Miangavy an-tànan-droa re !
Nampidirin'i ikalamako | 24 Mar, 2008“Aza ampijaliana ny tenintsika” hoy i DadaRabe indray andro tany amin’ny hevitra nandehandeha tany. Izaho koa angamba isan’ny nametraka sangisangy zary tenany indray andro hoe fa maninona no tsisy mari-piatoana ilay lahatsoratra. Vao haingana koa aho nahita hevitra toy ny hoe : "fanalana sy fitaizana no eto",dia nanoratra ilay ranamana hoe : rehefa fa tsy refa, fotoana fa tsy fotôna, hoe fa tsy oe, sns, tsy tsaroako daholo.
Nisy namana iray teto moa niresahako indray andro momba ny antony tokony mahatonga izany rehetra izany dia voatanisany tao ny hoe :
- mety fohy ny fotoana ananan’ireo namana any Madagasikara : ny tosaka ambany be nefa ny vola aloa betsaka ihany.
- mbola votsa mitady ny faingo sy ny teboka ny ankamaroany.
- ny zava-dehibe izy mianatra mampiasa solosaina aloha fa izany resaka fanoratra izany manaraka ihany.
Ekeko daholo izany rehetra izany, nefa mino aho fa ny fampandrosoana ny tanintsika dia ny fanajantsika indrindra indrindra ny antsika : atomboka amin’ny fiteny sy ny teny malagasy izany. Andrianiko ny teniko, fandre matetika io fiteny, izany hoe ataoko toa ny andriana ny teniko.
Tanjona kinendrin’ny "Tetikasa Telomiova" ohatra ny fampiroboroboana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny aterineto, fa ahoana moa no hiroboroboany raha ny teny malagasy aza toa very hasina fa na simba aza dia tsy olana, fa ny zava-dehibe ny aterineto. TSY AZO ATAO MIARAKA VA RE NY MIANATRA ATERINETO SY MAMEHY NY TENY MALAGASY ?
Marina fa misy ny frantsay tsy mahay manoratra ny teniny, na ny anglisy tsy mahafehy ny fanoratra ny teny anglisy. Moa dia tsy maintsy manao toa azy ireo isika fa tsy hanao ezaka hanaja sy hilofo hamehy ny tenintsika ?
Sady ny teny malagasy dia isan’ireo mora soratana satria izay andrenesanao azy no hanoratanao azy fa tsy mila irony satroka sy tsindrim-peo isan-karazany irony loatra. Moa tsy vetivety sy moramora kokoa manoratra fotoana noho ny fotôna ? Dia sarotra ve ny mamerina izay hita voasoratra amin’ny lahatsoratry ny namana hafa ka ohatra ny hoe dia soratana miaraka amin’ny haintso fa tsy toa ny andrenesana azy fotsiny hoe oe, ny mampme tsy toa izao no fanoratra azy fa mampiomehy. Dia tena mila fotoana lavabe ve ny manoratra ireny na ambany aza ny tosaka ?
Rehefa miteny isika dia mino aho fa sady mieritreritra fa ny teny malagasy tsy manana ô fa oa, fa ny teny malagasy mampiasa y amin’ny faran’ny teny, fa ny teny malagasy tsy manana ny litera u, fa ny teny malagasy dia mampiasa haintso marobe amin’ny lohan’ny teny fa tsy re izy ireny rehefa tononina : hafa, hoe, hafatra,... ka mino aho fa tsy dia handany fotoana loatra raha mba samy mizatra manoratra sy mieritreritra amin’ny teny malagasy madio. Raha mila manenjika fotoana moa amin’ny fampidirana lahatsoratra, tsy azo atao ve manokana andro hafa manaraka mba hamerenana mamaky azy ireny sy hanitsiana izay diso ?
Tsy mamely akaiky andranona na ranona ity lahatsoratro ity fa mba fiangaviana an-tànan-droa fotsiny rey olona, averiko indramina ilay tenin’i DadaRabe hoe “aza ampijaliana re ny tenintsika !” fa lova sy harentsika io. Ny an’ny hafa aza ve asaina hianarantsika dia ny antsika indray no tsinontsinoavina ?
Matoa aho manoratra ity dia noho ny fahatsapana fa mihamaro ireo lahatsoratra ahitana taratra ireo, ary dia marina ilay hevitra napetraky ny namana tany ho any hoe “Fanalana sady Fitaizana” no eto.
Miala tsiny raha lava dia lava ny lahatsoratra fa be loatra ny aingam-panahy ka tsy aritra intsony ny tsy hamoaka azy. Raha diso ny teniko avereno amiko fa aza izaho no ariana ; ataovy toa ny voankazo an’ala ka ny mamy raiso fa ny mangidy kosa ario. Misaotra betsaka.
