"Manina anao"

Nampidirin'i ikalamako | 10 Apr, 2008

Hiran'i Carson Rangers, nalaina tanatin'ny rakikira "Beratro" navoaka tamin'ny 2002.

 

 


 

Enti-mody : "Aza ampijaliana ny tenintsika" - and. 2.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Apr, 2008

Rahoviana no tokony hampiasa ny "milaza ny ho avy" amin'ny matoanteny.

 

Efa ohatra iray io lohateny io, satria misy fotoana tsy azo ampiasana afa-tsy ny ho avy amin'ny matoanteny :

 

- Ao aorian'ny tokony : Tokony hiantso  dokotera fa voa mafy ny marary (io ilay ohatra amin'ilay lohateny etsy ambony)

- Ao aorian'ny mba (milaza zavatra kendrena) : Mianatra mba hanondrotra ny firenena.

- Ao aorian'ny enga anie ka : Enga anie ka hotahin'ny razana isika.

- Eo alohan'ny anie : Hotahin'ny razana anie isika.

- Ao aorian'ny te, ta : Ta hatory ity zaza ity izany.

- Ao aorian'ireo teny rehetra mitarika hevitra milaza ny ho avy toy ny hoe :  tsara, mendrika, mikasa, mikendry, mitetika, maniry, mitady, mila, tiana, vonona, manao izay, madiva,... : tsara hianarana io tononkalo io, mila hatory ny masoko, madiva hilentika ny masoandro.

 _____________________________________________

Dia ity mba misy fanalàna havizanana sy fakana alahelo kely : 

 

 


 

Madagasikara : araka i Brigitte Rabarijaona.

Nampidirin'i ikalamako | 1 Apr, 2008

Tsy miala eo amin'ny foto-kevitra momba an'i Madagasikara isika.

Vaovao vao nampitain'i Helisoa ity ary nanaitra ahy : sary hosodoko nataon'i Brigitte Rabarijaona.

 

 

fanazavana eo ambany : 

 

 
Fa tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy ity raha misy afaka mamaly :
 
Io voninkazo Madagasikara  io  - rehefa hanala azy isika dia asaina amboarin'ny namana ny molony, dia rehefa avy eo lazaina izy fa mitovy amin'ny voan'ilay voninkazo, tsss ; mba nataoko koa ny zanako tamin'izahay mianaka tany dia toran'ny hehy ery izy sady nametraka ilay fanontaniana apetrako aminareo ihany :
Aty aminay aty Italie, stella di Natale no anaran'io voninkazo io, izany hoe "Kintan'ny noely". Rehefa  ririnina, amin'ny fotoanan'ny Noely ihany vao betsaka azy io eny an-tsena hany ka lasa bizna be (mila ampidirina anaty voambolana malagasy ve io teny io hihihi), satria fanao fanomezana. Ka iza ary maninona no Madagasikara no anarany any amintsika. Bizna be io raha misy manondrana aty isaky ny krismasy, sa tsy vokatra izy amin'izay fotoana izay ? Misy fotoanany tokoa ve ny famonian'izy io ?

 

«Mialoha   1 2