Vive la rentrée ! vita ny fialan-tsasatra...

Nampidirin'i ikalamako | 28 Aog, 2007

Sady nanao adidy nanotrona fanambadian'ny namana tany Venise no nanararaotra nijery tanàna, Na dia efa hita aza tsy nankaleo.


  

 

Niverina kely tany an-trano aloha nanamboatra valizy dia roso indray nankany Afrika herinandro (hoy i Hery koh!)

 

 

 


Vazivazy moa izany fa tany atsimo-atsinanan'i Italia tany e, tany amin'ny faritry ny Puglia (Les Pouilles) no naleha.

 

Tao Monopoli (tokony ho 30 km avy eo Bari), tanànan'ny mpanjono; fa tany Castellana-Grotte, tanàna kely 10 km eo ho eo avy eo Monopoli no nisy ireo namana nampiantrano, ka nanararaotra nijery ilay lavabato lalina teo amin'ny 70 m any ambanin'ny tany. Azoazo ery ny aina tamin'ny hatsiatsiaka 15° raha midanika efa ho 40 ° aty ivelany.

 


 

Tsy natao ambanin-javatra ny filomanosana an-dranomasina tao Monopoli, satria arakaraka ny hidinanana mianatsimo an'i Italia no hahitana ranomasina madio sy tsara sady milamina tsy mba be olona.

 

 


 

Tsy lavitra avy eo Monopoli no misy an'i Alberobello. Isan'ny "Patrimoine de l'Unicef" izy io noho ireo trano "trulli" mampiavaka azy, igloo italien no fiantsoako azy am-bazivazy. Nahavariana tokoa, matevina efa ho 1 m ny hatevin'ny rindrim-bato ka mangatsiatsiaka ery ao anatiny. Raha any an-tanàna izy dia trano fonenana fa raha any an-tsaha dia fasiana biby sy fitaovam-piasana.

 

 


 

Ostuni : "la ville blanche" (la città bianca), mierinerina eny an-tampon-kavoana, mianatsimo ihany efa hihazo an'i Brindisi (amin'ny zorony havanana amin'ny saritany, tanàna manaraka an'i Montalbano).

 

 


 

Mbola isan'ny tafiditra ho isan'ny "Patrimoine de l'Unicef" koa i Matera, efa any amin'ny faritry ny Basilicata, miankandrefana indray, hihazo an'i Taranto (amin'ny zorony havia amin'ny saritany, ambany kely an' Santeramo in Colle). Matera dia antsoina koa hoe "la ville des pierres" noho ireo tranony miorina amin'ireo vatolampy be, izany hoe noloarana tamin'ireo vatolampy.

Ny tena nampalaza an'i Matera ihany koa, ho an'ireo izay tia sarimihetsika, dia noho izy nanodinana ny "La passion du Christ" tamin'ny 2003, ka io amin'ny ankavanana aorianako io no natao havoanan'i Golgota, namantsihana an'i Jesoa tamin'ny hazo fijaliana, ary io ankaviako io  kosa  sy ity ambany ity

ny tanànan'i Matera nanaovana ny làlan'ny hazo fijaliana, izany hoe ilay niakarany nitondra ny hazo fijaliany.

“ Notte di San Lorenzo “ – “Ny alin’i Md Laurent “

Nampidirin'i ikalamako | 11 Aog, 2007
Rehefa tonga ny alin’ny 10 aogositra dia mibanjina ny faravodilanitra avokoa ny Italiana maneran-tany miandry ny handalovan’ireo kintana hiraraka.

Hatramin’ny ela no nanokanan’ny Italiana ity alina ity ho an’i Md Laurent (San Lorenzo), maty maritiry tamin’ny taonjato fahatelo, ary milevina ao amin’ny Basilica iray mitondra ny anarany eto Roma ; satria ireo kintana miraraka ireo dia tsy inona fa ranomaso nalatsak’ity olomasina ity nandritra ny fampijaliana azy, ka miriaria foana eny an’habakabaka eny ka tsy midina ety an-tany raha tsy mitsingerina ny fotoana nahafatesany, ka mahatonga ity alina ity ho toy ny alin’ny nofy sy hitondra fanantenana.

Rehefa tonga ny “Notte di San Lorenzo” dia heverina fa ho tanteraka ny fanirian’izay miezaka mahatsiaro ny fijalian’i Md Laurent, ka isaky ny kintana mianjera dia anononana izay mba irina amin’ny fiainana.

Marihina moa fa araka ny siansa, ireo kintana mirotsaka amin’ny alin’ny 10 aogositra dia vokatry ny fandalovan’ny asteroidy ao amin’ny Vondron-kintana Perseo (nahatonga ny anarana hoe Perseides) eny amin’ny faritra tazamason’ny tany, saingy azo ampivadiana tsara amin’ny lafiny poetika.

 

Ka raha sendra mibanjina faravodilanitra re, aza hadino ny mamboraka ny fanirianareo tsirairay avy!