Mba samy manana ny angatahany e !
Nampidirin'i ikalamako | 26 Jan, 2008aza tezitra ianao fa somonga ny ahy e!
(tsy hoe manivaiva fa mba samy manana ny angatahany isa-maraina koh)

aza tezitra ianao fa somonga ny ahy e!
(tsy hoe manivaiva fa mba samy manana ny angatahany isa-maraina koh)

OUF vita ny fety, milamina sy voadio ny trano (tato ihany no nariana ny fako fa tsy lasa any Naples kah !).
Dia nakanaka aina nandinika ny fety nifanesy teo moa, dia niverina kely tany amin'ny Noely indray ny saina, dia tonga indray ny fanontaniana hoe :
Inona angaha no mety nitranga raha toa ka vehivavy ireo Majy telo nanatitra fanomezana ho an’i Jesoa zazakely ?

Nanontany làlana izy ireo.
Tonga ara-potoana izy ireo.
Nanampy nampiteraka an’i Maria izy ireo.
Nanadio ny tranon’omby izy ireo.
Fanomezana tena ilaina no natolotr’izy ireo.
Sy zavatra azo hohanina.
Fa mba inona kosa angaha ny resaka mety ho re teny an-dalàna raha nody izy ireo ?

Kay, mba hitanareo ve ilay kapa nanaovan’i Maria niaraka
tamin’ilay akanjolavany ?
Ary ilay zaza tena tsy mitovy amin’i Zozefa mihitsy e !
Fa mba ataon-drizareo ahoana
koa angaha ny mipetraka miaraka amin’ireo biby ireo anatin’io trano io
?!
Ka ny ampondrany aza mahia kaozatra ohatran'ny inona koh !
Ary Zozefa ange hono toa tsy miasa akory e ! Toa saomera hoe...
Enga anie fotsiny ka averiny ny vilany nitondrantsika vary sy
laoka teo e !
Virjiny hono Maria ! ntss, virjiny ny any ankaratra, olona
niaraka tamiko teny Ankatso iny, fantatro tsara mihitsy !!!
Asa re !
Indreto sary vitsivitsy nalaina tamin'iny andro iny :

sary miaraka.


kahitry mafana.
ikalamako sy Dotmg ilay teo ambanin'ilay varavarankely ![]()
gianlody manao rally fa tara be satria kay tsy mba nilazan'i sefo akory, tsss.

tena dizina i sefo kle ! ![]()
pissoa ve izany tena miady amin'ny rano izany sahady ???
tratran'ny paparazzi ange ianao ry lapino le nilaiso katless e !![]()

tena mbola nisy ambiny ny coca sy gato-ndry ry maintikely...

mazava ho azy fa vao eny am-baravarankely i samoana dia
efa maheno fofona gato.
tezitra mafy mihitsy ange ry sazikely izany fa matahotra ny tsy hahatratra gato intsony koa.

io i simp le nanao elvis presley !
mbola sary miaraka.

sipagasy a, ary hay mahay mandihy be indry ity !!!
ny tsikin'i tsikisariaka ![]()
![]()
![]()
aza ilaozana manao pv any an-tokontany r'ikalakely an !
tokinao kosa aza mivatravatra rehefa haka partenera handihy e
.
ry kalanika nilaozany mifanenjika any an-tokontany fotsiny fa tsy afaka nijery televizio hono
harilova lasa nirifatra fa tadiaviny entina any amin-drizareo any Naples koa ny fako, tsss

