Ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana .

Nampidirin'i ikalamako | 10 Feb, 2007
Omaly 9 febroary no naterina sy nasitrika tao amin'ny fasan'ny fikambanan-drelijiozy Trinitera any Tsiroanomandidy i Zoky Paul, folaka an-datony rehefa niady mafy tamin'ny aretina tsy mamela mahazo. Nataoko hahatsiarovana azy ity rakitr'androko anio ity. Mbola feno ny foko androany, mahatsiaro ny fotoana rehetra niarahana na tany Madagasikara na taty ivelany fony izy nanohy ny fianarany, na dia vitsy aza ny fotoana niarahany taminay telo mianaka tato an-trano, noho izy nilofo nianatra ka tsy dia nivoaka firy raha tsy nosokirina tao an-tranony. Miverina ato an-tsaiko ny tononkalon'i Clarisse Ratsifandrihamanana manao hoe : "iza amintsika no manan-tombon-dahy, izaho mbola nofo sa ianao fanahy ? Ianao fanahy, toto-bonikazo natolotra ho saran'ny torimaso farany, sa izaho nofo mbola mitomany, anaty fitarainana, fa mafy ny fiainana ?"

Nataoko hitadidiana.

Nampidirin'i ikalamako | 30 Jan, 2007
Nisy fehezanteny - fombam-pitenenana - tsara dia tsara napetrak'i Mirana ao amin'ny blog-ny omaly. Tsy nadikako ilay izy fa marihiko eto fotsiny ny andro nanoratany azy hijereko azy rehefa ilaiko. =======] BLOG MIRANA : 29/01/07 Misaotra Mirana a.

Fahatsiarovana ny fahiny.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jan, 2007
Nisy sariko izay indray andro hitako tsy nahy tao amina site iray, sary tamin'ny SN. (tohiny)

Mbola tsy nanokona.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Jan, 2007

Hatramizao mbola tsy misy raha atokona. Mbola vao mitango anana sy mandidy hena ary mamaofy tongolo.

 

 (tohiny)

Ndry !!!!

Nampidirin'i ikalamako | 8 Jan, 2007
Toa aviavy be daholo ireto olona ato amin'ny tanàna izany ka mahakoditra. Tena izao angaha ny mouvement ato ? Aleo izahay handeha miadana fa aza kotabaina e ! Ilay izy ato efa manahirana, toa tsisy hiasana ireto izy. Calme an.
«Mialoha   1 2 3 ... 23 24 25 26 27 28 29  Manaraka»