Eritreritra manaraka ny onjan'ny fandrosoana.

Nampidirin'i ikalamako | 12 Mey, 2007

Dia lasa tokoa ny eritreritro androany mahita ny fandrosoana. Dia manontany tena hoe rehefa afaka 15 taona, feno 25 taona ny zanako, inona indray re ny zava-baovao entin'ny fandrosoana e!

Satria tsaroako tsara ny nahatongavako teto Eoropa tamin'ny 91, mbola nisy rotaka be tany Dago ny volana aogositra, taorian'izay tena nanahirana be ny fifandraisana ara-paositra, nefa ny fiantsoana an-tarobihy mbola lafobe mihitsy, sady ny ankamaroan'ny tapaka sy namana tsy nanana vata-fiantsoana akory.

Roa taona tato aoriana dia afaka niantso niafina, na teny amin'ny toerana fivorivorian'ny Filipina, na tany amin'ny Afrikana ; izay ao ambadik'izany fiantsoana izany aloha dia tsy hay, kanefa dia azo an-tsaina fa misy halatra tamin'ny nomeraon' olon-kafa tao ambadik'izao. Fa ny tena moa tany am-pianarana nianatra "conjugaison" hoe je m'aime : izaho aloha ; izay vao  je t'aime : izany hoe ianao ; izay vao je l'aime : izy izany ; ka izay nahafahana niantso ny havana tany Dago aloha no zava-dehibe, fa izay kaontin'ny hafa eo vidiny. Teo amin'ny 50 centimes de euro teo ho eo ny iray minitra tamin'izany, fa dia efa zava-dehibe aloha e.

Ankehitriny anefa, nampitady namako be izay aho, tany Antsiranana no nahalalako azy farany, ary dia mbola any izy hatrizao rehefa nasaiko notadiavan'ilay namako be tao amin'ny adiresiny taloha tao Behoririka, satria mbola ao ny zokiny. Dia azo daholo na ny mailaka azo hanoratana aminy na ny nomeraon'ny finday, ka dia nahafinaritra ny - tsy hoe nifankahitana moa izany - fa ny famerenana ny fifandraisana taloha izay notapahan'ny elanelan-tany.

Dia androany ihany, raha nifanoratra mailaka izaho sy ilay namako iray izay manana talenta amin'ny asa-soratra ihany, hatramin'ny teny lycée, dia nampatsiahiviko azy fa mila manokatra pejy ao amin'ny www.artiste-malgache.com mihitsy izy mba hampahafantatra ny talentany, kay izy efa nanokatra tokoa tamin'ny vao nolazaiko an'io enim-bolana lasa izay, saingy ho an'ny tsy za-draharaha toa anay moa dia toa teny sinoa daholo ny fanazavana ato, ka navelany ilay izy. Mifandefa mailaka eo izahay dia nampitaiko tamin'ingahy lehibe mpikarakara ny hetahetany, ka tonga dia afaka niresaka tsara tamin'ny ity hoe Yahoo rizareo, ka teo aho nijery ilay pejy dia hitako fa nihetsika tokoa, satria fantany amin'izay ny tokony ataony izao.

Dia lasa tokoa ny fisainana, lalina lahy ny fandrosoana. Ary efa ampy ve izay ? Toa efa manamora fiainana tsisy toa izany ny olombelona, ka mbola misy tsy ampy ve ka mila hoforonina indray ? Inona ny zava-baovao afaka 10 na 20 taona ?

Eto isika hahita azy, fa asa na mbola amin'ny alalan'ny blaogy no famoahana  ny ventsoventsom-po sy izay eritreritra miserana ao an-tsaina amin'izany fotoana izany...

Mba hiteny irery ve ny webmaster-n'ireny site rehetra ireny amin'izany hoe "tena efa mandroso ny tany fa tsy izany no nampiasainay tamin'ny andronay!"

