Saovaly de boa : fangatahana disika pirefere !
Nampidirin'i ikalamako | 31 Jan, 2008
"Ity hira ity dia atolotr'ikalamako ho an'i Tsikisariaka mba hisy hahatsiarovany ny fahatanoranay ! "
Dia aoka i sefo tsy hanome litika indray, mdrrr !
"Ity hira ity dia atolotr'ikalamako ho an'i Tsikisariaka mba hisy hahatsiarovany ny fahatanoranay ! "
Dia aoka i sefo tsy hanome litika indray, mdrrr !
Izany tokoa satria voarombaka ny amboara tamin'ity indray mitoraka ity (escrime ihany io)!
Fiadiana amboara ara-paritra toy ny mahazatra izy ity, fa natao tany Salerno (tokony ho 50km avy eo Naples, mianatsimo ihany). Voarombak'i Ravavitokana ny amboara voalohany teo amin'ny sampana misy azy, fa ny tena fahafahampony (sy anay, na namana na ray aman-dreny rehetra mpiray tobim-piofanana) dia satria ilay zaza nangalarana taminy indray mitoraka iry no nalavony teo amin'ny famaranana androany. Tsimbalivaly ny fiainana e, kodiaran-tsarety.
Ke le mieira gania meiera gainina hoy ny vazaha, lol
aza tezitra ianao fa somonga ny ahy e!
(tsy hoe manivaiva fa mba samy manana ny angatahany isa-maraina koh)

OUF vita ny fety, milamina sy voadio ny trano (tato ihany no nariana ny fako fa tsy lasa any Naples kah !).
Dia nakanaka aina nandinika ny fety nifanesy teo moa, dia niverina kely tany amin'ny Noely indray ny saina, dia tonga indray ny fanontaniana hoe :
Inona angaha no mety nitranga raha toa ka vehivavy ireo Majy telo nanatitra fanomezana ho an’i Jesoa zazakely ?

Nanontany làlana izy ireo.
Tonga ara-potoana izy ireo.
Nanampy nampiteraka an’i Maria izy ireo.
Nanadio ny tranon’omby izy ireo.
Fanomezana tena ilaina no natolotr’izy ireo.
Sy zavatra azo hohanina.
Fa mba inona kosa angaha ny resaka mety ho re teny an-dalàna raha nody izy ireo ?

Kay, mba hitanareo ve ilay kapa nanaovan’i Maria niaraka
tamin’ilay akanjolavany ?
Ary ilay zaza tena tsy mitovy amin’i Zozefa mihitsy e !
Fa mba ataon-drizareo ahoana
koa angaha ny mipetraka miaraka amin’ireo biby ireo anatin’io trano io
?!
Ka ny ampondrany aza mahia kaozatra ohatran'ny inona koh !
Ary Zozefa ange hono toa tsy miasa akory e ! Toa saomera hoe...
Enga anie fotsiny ka averiny ny vilany nitondrantsika vary sy
laoka teo e !
Virjiny hono Maria ! ntss, virjiny ny any ankaratra, olona
niaraka tamiko teny Ankatso iny, fantatro tsara mihitsy !!!
Asa re !
Indreto sary vitsivitsy nalaina tamin'iny andro iny :

sary miaraka.


kahitry mafana.
ikalamako sy Dotmg ilay teo ambanin'ilay varavarankely ![]()
gianlody manao rally fa tara be satria kay tsy mba nilazan'i sefo akory, tsss.

tena dizina i sefo kle ! ![]()
pissoa ve izany tena miady amin'ny rano izany sahady ???
tratran'ny paparazzi ange ianao ry lapino le nilaiso katless e !![]()

tena mbola nisy ambiny ny coca sy gato-ndry ry maintikely...

mazava ho azy fa vao eny am-baravarankely i samoana dia
efa maheno fofona gato.
tezitra mafy mihitsy ange ry sazikely izany fa matahotra ny tsy hahatratra gato intsony koa.

io i simp le nanao elvis presley !
mbola sary miaraka.

sipagasy a, ary hay mahay mandihy be indry ity !!!
ny tsikin'i tsikisariaka ![]()
![]()
![]()
aza ilaozana manao pv any an-tokontany r'ikalakely an !
tokinao kosa aza mivatravatra rehefa haka partenera handihy e
.
ry kalanika nilaozany mifanenjika any an-tokontany fotsiny fa tsy afaka nijery televizio hono
harilova lasa nirifatra fa tadiaviny entina any amin-drizareo any Naples koa ny fako, tsss

asio tsapiky amin'izay e, asio tsapiky amin'izay !