asio tsapiky amin'izay e, asio tsapiky amin'izay !
Tsy napetrako ho isan'ny hevitra ny fisaorana sy fankasitrahana anareo rehetra tonga namonjy fety nanomboka tamin'ny talata 8 janoary, fa ataoko pejy manokana.
Misaotra dia misaotra, mankasitraka sy mankatelina anareo rehetra.
Tsy hanina nahavoky moa no naroso anareo tao fa voninahitra
nifanomezana, ary natao lehibe tsara mihitsy ny mofomamy mba tsy
hahadiso anjara ireo tara (mbola misy ao ho an'ireo izao vao tonga fa
dia mazotoa e
).
Nahafaly anefa ny nahita fa tonga maro tokoa ianareo, na ny voaantso
manokana na ny sendra nandalo tsy nihafahafa fa nandroso.
Manja ny eto ka tonga amin'ny hiran'i Julio Iglesias hoe :
"Le monde est fou, le monde est beau
Un rendez-vous toujours nouveau
Le monde est beau le monde est fou
Il promet trop pour donner tout
On sait qu'au bout c'est le rideau
Mais on s'en fout le monde est beau."
"fou et beau" eto amin'ny "monde serasera" fa dia misaotra sy mankalaza e!!! ![]()
Aiaiaia fetibe !!!
8 janoary : Herintaona eee...
Mandrosoa daholo ry ambanilanitra : eo ry pissoa, ento sazikely sao hadinon-dry ; o ry tsikisariaka sy mirana a, efa nifanarahana tatsy izy ity fa asiana arosazy an ; oadray, i sefo e, tsss, ianao angady nananana sy vy nahitana indray ve no hihafihafy fotsiny eo ambaravarana fa mandrosoa re, efa ao ny gateau, saingy izaho no mandidy azy io fa tsy hoe anao ny serasera dia ianao foana no hanapaka gateau na dia mitovy tsisy valaka tamin'ny gateau tany amin'ny Mon Tanà aza izy ao an, natao mitovy fa samy serasera - copie coller - ; dia mba ilazao ange ry gianlody sy ilay namana clip bodo sao tsy mbola nahare fa namana daholo ireny e
; mandrosoa akia ry hanta ; angie a, ao ambany latabatra akia ny coca sy rano dia mba rosoy i tsiory a ; mandrosoa re ry lalasoa ; ry lapino ; ry soanja ; ry ryana ; ry malala ; ry simp ; ry lanto; ry Dotmg ; ry sitlo ; voromailala a mba asio vazo toa itony ilay fety fa mba ataovy duo-nareo sy ers indray ; ataovy toy ny an-tranonao re ry zoky ravatorano ; ao ramanatantara mba raiso moa ny vera ; ary DadaRabe izay ve efa tonga e ? ho tara fety lahy ranamana iny, nefa mba mila poezia kely ity andro ity ; jentilisa sy radotiana a, mba ataovy milay ilay reportazin'ny fety rehefa avy eo fa kapoakanareo io an ; efa ao ve ry sipagasy, ry lanto, ry ikalakely sy ry maintikely ? andraso aloha hametrahana afisy atsy avaratra fa zareo manko matetika variana ao ka tsy dia mitsidika aty firy ; aza hadino ny cure-dent samourai ry lehilahytsyresy ; eee, tsaroako foana ny vatravatranao fahizany ry tokinao
; mba lalovy dia omeo pasazy ao ange i shoan ry badouda azafady ; sefo a, mba azo invité-na koa ve jm sao dia azo atao direkta ao amin'ny RVG ity fety
ity ?
...oay ho tafiditra ato daholo ve izany ???... shhh tsy koi fa namana virtoaly daholo ve ireo dia tsy ho tafa ?! Mba mifaneritery re e - ataovy iray-mandroso-iray-mihemotra (lol, tery ny trano) - maro dia maro nareo ka tsy ary voatonona avokoa fa mandrosoa daholo, dia rehefa vonona daholo dia tsindrio amin'izay ilay bokotra fandefasana ny televizio etsy ambany ...
Klou klou ...naika hadino k'ity, harilova a, mba tsofy rano klou e
!
zayyyyy ... alefa amin'izay :
(kii, tena tsy hita indray ilay soratra hoe "délivré pour le printemps de votre blaogy")