Valin-kafatra : Proudly Malagasy.

Nampidirin'i ikalamako | 26 Mey, 2009

Fony tany Madagasikara aho dia sahirana mafy nisintontsitona io voloko io tamin'ny braoshinina fa ngita e !  Ny tarehy no ratsy hoy ny Ntaolo ka ny volo no sintotsintonina - tsssss

Tonga taty an-dafy aho dia "Negra" no fiantsoan-drizareo ahy (tsy izy rehetra akory an, matahotra Andriamanitra fa misy kosa ny tena feno fanajana ny zon'olombelona e Tongue out). 

...Kanefa ange dia môla be izy ireo mahita ny fiolikoliky ny volonao e,

...Kanefa ange dia tsy andrin'izy ireo ny hahatongavan'ny masoandro migaingaina hanendasana tena eny amoron-dranomasina e - misy aza moa mandritra ny ririnina manao ity hoe solarium ity mba ho negra toa ahy - dia asa maninona fa toa izaho foana no diso fa negra.

 

Dia tsy maninona fa proudly malagasy negra ngita volo izao sipa izao : MALAGASY AHO

 


 

Ho an'ny zanak'i Bira sy ny manodidina : hetsika "Bezoro e !"

Nampidirin'i ikalamako | 22 Mey, 2009

Bezoro daholo,

Ho anareo ao Antananarivo sy Antsirabe ary ny manodidina.
Ho fitokanana ny atelier d'art "Bezoro e!" izay natsangana ao Antsirabe : fiaraha-mikorana ny tontolo andron' ny alatsinain'ny Pentekosta miaraka amin'ny tarika Vahömbey hotrononin'ny artista maromaro. Indro ny fanazavana sy ny fandaharam-potoana momba izany.

Ny toerana :
fivoahana amin'ny lalàna miankandrefana mankany Betafo, tokony ho 100m mialoha ny Orinasa STAR

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso na manoratra amin'i :

Vahömbey
00261-3202-45459
bezoro.tao@gmail.com

TONGAVA MARO, KARIBO E !....

 

Die Liebe, der Mensch, die Revolution

Nampidirin'i ikalamako | 15 Mey, 2009

Die Liebe, der Mensch, die Revolution

L'Amour, l'Homme, la Révolution

Fitiavana, Olombelona, Fanafahana




Die Liebe, der Mensch, die Revolution - Frank Baier

 

Hiran'i Frank Baier, niarahany nihira tamin'i Tselonina tao amin'ny Cinéma Kanto (Antananarivo) tamin'ny 14 sy 15 janoary 1983. 

Tononkira amin'ny teny alemana : H.E Käufer

Tononkira amin'ny teny frantsay : Amin Kerker

Tononkira amin'ny teny gasy : Tsilavina Ralaindimby

Mihira : Frank Baier sy Tselonina

 

Paka 2009 : mirary soa ny namana rehetra.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Apr, 2009

Iza no nahatsiaro ity ?

Nampidirin'i ikalamako | 7 Apr, 2009

Eeeh, zany ny hira tamin'ny andronay - CoolCoolCool - efa nohavaozina izy eto fa tena mbola reveko...(ndao hitsiky aloha fa be loatra ny mampitsetra)

 

 


 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 ... 27 28 29  Manaraka»