Veloma Miriam, mandria am-piadanana Mama Africa (nampiana)

Nampidirin'i ikalamako | 13 Nov, 2008

 


 

Dia teto "Afrika" tokoa no nandaozany ny tany.

Tsy ilay Afrika, ilay kaontinanta mainty, ilay firenena nipoirany, ilay Afrikany ; fa ilay Afrika eoropeana araka ny vazivazinay mazàna.

Niady hatramin'ny farany izy ary lavo teo an-tany fiadiana raha avy naneho tamin'ny mozikany ny hiakam-pitolomana nitondrany ny fiainany nandritra ny taona maro : TSIA, tsy ekena ny herisetra, tsy ekena ny fanavakavaham-bolonkoditra

Lavo teo ambony sehatra tany atsimon'i Italia, tao Castel Volturno ao Caserta, nandritra ny rindran-kira nokarakaraina hanohanana an'i Roberto Saviano, mpanao gazety italiana sy mpanoratra, ary nanoratra ilay Boky mitondra ny lohateny hoe "Gomorra" izay efa vita horonantsary ankehitriny, ka nahatonga azy ho lasibatry ny "camorra" izay manjaka tsy refesi-mandidy tokoa ao amin'io toerana io. Castel Volturno izay sehatry ny herisetran'ny camorra ka namoizan'ny teratany afrikana 6 ny ainy roa volana lasa izay.

Hitodi-doha anio ho any Afrika atsimo, tanindrazany, ny nofo mangatsiakany.

 

Mama Africa, miondrika eo anoloanao am-panajana ny tontolo.

Mama Africa, mandria am-piadanana.

Veloma.

 

 


(sary : Riccardo Siano, Gazzetta del Sudafrica)

 

Le téléphone pleure - sniff sniff

Nampidirin'i ikalamako | 4 Okt, 2008
 
 
 

Ahodiko eto ihany ny blaogy :-)

Nampidirin'i ikalamako | 3 Okt, 2008

...ny eto entiko ary, ny ary entiko aty fa mifameno tsinona...

Ity "Fiadanana hafahafa" nosoratan'i Rado ity dia mba mbola tsy haiko raha tsy vao androany, ka aleo aterina ato indray sao mba misy te-hampiseho vangy kely amin'ny fitsikiana. Izay Rado izay, mahay mampihomehy, mahay mamendrofendro, mahay mampisaina :

 

Fiadanana hafahafa

Any efitrano iray, mitokantokana irery
Efitrano teritery toa tsy maha-te hijery
Efitrano iray mangina, efitrano mahonena
Nefa kosa efitrano tena fandinihan-tena

Misamonomonona ao, hirahira hafa kely
Ataon'ny voronkely maro, nefa kosa tsy tantely
O! Ny fanaka tsy misy, toko roa no ijoroana
Tena efitrano tsotra, eo an-dàlam-pandrosoana

Irony hanitry ny làsana? Ao no tena hiely fatratra
Ny taolam-balon'ny fahiny, indreny hita hiampatrampatra
Nefa, misikina hery, dia hidio ny varavarana
Sao dia hisy any ho any, olona manarangarana

Eny an-tànanao tsinjovy,fa gazety no vimbinina
Aforiporitra hafahafa, toa fiazina, fihinina
Mba hamantaranao kokoa, ny fiantombohan'ny tantara
sy ny zavatra hatao, hatreo dia raiso ny sigara

Tsy maintsy miditra ao ianao, indray mandeha raha kely indrindra
Amin'ny andro anankiray, amin'izay ianao mamindra
Toy ny olo-maimaika te hahita fiadanana
Fa ny toerana eo ivelany eo, tsy ho azonao ho namana

Satria handini-tena ianao, dia herezo re ny saina
Izay mangejangeja anao, ô esory sombinaina
Mivonona mba hiady; Ary aza mba mitsoaka,
na ho basy no hitefoka, na tafondro no hipoaka

Miovaova ny eto an-tany, misy andro maha-mirana
Fa ity indray mandeha ity, feno zava-manahirana
Ary rehefa injay manery, ilay fotoana be ankaso
Ireo tsy mahatanty "saoka" dia mandrotsa-dranomaso

Mm Injay misento tokana ianao, miheritreritra ny lasana
Raha mijery ity efitrano toa mi-tokontanim-pasana
Dia tsarovana avokoa izay rehetra niaremana
Ny goavy sy sakay, eo vao samy hanenenana

Vita izay, ô tsaroana afaka entana ka faly
Injay fa maivana ny tena, afaka ota, afa-jaly
Ilay gazety, indro ariana, vita mantsy ny adidiny
Ny fehikibo indro alaina, mba haverina amin'ny hidiny

Dimy minitra monja izay, nefa dimy minitra lafo
Azoazo moramora tao ambanin'ity tafo
Raha toa tsy fantatrao izay voalazako androany
Rahampitso vao maraina dia ho fantatrao izany

RADO

Nomen'Andriamanitra ny fara i news2dago !

Nampidirin'i ikalamako | 27 Sep, 2008

Tena tsy afaka mametraka hevitra ao amin'ny pejinao aho rainy Frown ka aleo mba hanaovako lahatsoratra vaovao mihitsy hiarahabana an' i Fanilo kely : TONGA SOA E !!!

Maroroa taiza ry izy mivady,  ary mahazoa aina haingana ny nenin'i Fanilo fa efa tsy andrin'i dadany izay hodian'ny sipabeny anankiroa. 

Mitombo iray indray ny  mpantsaka rano izany ry news an ! Mirary soa e !

 

 

 

 

16 taona lasa izay.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Sep, 2008

Tononkalo novakiana 16 taona katroka lasa izay, teny am-pandevenana an-dRamaroson Wilson, mpamoron-kira, sakaizan'i Rado.

 

NY RANTSANY

 

Mahaontsa ery ilay efitra nidirako

feno fitolokon'ny sento lavareny

f'ilay mpanisy feo ny andalan-tononkirako

no indro fa mangina, mikimpy tsy miteny

 

'Reo rantsany mpitendry, mpikitika ny lyrany

indreo, toa savolaina ka dia miala sasatra

any an-tsaina sisa ireo ngadongadon-kirany

nentiny nandoko ny kanto sy ny fatratra

 

Veloma ianao, Ramaro, mandria am-piadanana !

Be ny vitanao niarahana nitazana

Ary dia misaotra nametraka ho fananana

ireo hira sarobidy ho an'ny tanindrazana

 

Tsy maty akory ianao raha mbola misy ihany

olo-mahatsiaro ny asanao  rehetra.

Ny nofonao no lo , hihintsana ho tany

fa ny hiranao tsy maintsy ho tafatoetra.

 

RADO - 6 septambra 1992

 

...atolotra ho azy nanoratra ihany koa ankehitriny.

 

 

 

1 2 3 ... 21 22 23  Manaraka»