Ny injenieria an-dr'i Rainilita.

Nampidirin'i ikalamako | 3 Okt, 2007

Efa 2 herinandro izay no nanamarihako ity ka nampiomehy ahy foana isaky ny mandalo eo aho. Mba topazo maso ny maha-injeniera  ny aty amin'ny tanàna :

Teo aloha dia tsy andoavam-bola ny fametrahana fiara eo amin'io toerana io. Ny ankamaroan'ny mpametraka fiara eo dia mpiasa ao anatin'ny faritra "trafic limité", izany hoe ny "centre historique" : mpiasa birao, mpiasa amin'ireo magazay marobe, ireo mpividy koa, ary ireo mpamangy havana sy namana mipetraka amin'io faritra io saingy tsy manana alalana miditra afa-tsy asabotsy maraina sy alahady tontolo andro. Nanomboka tamin'ny septambra teo anefa dia lasa andoavam-bola izy io, dia nofaritana ny "ligne bleue" natao handoavam-bola.

Dia izao ny fahaizanay aty amin'ny tànana miala pas amin'ny fandoavana vola. Etsy am-pita tsisy ligne bleue no "parking", lol.

 

 

Ity indray dia ny fahaizan'ny injenieran'ny asa vaventy (sa inona no misahana ny làlana) : Ilay làlana "sens unique" ; ny parking andoavambola nofaritana, natao "à pointe" nefa ny fidirana amin'ilay izy mifanohitra amin'ny "sens"-n'ny làlana. Dia aleon'ny olona manao "créneau" ihany, lol !