Mba nandefa fisainana indray.
Nampidirin'i ikalamako | 19 Jan, 2008OUF vita ny fety, milamina sy voadio ny trano (tato ihany no nariana ny fako fa tsy lasa any Naples kah !).
Dia nakanaka aina nandinika ny fety nifanesy teo moa, dia niverina kely tany amin'ny Noely indray ny saina, dia tonga indray ny fanontaniana hoe :
Inona angaha no mety nitranga raha toa ka vehivavy ireo Majy telo nanatitra fanomezana ho an’i Jesoa zazakely ?

Nanontany làlana izy ireo.
Tonga ara-potoana izy ireo.
Nanampy nampiteraka an’i Maria izy ireo.
Nanadio ny tranon’omby izy ireo.
Fanomezana tena ilaina no natolotr’izy ireo.
Sy zavatra azo hohanina.
Fa mba inona kosa angaha ny resaka mety ho re teny an-dalàna raha nody izy ireo ?

Kay, mba hitanareo ve ilay kapa nanaovan’i Maria niaraka
tamin’ilay akanjolavany ?
Ary ilay zaza tena tsy mitovy amin’i Zozefa mihitsy e !
Fa mba ataon-drizareo ahoana
koa angaha ny mipetraka miaraka amin’ireo biby ireo anatin’io trano io
?!
Ka ny ampondrany aza mahia kaozatra ohatran'ny inona koh !
Ary Zozefa ange hono toa tsy miasa akory e ! Toa saomera hoe...
Enga anie fotsiny ka averiny ny vilany nitondrantsika vary sy
laoka teo e !
Virjiny hono Maria ! ntss, virjiny ny any ankaratra, olona
niaraka tamiko teny Ankatso iny, fantatro tsara mihitsy !!!
Asa re !