 

RADO : poeta, mpanoratra.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Mey, 2007
Voaraiko omaly ity mailaka ity, angamba maro amin'ny mpitoraka blaogy eto no efa nahazo azy. Saingy navoakako eto fa nanohina ahy ny aingam-panahin'ilay nanoratra, tsotra nefa mafonja. Satria RADO dia tena rado, firavaka hireharehan'i Madagasikara tokoa, ka mahatonga izao vetsoventsom-po zarain'ny mpanoratra amin'ny rehetra izao.
Tiako marihina fotsiny fa nisy fanitsiana kely dia kely nataoko tamin'izy ity - fa tsy nisy nanalana na nampiana akory ny hevitra - ka ialana tsiny amin'ny tompon-dahatsoratra dieny izao.
Objet : TR: FW: TR : Une chaîne pour RADO

 
 
>SI VOUS ETES MALGACHE ALORS CECI VOUS CONCERNE.
>J'effectue cette chaîne car je viens d'apprendre qu'un monument de la
>culture malgache risque de s'effondrer si on ne lui vient pas en aide. Elle
>ne servira pas à récolter des fonds pour subvenir à son intervention, elle
>servira juste à lui rendre hommage,
et cela de la part de ceux qu'il chérit le plus : LES JEUNES, NY TANORA
>GASY.
>Je vous prie de prendre la peine de le lire et de l'envoyer à vos contacts
>en particulier à ceux d'origine MALGACHE pour que son message puisse se
>transmettre.
>Ne brisez pas la chaîne!!! c'est notre manière à nous de le soutenir dans
>ces moments difficiles.
>
>
>Il se prénomme Georges, de nom ANDRIAMANANTENA, il est ce qu'on peut appeler une
>personne aux multiples talents!!! il
>est écrivain, poète, pyro sculpteur, pianiste, compositeur, et avant tout
>un patriote. Vous le connaissez surement sous son nom d'artiste : RADO;
>
>Je ne ferais pas sa biographie, mais je vais juste vous parler de l'être
>extraordinaire qu'il est.
>
>Né en octobre 1923, RADO a aujourd'hui 84 ans. Il a lutté pour le retour de
>l'Indépendance de notre beau pays : MADAGASCAR. Il a écrit de nombreux
>poèmes dans lesquels il clame haut et fort son amour pour sa Terre ( exemple : RY
>TANINDRAZAKO ) , il a aussi participé à sa manière à la lutte contre le
>renversement de l'ancien régime ; de cette lutte est né le dernier livre
>qu'il a écrit qui contient le très célèbre : TSY MAINTSY MIPOAKA
>NY TAKO-BILANY .
>
>J'ai eu le privilège de m'entretenir avec lui. Il m'a alors expliqué la
>raison pour laquelle il avait choisit le nom RADO comme nom d'artiste. Il
>m'a alors dit : " Mihanta, tu
>sais ce qu'est un RADO... RADO c'est un bijoux majestueux où tu vois une
>succession de pierres et d'or massif
. Une véritabe oeuvre d'art, moi je
>trouvais cela très beau et très attirant. Donc quand j'ai décidé de devenir
>comédien, de laisser s'exprimer l'artiste qui était en moi, j'ai décidé de
>le laisser s'exprimer sous quelque chose de beau, qui cacherait mes grandes
>oreilles . D'où mon nom d'artiste : RADO."
>
>RADO est une personne trés pieuse, son père ayant été pasteur, la Foi et le
>respect de Dieu étaient profondément ancrés dans son coeur. C'est grâce à
>son père qu'il pu dévoiler ses talents de scénariste en créant des pièces
>pour les messes de Noël. Son patriotisme et son amour pour sa Terre, comme il le
>dit,  lui vient du fait que chaque soir durant son enfance, au coin du feu, ses
>parents racontaient des contes (que seule la tradition malgache sait faire)
>sur les mythes et coutumes
>malgaches.
>Sa première oeuvre est connue du grand public à l'occasion d'un grand
>concours littéraire l'année de ses 17ans.
>