Taiza ry ikalamako no nandeha nanao excursion t@ Lundi de Pâques ?
Nampidirin'i lehilahytsyresy 24 Mar 2008, 22:36:-)
misaotra e!
ny ahy manokana aloa dia ny fahamaikana no handisoko ny tsipelina eo ihany koa anefa ny tsy fifehezana tanteraka ny fanoratana ny teny malagasy tsy azoko lavina izay fa miezaka e! io angamba no ataoko oe zava-dehibe indrindra!
ny manao vary amin'anana @ teny vahiny no tena tsy reviko indrindra ny mihaino azy izany oe ilay miresaka izany no tena mba tokony hahasarotiny antsika ihany koa fa tsy hijanona fotsiny @ soratra sy tsipelina fa samy mampijaly ny teny malagasy avokoa ireo! io moa dia tena mpahazo ireo mpianatra eny @ sekoly frantsay toy ny lycée sy ny zanaka mpanambola mpivezivezy any andafy!
Nampidirin'i news2dago 25 Mar 2008, 01:12marina izany ry news2dago : efa vita teo ampitadiavana torimaso aho vao tadidiko io, soa fa voateninao ato. Misaotra e !
Nampidirin'i ikalamako 25 Mar 2008, 04:15lehilahytsyresy : izao vao handeha, ratsy ny be ny andro fa soa misy bal ho anay mboti-baly itony (zahay tia bal)...
marina dia marina ry ikalamako!
Nampidirin'i maintikely 25 Mar 2008, 11:14saingy tsy afeniko fa raha izaho manokana miezaka ihany satria tena tsy mahafehy 100%ny tenintsika! mahamenatra!
ny miteny sy manoratra vita ihany fa ny voambolana malagasy tena maro no tsy fantatro :(
oudryyy ary toa 25mars sahady ny oran'ikalamako? maika ho tonga avril angà?hihihihi
Nampidirin'i maintikely 25 Mar 2008, 11:19Isan'ny "sarotiny" amin'ny teny Malagasy angamba aho. Ny mahagaga ahy nefa dia tsy dia sarotiny aho amin'ny sehatra tahaka izao (blog/forum ... internet). Raha tsorina dia ny tsy fahaizana ny teny Malagasy no mahasarotiny ahy kokoa noho ny tsy fampiasana azy eto amin'ny aterineto (Izay ilay resaka CV nataoko indray andro, ny CV mantsy mampiseho ny fahaizana lol ). Heveriko mantsy fa ireo mahay miteny sy manoratra ny teny Malagasy dia manao izany araka ny tokony ho izy amin'ny sehatra hafa.
Amiko manokana dia toerana fifandraisana ny aterineto fa tsy biraom-panjakana. Izaho tsy miteny hoe any amin'ny biraom-panjakana ihany no tokony ampiasaina ny teny Malagasy araka ny fitsipiny, fa samy hafa ny lentan'ny teny Malagasy ampiasaiko arakaraka ny toerana misy ahy sy ny olona hifandraisako. Tsy amin'ny resaka am-bava sy ny voambolana ampiasaina ihany no hisehoan'izay fahasamihafana izay fa amin'ny soratra koa. (Rehefa manoratra ao amin'ny Pissoa - the Malagasy aho ohatra dia mandiso indraindray, fa rehefa miezaka mandika teny ho an'ny Katolika na ny GVO dia mijery raki-bolana mihitsy aloha hoe ahoana moa no tena fanoratra ny teny iray).
Ankoatra izay dia tsy mora kosa ny manoratra ny teny Malagasy e ! Asa aloha fa maromaro ihany no tsy mitovy amin'izay re no soratana ! Ny "ia" sy ny "ai" ohatra izao rehefa miteny isika dia "e" no ahenoana azy matetika ! Andriamanjato ... lasa hoe Ndrema mihitsy no ilazan'ny sasany azy hi hi hi. Tahaka izany koa ny "Lisany" dia "Ialahy isany" no marina (raha tsy diso aho). Izany hoe mifanalavitra be ilay izy.
Noho izany, ianaro ny teny Malagasy - ianaro ny fitsipi-pitenenana sy fanoratana, dia anjaranao avy eo no mitsara hoe ahoana no hiresahako amin'i Rakoto na Rasoa. Anjaranao ny mandinika hoe sao efa mankarary maso ny mamaky ny zavatra soratako. Rehefa be loatra mantsy ny zavatra dia mankaleo indray, na lasa ratsy izany e. Na ny fanaivana ny lentan'ny teny ampiasaina izany na ny mari-piatoana !
Misaotra ireo efa mianatra dia mankasitraka an'Ikalamako ;)
Nampidirin'i pissoa 25 Mar 2008, 12:33Touches pas a ma Malagasy!!!!
:)
Nampidirin'i simp 25 Mar 2008, 15:21marina zany e!
