Léa, kintana iray misandratra...

Nampidirin'i ikalamako | 3 Des, 2009

Léa, zazavavy vao 14 taona, manoratra sy mamorona hira. Zaza natsangana izy, monina ao Frantsa, fa ny rahavaviny kosa mbola tafajanona any amin'ny tany niaviany, any MADAGASIKARA.

Nifankahita izy mirahavavy taona maromaro aty aoriana, na mifanalavitra toerana aza...ka ity hira ity dia natolony indrindra ho an'io rahavaviny io.

Mipao-tsatroka !

 

 

Vaovao fohy momba ny fanarenana ny Rovan'i Manjakamiadana

Nampidirin'i ikalamako | 29 Okt, 2009

Afaka andro vitsivitsy dia hiherina ny andro nahamay ny Rovan'i Manjakamiadana, ny alin'ny 6 novambra 1995.

Maro ny hetsika efa hita sy re momba ny fanarenana azy io. Mahavelom-bolo anefa ankehitriny fa efa mandroso miadana, saingy mbola lavitra ezaka izany.

Ankehitriny moa dia ny "Comité National du Patrimoine", komity manokana natsangana teo anivon'ny Fitondram-panjakana tamin'ny taona 2006, no miandraikitra mivantana izany fanarenana izany, miaraka amin'ny Fikambanana "Fanarenana ny Rova".

Notsinjaraina ho ambaratonga 4 ny asa tamin'izany ka ny tapany voalohany sy faharoa dia nokendrena ho vita mialoha ny faran'ny taona 2009.

Azo lazaina fa tàna ny fanamby : fanamafisana ny fototra sy ny andry, famerenana na fanoloana ireo vato ary ny famitana ny tafo solaitra sy vifotsy toa ny tany am-piandohana.

Tsy nataon'ny komity ho tompon-trano mihono anefa isika Malagasy izay miandrandra izany fanarenana izany, ka dia indro atolony ny tarehimarika sy ny fanazavana fohifohy momba ny fizotran'izany adidy makadiry napetraka amin'izy ireo izany.

Manentana sy manantena ny fandraisan'ny maro anjara hatrany koa izy ireo fa ny tao-trano tsy efan'ny irery tokoa.

 

Programme de restauration // Programan'asa : Jereo eto

Plan de l'enceinte royale et vue du site aujourd'hui // Ny Rova fahizany sy ankehitriny : Jereo eto.

 

Contexte hisotrique et technique du projet. Situation des travaux en cours (Mai 2009). Financement des travaux en cours // Tantara fohy sy ny tetikasa. Toe-draharaha ankehitriny (Mey 2009). Famatsiana ara-bola ny asa eo andalam-panantanterahana : jereo eto

Les prochaines étapes (3ème et 4ème phase) // Ny ambaratonga manaraka (tapany fahatelo sy fahaefatra) : jereo eto.

zzzzzzzz-n'ikalamako

Nampidirin'i ikalamako | 26 Aog, 2009

Click to view my Personality Profile page

 

izao zany kou, zzzzzzzzzzz beuh !

Izany hoe ilay tagy izany raha atontaly dia hitsongolohana ny rehetra momba ny namana izy ity e !

Dia arehitro ny arendrina !

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jio, 2009

Tsy mba nisy ihany koa ny nanazava tamiko hoe inona ny dikan'ny arendrina (sady tsy nikaroka aho fa raha tsy hita izay maharatsy azy ve dia tsy hotohizana ? lollll) fa manantena aho fa tsy vokatry ny fanjanahantany frantsay izy io.

 

 

arendrina taratasy ô, may may may

zé tsy faly manao aminay...

Valin-kafatra : hatsangako ny sainam-pireneko.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jio, 2009

 


 

Eny iky ry Kdaomba, atsangako ny sainam-pireneko raha mbola nahazo tombon'andro aho hahafahako maneho  fa Malagasy - Proudly Malagasy - avy any Madagasikara.

Io ny ahy, io no Madagasikarako na mahantra aza, na tantely afa-drakotra aza ka anjakan'ny adala, na lavitra ahy aza.

Nomen'ity firenena honenako ity ahy ny zom-pireneny ary dia natsangako "teo amin'ny antsasa-taho" tatsy amin'ny pejiko iray tatsy ny saina "maitso-fotsy-mena" italiana nanehoako fisaonana volana vitsivitsy lasa izay raha nisy horohorontany be namoizana ain'olona maro teto Italia.

Mbola mirehareha amin'ny maha-malagasy ahy tanteraka aho ka dia atsangako ny sainam-pirenena "maitso-fotsy-mena" malagasy amin'izao andro fahatsiarovana ny nahazahoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany izao satria aho mbola tsy very zo fa mbola malagasy 100 isanjato.

 

  "Fa anivon'ny mamiratra, ny taniko no mamiko, tsy manam-paharoa ; hafa mbola hafa, mamy tena mbola mamy" (Jérôme Randria)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 ... 27 28 29  Manaraka»