>RADO est une personne très forte, qui émeut tout de suite tout en
>éblouissant à la fois. U
ne grande tragédie bouleversait sa
>vie dans les années 90. Sa fille aînée, qui était une des
>premières femmes journalistes de Madagascar, décéda dans un terrible accident de
>voiture qui emporta, non seulement la jeune dame, mais aussi son mari
>et ses deux enfants. A ce propos, RADO me dit : " C'était un dimanche. Tous les
>dimanches mes enfants viennent avec mes petits-enfants, ils viennent tous
>aprés l'Eglise, et je retrouve mon âme d'enfant. Elle tardait à venir, on
>s'inquiétait. Elle était déjà partie. Mon Mozart était parti lui aussi".
>L'accident se produisit vers Talatamaty. Un des petits-enfants de RADO, décédé lui
>aussi dans ce terrible accident, avait
>un talent inné pour le piano. Il l'appelait SON MOZART. A la suite de cet
>accident, RADO écrivit un poème pour son Mozart, et l'intitula tout
>simplement : MOZART KO ( MON MOZART).
>RADO me dit que c'est sa Foi qui lui permetta de se remettre de cette
>tragédie et surtout la perspective de les revoir un jour.
>
>Pour son amour à Dieu, il écrivit plusieurs chansons évangéliques qui font
>actuellement partie du répertoire Biblique du FJKM à Madagascar ( ma
>préférée est MBA TANTANONAO RY RAIKO).
>
>RADO rencontra l'amour en la personne de RAVOLOLONA Edwige avec qui il est
>marié depuis plus de 57ans. Il dit que le secret d'un mariage réussi
>c'est le FANDEFERANA : accepter l'autre comme il est et laisser de coté
>son orgueil.
>
>RADO dans sa lutte contre le régime colonial créa le célèbre journal HEHY
>dans lequel il s'insurgeait contre les colons et prônait la culture
>malgache.
>
>Parmis ses oeuvres, on peut citer : DINITRA, SEDRA,...
>
>RADO dit que rien de particulier ne provoque son inspiration, pas besoin ni de
>claire de lune ni d' autre. Elle vient à lui comme un voleur d'après ses
>dires.
>
>Sa couleur préférée est le marron. Il ne boit pas mais fume.
>
>C'est un grand MPIKABARY, car c'est un amoureux de notre langue.
>
>Son message pour les jeunes : "ETRE FIER D'ETRE MALGACHE ET PRESERVER A
>TOUT PRIX NOTRE BELLE LANGUE ET NOTRE CULTURE UNIQUE"
.
>
>Je l'ai rencontré en 2003, l'année de ses 80ans. Il m'a beaucoup ému. C'est
>un homme extraodinaire et très gentil. En ce moment mes pensées vont vers
>lui pour qu'il se rétablisse vite et puisse encore nous émouvoir.
>RADO est un écrivain du coeur par le coeur et pour l'âme car personne ne
>peut lire ses poèmes sans avoir les larmes aux yeux.
>
>Merci pour votre attention.
>
>
>NE BRISEZ PAS LA CHAINE CA C'EST UN TOUT PETIT GESTE JUSTE POUR LUI.
>DU FOND DU COEUR.  
MERCI DE L'ENVOYER A VOS CONTACTS,  ET ENCORE PLUS SI
>VOUS M'AVEZ LUE.
>
>C'EST UN PETIT GESTE QUI FERA PEUT ETRE QUE VOUS LE FERA CONNAITRE UN PEU,  ET
>QU'IL FERA MAINTENANT PARTIE DE VOTRE CULTURE.
>
>IL EST ACTUELLEMENT TRES MALADE,  CETTE CHAINE EST UN PETIT GESTE DE MA PART,
>ET MAINTENANT A VOUS POUR LE SOUTENIR.  ENVOYEZ-LA A VOS CONTACTS CELA
>NE VOUS COUTERA RIEN. MERCI.
>
_________________________________________________________________
 

 





Norotiana ANDRIAMANOHY

RESPONSABLE MARKETING ET ANIMATION RESEAU POINT CHAUD
MOUFREY
Route Digue
101 - Antananarivo
MADAGASCAR

Tél. : +261 20 22 007 96
Portable : +261 33 11 736 36
Fax: +261 20 22 079 65
Mail. : noro_tiana@yahoo.fr

Fehezam-boninkazo ho an'ny Andriambavilanitra rehetra.