Nampidirin'i simp 25 Mar 2008, 15:24zany hoe aza tezitra ndiko fa aleo hilamina dia misesy ;-)
news2dago> na maika be aza ingahy mba asio faingo sy teboka ny lahatsoratra, ary rehefa aorian'ny teboka na tsoraka na baraingo sasany dia atomboka amin'ny renitsoratra. Tsara miverina mianatra manoratra fehezanteny tsotra ingahy: sizé + verba + kôplémà + teboka.
ikalamako> toa mampihomehy no izy fa tsy mampiomehy, satria hehy no fototeny, nasiana tsofoka om dia lasa homehy, ary notovonana mampi- avy eo.
Nampidirin'i DotMG 26 Mar 2008, 00:51meeci Dotmg : hehy no fototeny - hihihi - saika tsy hihomehy aho fa tratra indray (izay ilay fitaizana sy fanalana !!!)
Nampidirin'i ikalamako 26 Mar 2008, 02:16DotMG => lol! Entimilaza sy Lazaina no izy fa tsy antsika izany sizé sy verba izany e!
Nampidirin'i news2dago 26 Mar 2008, 02:33Misaotra an'ikalamako fa itony no tena tsara voizina mihitsy. Tsoriko fa mpanohana ity hevitra ity aho ary isan'ny mpandala ny maha-malagasy sy ny teny/fiteny malagasy na dia tratry ny vela-pandriky ny fanentanana sy fisintonana hanao diso noho ny angotin'ny hafa ... toy ilay hoe : njy kosa mampmé, msôtr iany ! --- : tsy sitrako fa nataoko satria te-ho iray fo aho. Tapa-kevitra aho fa tsy hanao intsony e ! Tsaroako anefa, fa fony vao nitoratoraka teto aho dia mamerina manoratra hoe : "Azafady fa diso tsipelina... miala tsiny fa anona mantsy fa tsy anona e ... sns sns."
Voalazan'i News2dago ery ambony fa noho ny hamehana no antony hanoratana ireny fanapahan-teny sy fanafohezana azy tsy ara-dalàna ireny. Ao koa ny tena tsy fifehezana ilay fiteny noho ny antony maro (fibeazana : sekoly, fianakaviana, manodidina) Isan'ny nolazaiko tany amin'ny "mémoire de maîtrise"-ko ireo.
Ny fankahalàna ny VARY BE AKOTRY moa dia manginy fotsiny (aza atao hoe vary amin'anana intsony fa ny vary amin'anana anie ka tsara e !)
maintikely > tsara ny fiezahana fa raha toa sakanan'ny voambolana dia azo atao ny mametraka anaty farango sosona ilay teny amin'ny fiteny vahiny fantatrao rehefa avy nikaroka ilay izy amin'ny fiteny malagasy ka tsy nahita.
Pissoa > tsara ny hevitra sy fanazavana fa ny fahazarana dia amin'izay atao rehetra. Ezaka mitohy io.
Ny resaka mari-piatoana dia mampisy endriny sy lanto ary mampazava avy hatrany ny hevitra soratana. Nisy namana vahiny nanamarika tany amin'ny "chat" hoe izaho hono mandany andro amin'ireny mari-piatoana fa hita kosa ny fitsatoky ny fomba fanoratra itarafana ny hevitra sy ny mety ho tena fomba fiteny raha ifanatrehana. Izaho efa zatra.
Fa izay re no izy e ! Andro iraisam-pirenena momba ny teny ity taona 2008 ity ka ho antsika malagasy dia io tenintsika io, io tenindrazantsika io no tokony andrianintsika sy kolokoloina ary arovana mba tsy simban'ny sedran'ny fanatontoloana sy ny fandrosoana. Efa mihetsiketsika mafy ihany ny Akademia sy ny Fikambanana mikajy ny teny malagasy fa iombonana io e !
Dia tsy hanaiky intsony aho hanoratsora-poana na dia te- "hampmé az njy" r'ikalamako.
Nampidirin'i tsiks 26 Mar 2008, 07:12Azafady fa TAONA IRAISAM-PIRENENA momba ny TENY ny 2008. Ny 21 FEBROARY no ANDRO ho an'ny TENIN-DRENY.
Nampidirin'i Tsikisariaka 26 Mar 2008, 07:16Tsisisariaka : tsy fahazarana no noresahiko fa tena safidy mihitsy ka :)
Nampidirin'i pissoa 26 Mar 2008, 09:03Ikalamako > hay de lasa lahatsoratra ilay resatsika. hihihi. Izaho manko 'zareo no nilaza ilay hoe :
- "mety fohy ny fotoana ... ny vola aloa betsaka ihany".
- "mbola votsa mitady ny faingo...".
