary nataoko horonan-tsary mihitsy na dia nezahiko nafohezina araka izay tratra aza.

Tena tsy nandàla vola aman-karena ireo ray aman-dreny tamin’ny fikarakarana kanefa dia nambaran’izy ireo fa izay no tena fety aminy fa tsy ny fanamasinana sy ny fiaraha-misakafo fotsiny akory, ka raha tsy manao ireo izy dia toy ny tsy manao fety ary aleony aza tsy manao.

Dia miverina indray ilay hoe “olon-jiaby amin’ny fomban-taniny”.

 

 

 

 

 

 

 

Ny 26 jiona-n'i Roma (fanampiny, "in live" fohifohy)

Nampidirin'i ikalamako | 5 Jol, 2007

Efa nolazalazain'i Hery ihany ny fizotran'ny 26 jiona-nay izay tena koranam-pianakaviana foana no endriny. Dia ity izany ny fanampiny, "live" teny am-panombohana noezahina ho fohy izy ity (8min) fa ny mpaka horonantsary koa nony kelikely nametra-pialana fa izy kosa ve tsy hitotorebika - marina ny azy.

Misimisy ihany ny namana serasera tao araka ny voalaza, saingy toa tsy tratra an-tsary ao daholo, misy ny tara toy ny mahazatra angamba, na efa tonga ao ihany fa mbola variana mibosibosika ravintoto sy voanjobory, satria efa tara sambo tamin'ny fandalovan'ny lasary sy composé ary ny nems sy sambos ; samy manana ny talentany koa moa rehefa toa izao, ka ao ny manan-talenta amin'ny fanafanana sehatra dia izy foana no hita matetika ao amin'ny sary, ao ny eo amin'ny lafiny fanafanana lovia, ny fanafanana hira, ny fanafanana resaka, ny fanafanana seza koa, samy mba manao izay vitany daholo, ka izay tsy hita eto dia ao amin'ny tahirintsary angamba no mety hiseho : tao ry hery, ry angie, ry mbaliana, ry nanji, ry colar, ry matrix, ry fehno, ry tsiory, sy izay tsy fantatra ny ps-ny fa nisinisy  ihany ny namana tao, ary  ikalamako mazava ho azy, fa dia taditadiavo ao daholo re e. Dia nampalahelo koa fa efa alinalina moa vao natao ilay medley kaiamba ka efa tsy tafiditra anaty horonan-tsary intsony fa sahirana nanezakezaka nihira koa angamba ny mpaka azy.

Vita soa aman-tsara moa iny ka dia miandry izay mety ho fety manaraka indray izahay fa "miova andriana manko hono miova sata", ka dia eo mahita izy...

Ho tratry ny asaramanitra manaraka daholo indray.