Nampidirin'i ikalamako | 9 Mar, 2007

Niova tokoa ny toetr'andro - ary mampanahy tokoa - fa raha izao no fotoanan'ny mimosa, dia efa tamin'ny tapaky ny volana janoary izy io taty aminay dia efa namony, ary efa an-dalam-pahamainana izy amin'izao.

Ka mba ho solon'ny mimosa atolotra ny Andriambavilanitra mifanerasera eto amin'ity toerana ity anio 8 martsa, dia indro fehezam-boninkazo tsara tarehy narindran'i Clarisse Ratsifandriamanana.

ATI-TSITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY

 
 
 

Ny vehivavy ve ? – Moa tsy bikabika

Sady sarisarin’ny tany onenantsika ?

 

FA NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA

No tanin’i Afrika tsy mbola notrandrahana,

Misaly zava-miafina, mpikaro-pahafahana.

 

NY TELOPOLO TAONA

No Inda – rentirenty manintona ho hanitra

Mirado rojovola, miravaka andriamanitra.

 

NY EFAPOLO TAONA

No Eoropa mihetsiketsika anaty fandrosoana

Sy ny helatrelatry ny fiaina-manoloana.

 

NY DIMAMPOLO TAONA

Dia hipoka sy zina – tahaka an’i Amerika –

Tahiry saro-bidy ara-teknika.

 

NY ENIMPOLO TAONA

No velatr’i Rosia takarina hidirana,

Mpanavotra sahirana, kanefa manahirana.

 

NY FITOPOLO TAONA

No Nosy  mipariaka nomena fanambinana

Anti-mitanisa amboaram-bolan-tsinana.

 

NY VAOLOPOLO TAONA

No Tendrontany roa tsy takatra polorina,

Vaingan-dranomandry sarotra antomorina.

 
 
 

Clarisse Ratsifandriamanana

( notsongaina tao amin’ny  amboaran-tonokalo Taratra)

Dia ho tohy vakana ve ?

Nampidirin'i ikalamako | 23 Feb, 2007

Dia mbola mitohy ny vaovao ratsiko androany. Adiny roa lasa izay aho no nahita io fahalasanan'i Dadan'i Joro io, dia nandefa hafatra tamin'ny zokiko vavy any Dago, sao sanatria mbola tsy tratr'antso rizareo. Kanefa dia novaliany tamin'ny hafatra iray indray aho fa eny an-dàlana ho any Toamasina izy handevina ny nenitoanay, zanak'olo-mirahavavy amin'ny mamanay sady nenitoa tianay be izy io. Dia nijojo indray aloha ny ranomaso.

Dia tsy hitako izay lazaina. Mbola tsy tapitra akory ity ny volana febroary 2007 !!!

Fandalovana tokoa ny eto.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Feb, 2007

Kepoka  indray aho teo raha namaky gazety malagasy fa nodimandry indray i Dadan'i Joro ; rafozan'ny cousine-ko any Dago izy, saingy mifanerasera aminay koa satria efa indroa nivahiny teto aminay isaky ny mamonjy fivoriana aty.

Marina fa izany no andrasan'ny zanak'olombelona eto nefa ontsa ihany ny fo raha maharay vaovao ratsy toa izao. Indrindra fa nifanesy izy izay tato ho ato...

Handry am-piadanana anie izy !

«Mialoha   1 2 3 ... 16 17 18 19 20 21 22 23  Manaraka»