Na izany aza anefa dia mankasitraka an'ilay fanentana aho. Ny olana fotsiny anefa dia izao :
Tsy azontsika hodìn-tsy hita ireo izay tena tsy mahay ny teny malagasy (mety hoe tsy nanao taranja malagasy tany am-pianarana, mety ho tsy nandia fianarana akory, mety ho voataiza taty an-dafy koa, sns). Tsy haka ohatra lavitra aho fa haintsika ny momba ireo zanaka malagasy teraka aty Frantsa. Ny olona toy ireo dia tsy hahay velively izay nianarantsika tany am-pianarana nandritra ny amam-polo taona maro (T1 hatramin'ny taona famaranana). Koa izaho manokana dia faly rehefa mahita an'ireny olona ireny miezaka manoratra amin'ny teny malagasy, eny fa na dia diso tsipelina aza, na dia mifangaro teny vazaha, na dia "phonétique" koa.
Hoy Emanoela Kanto hoe : Ny finiavana sy ny fiezahana no zava-dehibe indrindra.
Pissoa > Mitovy hevitra aminao koa aho amin'ilay fomba fanoratra eto amin'ny aterineto.
Farany, misy koa ny malagasy tsy tia miteny gasy mihitsy. Iny indray dia safidiny ka tsy anomezako tsiny n'iza n'iza. Tsy mitovy mantsy ny fitiavan-tanindrazana ao anatin'ny tsirairay. Ary mety tsy ho Mkara intsony koa aza ny heveriny ho Tanindrazany ka dia azy ny azy iny :-).
Nampidirin'i Tokinao 27 Mar 2008, 13:16(hotrany hoe bedy be zany ...snif)
soa ihany fa misy anareo rehetra mba mamitatra ny teny gasy na any am-pita na amin'ny olona hotranay (jogany). Betsaka makony ny ankizy mba menatra na miteny na manoratra (ok za aloha efa malaza be fa matata vava be...) Ary efa hitanareo fa ilaina mafy dia mafy ilay izy.
Tokinao>angambany mila dinihana akaiky mihitsiny ny mahatongan'izareo tsy tia miteny gasy na mampianatra ny ankizy. Aty Canada dia fananina terihizina ny tenin-dreny (merci Tsikisariaka) any @ primaire miampy ny frantsay sy ny anglisy.
Vita tompoko.
ikalamako>firy ny fautes-ko?
bisouxxx yallll
Nampidirin'i jogany 27 Mar 2008, 20:31Ny teny dray maîtrisé tsara ka sa ahona ry Skype pipelettes? iza ihany ilay bandy nitondra golf mena iny ?? loooool
Nampidirin'i jogany 28 Mar 2008, 10:19ikalamako>hitanao fa ilaina mafy dia mafy ilay Skype...lol
oh yes le skype. Klou hianarana ny fampidirana azy fa tsa hain'ny badraodra amin'itony fitaovana maoderina tony re skype zao...
Nampidirin'i ikalamako 29 Mar 2008, 07:04Sefo a, akory ataontsika ty ! skype zao hoe ilaina... :-D
Izaho izany ilay mpanao vary amin'anàna fa tsy vary amin'akotry satria ny ahy matsiro ny hitenenako azy.
Toy ny teny rehetra dia misy sarangany ilay izy, hoy aho hoe raha ao anatin'ny lahatsoratra avoaka dia tokony ho malagasy mazava, na dia tenin-jatovo aza no hanoratana azy. Fa any amin'ny commentaire kosa dia tsy maninona ny manao "njy kosa e" mampme kounkou" ohatr'ireny satria izao nanao taloha dia nisy nanitsy dia tsy tadidiko na mbola nanao na tsy nanao an'io intsony. Azo atao koa anefa ny manao "dictionnaire" amin'ireo teny vaovao fampiasa haingana toy ny nataon'ny teny frantsay "dictionanire des langues SMS" dia atoro ny ankizy ny fanoratana azy
Fa hazavaiko ny hevitro amin'ilay vary amin'anàna. izaho dia nianatra tamin'ny sekolim-panjakana ary hatramin'ny T1 ka h@ terminal dia fantatr'ireo izay nipetraka tany Dago tsara fa nisavorovoro ny politikan'ny teny ka tsy hita na teny gasy na teny frantsay no hampianarana. Koa tiako hasongadina indrindra ao anatin'ny lahatsoratra izay avoakako fa zanak'io fotoana io aho. Kanefa koa aho anefa dia tena vonona ny hianatra bebe kokoa satria ny an'ny hafa aza hianarana ka ny an'ny tena indray ve!
Fa na izany aza dia manakasitraka an'i jogany manokana izay tena niezaka be mihitsy nanoratra, namaky, nandika ny teny malagasy
Nampidirin'i ikalakely 29 Mar 2008, 12:21