Ny hazo
voaroy ihany no hazo voangaly. Angaliko ianao raha tia ahy ; fa raha tsy tia
ahy ianao, mba tofoka aho ; ary raha manova ianao mba afoiko ; fa ny “fitia
mifamaly mahatsara fihavanana”. Aza boraborahana ny fihavanana fa ny
“fihavanana tahaka ny voara, ka raha vakina, misy vitsika”.
Manaova toy
ny maso sy orona ka iray alahelo. Koa raha soa, miara-tsoa, ary raha
ory, miara-mitondra.
Fanehoan’ny Ntaolo ny FIFANKATIAVANA sy FIHAVANANA ireo ambony ireo.
Ary mbola maro ireo Malagasy mbola mandala ny Fihavanana.
Rehefa lavitra ny tanindrazana dia tena aseho mihitsy io fifankatiavana
io, ka azo lazaina mampiavaka antsika ihany amin-drizareo tandrefana izay samy
maka ho azy izany.
KANEFA :
Rehefa lavitra tanindrazana dia samy manana ny olona mahazatra
azy hiarahana : mitovy fisainana, mitovy fiaviana, mitovy firehan-kevitra,
mitovy lafin-kavana, mitovy finoana, mitovy asa, mitovy sekoly, mitovy
fari-piainana, mitovy fahendrena, mitovy hadalana.
Rehefa lavitra tanindrazana dia mazavazava kokoa ireo fahasamihafana
ireo satria kely ny sehatry ny fiaraha-monina.
Rehefa lavitra tanindrazana dia samy miady mafy amin’ny
fiainana ary samy miezaka hanana ny tsaratsara kokoa. Misy ny mifanampy, misy
ny mifaninana. Mety daholo izany fa ny tanjona dia hanatsara fari-piainana.
Fa rehefa lavitra tanindrazana ihany koa dia miova manaraka
ny fiainana iainana ny dikan’ny Fihavanana :
-
dia matetika mivadika hoe : tiavo ny namanao
hihinananao ny anananao.
-
dia matetika mivadika hoe : aleo very
tsikalakalam-pihavanana toa izay very tsikalakalam-bola.
-
dia matetika mivadika hoe : fihavanana fanambakana ny
Fihavanana manomboka amin’ny renintsoratra F lehibe nolalain’ny Ntaolo (hoy izay
Olon-dehibe nivahiny tato aminay izay rehefa nitafatafa momba ny fiovan’ny
fihavanana aty ivelany izahay).
-
dia matetika mihamafy ny hoe : havako raha misy patsa,
fa raha lany ny patsa havan-tetezina.
-
dia matetika fihatsaram-belatsihy sisa no anaovana ny
adidy (voatery asaina na olona mahasosotra aza raha tena tsy azo ialana ; raha
azo ialana moa dia vitaina amin’ny tsikitsiky fotsiny ; voatery vangiana ihany
koa raha misy fahoriana fa tsy dia hoe avy amin’ny fo no hidododoana).
Ka rehefa atao ny kajy dia mihalefy ny fomba malagasy sy ny
fandalàna ny Fihavanana rehefa lavitra tanindrazana. Tsy hoe tsy hita izay
maharatsy azy fa lasa tsy dia laharam-pahamehana intsony fotsiny.
Raha misy ny disadisa eo amin’ny antokon’olona roa, dia azo
atao mihitsy ny tsy mifanasa raha misy fifaliana. Tsy mahataitra ny manodidina na
tsy voaasa aza ianao, tsisy manodidina tohina amin’izany akory. Tsy mikredy
mihitsy ny manodidina rehefa misy évité fa tsy invité. Mandeha zatra ilay
fiainana amin’io fa FIFALIANA sy FAHASOAVANA tsinona kah. Azo tsy iaraha-mizaka
iny.
Raha misy ny disadisa eo amin’ny antokon’olona roa, dia azo
ampandrenesina daholo ihany ny tapaka sy namana tsy ankanavaka raha misy
fahoriana. Mahataitra ny manodidina raha tsy midododo ianao ilay azo tsy
nasaina tamin’ny fifaliana. Mahataitra ny manodidina raha tsy voaantso ianao,
tsisy manodidina tsy tohina amin’izany.
Mikredy mihitsy ny manodidina fa tsy misy azo évité-na. Mandeha zatra
ilay fiainana amin’io fa FAHORIANA tsinona kah. Azo/mila iaraha-mizaka iny.
Dia miala tsiny miala fondro aho raha tohina daholo ny
manodidina fa amiko ny hoe Fihavanana dia avy amin’ny FO ny fiaraha-mitsiky
raha misy fifaliana, ary fiaraha-miondrika raha misy fahoriana. Impiry moa no
melohina ny “manao maty vao ramalala” !
Rehefa avy tsy niara-nifaly nandritra ny fotoana maro ve dia
TSY MAINTSY hiara-hiondrika amin’ny andro iray amin’ny anaran’ny
fihatsarambelatsihy. Dia rehefa hisaraka, dia fiteny ny hoe “eny ary fa dia tsy
ho ny ratsy intsony anie no hifanodiavantsika fa mba ho ny tsara indray”, nefa
dia haiko izao – satria efa nataony ahy indray mandeha - fa rahampitso raha mifanena
eo am-bavahadinay indray izahay (fa miasa ao amin’ilay mpifanolo-bodirindrina
aminay izy) dia hahodiny toa ny mahazatra ny lohany.
Dia hitako miala any indray ny kristiana be vontom-pinoana : "aza manao an'izany ianao fa hoy ny baiboly hoe raha misy..." HALTE !!! Tsia ; raha misy mamelaka ny takolako havanana, tsy omeko kosa ny havia fa narary kle ! Tonga dia direkta be tsisy alaharo no valiny. Miala tsiny fa fitia mifamaly io.
Tsia,
manaja ny safidin'ny hafa aho. Raha te-hamitram-pihavanana amiko ny olona iray dia afaka nanao
izany ary afaka hanao izany fa tsy miandry fahoriana hidona vao voatery hanao
izany. Samy olon-dehibe dia samy tompon’andraikitry ny fihetsiny sy ny
fisainany. Izy no tezitra ka tsy azoko terena handravona fihavanana izy raha tsy
vokatry ny fony.
Ary miangavy
ny manodidina aho mba tsy ho tohina amiko amin’ny fihetsiko amin’ny
androm-pahoriana toa ny TSY nahatohina azy
ireo tamin’ny androm-pifaliana.
Ny
fihetsiko tsy fanivaivana ny maty akory, fa ny maty tsara levenana, ny velona
kosa no homem-boninahitra – kanefa ny voninahitra hifanomezana fa tsy omen’ny
iray fotsiny. Toa ny nataoko tamin’ny maty rehetra (Rado, Père Ralibera, Miriam
Makeba, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo
aho) dia naondriko ny lohako, nanokana 10 mn fanajana azy aho. Ary mino aho fa
nahafaly kokoa ny maty raha nidododo nijery azy fony narary ireo maro nidodododo
nony lasa izy – na nidodododo nony efa teo am-bavahoan’ny ora farany izy.
Tsy
araham-pihatsarambelatsihy ny Fihavanana, raha tsy izany dia aleo apetraka
an-tsisiny izy aloha dia aleo samy maka ho azy toa ny tandrefana.
POURQUOI JE BLOGGUE
POUR LE FIHAVANANA
angamba no tsara natao lohatenin’ity.