Ny serasera sy ny namana serasera moa ity mankalaza ny
fahavalo sy ny fahadimy taonany, izaho hankalaza ny fahafolo volana
nifaneraserana taminareo teto afaka andro vitsivitsy (efa mba hahazo taona
atsy ho atsy, lol).
Dia lasa ny saina hoe inona tokoa moa no nahatonga ahy
nanokatra blaogy sy lasa tafiditra lalina amin’ity raharaha manga ity, izaho
ilay badovavy fahiny ?
Ny taona moa nitombo dia nampitomboina koa ny fianakaviana ;
nitombo koa ny olom-pantatra sy ny namana – be koa ireo mpiray tanindrazana
nihavy nanampy isa, ka isan’izany i sefo
Hery.
Mandroso moa ny tany dia mba nampandrosoina tato an-trano koa
ity kopitera mba hialana amin’ny habadoana fa tsy vitan’ny hoe “ny ankizy
ankehitriny mpanangana ny taona roa arivo” intsony ny tanjona, fa “izay tsy
mahay kopitera no badon’ny taona roa arivo”
ka tsy maintsy niezaka niala tamin’izany tokoa.
Ka ity namana sefo Hery ity izany no nasesiky ny razana
hanampy ny tena amin’izany katrok’asa
mafonja izany. Isaorana ny Avo fa raha faharetana dia ananan-dranamana
ity marina mafy, niaiky aho! Tsiky ihany ny azy dia ampy fa tsisy bedy izany
mihitsy an, ramose tsy mba masiaka !!!
Ka indray andro ary nanao fety izahay tato an-trano dia naka
sary mazava ho azy. Ny paositra elekitronika moa mba efa nananana. Dia mba
ni-zesta hoe alefaso paositra ilay sary rehefa vita ry Hery. Tonga ny ampitso ity rohy ity fotsiny no
nalefany paositra, sy hoe “Efa ao anaty blaogy ny sary fa alaivo ao. “
Inona angaha ity blaogy ??? Hitanay taiza izany blaogy izany
fa bilao azo ifampitorahana no hainay koh. Dia klikena hono ity rohy dia namoaka soratra sy sary tokoa. Dia nalaina tokoa ny sary rehefa avy natoro
tsara ny fanaovana azy, dia nohidina ity pejy fa tsy fomba mijerijery sekrén’olona...
Tsy mba nandalina ilay saina mba nanadihady hoe inona hono itony e?
Fa mba nizesta tany amin’ny hafa kosa anefa avy teo an :
“efa azo daholo ny sary tao an-trano tamin’ny “versera”, efa nomen’i Hery
tamin’ny blaoginy”, nefa toa tsy mba nisy iray nanontany hoe inona ity blaogy =
ny tena irery izany no tsy mahay izany blaogy izany raha dinihina ka aleo mody
fanina.
Nandeha ihany ny fotoana, isaky ny mahazo mailaka avy amin’i
sefo dia ity no soratra ao :
From: Eugene Heriniaina <hery@serasera.org>
Date:
Subject:
To:
Salut
patati et patata et patati et patata
--
Inona no misakana anao tsy hiblaogy?
Hery
"Tsiky dia ampy"
“Inona no misakana anao tsy hiblaogy” io ihany no hitako eo
isaky ny mihetsika.
Ny tena mba manontany hoe maninona no asianao an’io foana,
dia averiny amiko ilay fanontaniana nilako
valiny : inona no misakana anao ? Ka rehefa nazavainy tsotsotra ilay izy
dia nazava fa ny tsy fahaizako sy ny hakamoako no misakana ahy fa “raha tsy hay
hono tsa hibitabitahana”.
Kanefa moa rehefa zavatra lazaina anao isan’andro – goutte
d’eau chinoise, hihihi – dia toa miketriketrika ihany ny zanak’atidoha amin’ny
farany hoe “maninona tokoa moa raha jerena akaiky ny momba an’io !”
Ka dia tonga ity andro lehibe rehefa tsy nahaleo ny
piblisité-n’ingahirainy dia nisokatra tamin’ny 8 janoary ny blaogy.com-n’ikalamako ; ary ny 30
janoary kosa ny blaogy.org
Saika kivy aloha tamin’ny voalohany fa sady efa tsy hay ity
izy, izay lazaina toa tsy hita, mbola nivatravatra fihavy daholo koa ireo
mpitsidika (efa aty aoriana ry tokinao vao mibaboka fa izy indrindra no tena be
fihavy tao, lol). Ilay ps koa aloha no tena nahatonga izany e, fa anarana moa
iny an-tanim-boanjo, samy manao izay mahabotrabotra azy avy : “l’habit ne fait
pas le moine” hono koh !
Nony hay indray ny blaogy dia nasain’i angie sy hery nikarajia
indray. “Hay ve izao izany mi-chat randraikakiko o !”, hihihi, kanjo
nangatahan’i angie pv ka loza fa tsa hay sy tsa hitan’i vendrana inona angaha
izany, aiza koa misy izany. Fa dia nilofo tokoa nianatra ka dia nahay nony
farany hoe: mankao an-dakozia fa tsy ao amin’ny salon miaraka amin’ny olona
rehetra. Hay re rey olona ka tao an-dakozia tao ikalamako efa be kil mpanao
combien, ankoatra ireo tsy mahandry lakozia fa tonga dia ao amin’ny salon no
miady varotra...Fa tsy naharatsy fihavanana kosa klou ny varotra tsy raikitra
e, manja iny !
Dia izao efa mba mamaky forum
– “mora mahazo moa aho ry Hery rehefa hazavaina maharitra o ?”
, mamaky
ireto gidragidra tsy mety lany, mitety ny pejin’ny namana maromaro dia
mandrangodrangotra eny, dia mihaino RadioVazoGasy sy mahay mampiditra hira
mihitsy aza an, attention hein !
Dia izao efa manomboka voaisy loha koa ny ps sasantsasany, fa
ny ambiny mbola vinaninaina satria “tsy mbola nampiditra momba anao ianao dia
tsy afaka mijery ny mombamomba ny namana sy ny sariny”.
Dia inona moa izany fa dia misaotra ny mpampianatra
indrindra indrindra, ary misaotra koa ireo rehetra manaiky ho namana. Ho ela
velona !