Miangavy an-tànan-droa re !
Nampidirin'i ikalamako | 24 Mar, 2008“Aza ampijaliana ny tenintsika” hoy i DadaRabe indray andro tany amin’ny hevitra nandehandeha tany. Izaho koa angamba isan’ny nametraka sangisangy zary tenany indray andro hoe fa maninona no tsisy mari-piatoana ilay lahatsoratra. Vao haingana koa aho nahita hevitra toy ny hoe : "fanalana sy fitaizana no eto",dia nanoratra ilay ranamana hoe : rehefa fa tsy refa, fotoana fa tsy fotôna, hoe fa tsy oe, sns, tsy tsaroako daholo.
Nisy namana iray teto moa niresahako indray andro momba ny antony tokony mahatonga izany rehetra izany dia voatanisany tao ny hoe :
- mety fohy ny fotoana ananan’ireo namana any Madagasikara : ny tosaka ambany be nefa ny vola aloa betsaka ihany.
- mbola votsa mitady ny faingo sy ny teboka ny ankamaroany.
- ny zava-dehibe izy mianatra mampiasa solosaina aloha fa izany resaka fanoratra izany manaraka ihany.
Ekeko daholo izany rehetra izany, nefa mino aho fa ny fampandrosoana ny tanintsika dia ny fanajantsika indrindra indrindra ny antsika : atomboka amin’ny fiteny sy ny teny malagasy izany. Andrianiko ny teniko, fandre matetika io fiteny, izany hoe ataoko toa ny andriana ny teniko.
Tanjona kinendrin’ny "Tetikasa Telomiova" ohatra ny fampiroboroboana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny aterineto, fa ahoana moa no hiroboroboany raha ny teny malagasy aza toa very hasina fa na simba aza dia tsy olana, fa ny zava-dehibe ny aterineto. TSY AZO ATAO MIARAKA VA RE NY MIANATRA ATERINETO SY MAMEHY NY TENY MALAGASY ?
Marina fa misy ny frantsay tsy mahay manoratra ny teniny, na ny anglisy tsy mahafehy ny fanoratra ny teny anglisy. Moa dia tsy maintsy manao toa azy ireo isika fa tsy hanao ezaka hanaja sy hilofo hamehy ny tenintsika ?
Sady ny teny malagasy dia isan’ireo mora soratana satria izay andrenesanao azy no hanoratanao azy fa tsy mila irony satroka sy tsindrim-peo isan-karazany irony loatra. Moa tsy vetivety sy moramora kokoa manoratra fotoana noho ny fotôna ? Dia sarotra ve ny mamerina izay hita voasoratra amin’ny lahatsoratry ny namana hafa ka ohatra ny hoe dia soratana miaraka amin’ny haintso fa tsy toa ny andrenesana azy fotsiny hoe oe, ny mampme tsy toa izao no fanoratra azy fa mampiomehy. Dia tena mila fotoana lavabe ve ny manoratra ireny na ambany aza ny tosaka ?
Rehefa miteny isika dia mino aho fa sady mieritreritra fa ny teny malagasy tsy manana ô fa oa, fa ny teny malagasy mampiasa y amin’ny faran’ny teny, fa ny teny malagasy tsy manana ny litera u, fa ny teny malagasy dia mampiasa haintso marobe amin’ny lohan’ny teny fa tsy re izy ireny rehefa tononina : hafa, hoe, hafatra,... ka mino aho fa tsy dia handany fotoana loatra raha mba samy mizatra manoratra sy mieritreritra amin’ny teny malagasy madio. Raha mila manenjika fotoana moa amin’ny fampidirana lahatsoratra, tsy azo atao ve manokana andro hafa manaraka mba hamerenana mamaky azy ireny sy hanitsiana izay diso ?
Tsy mamely akaiky andranona na ranona ity lahatsoratro ity fa mba fiangaviana an-tànan-droa fotsiny rey olona, averiko indramina ilay tenin’i DadaRabe hoe “aza ampijaliana re ny tenintsika !” fa lova sy harentsika io. Ny an’ny hafa aza ve asaina hianarantsika dia ny antsika indray no tsinontsinoavina ?
Matoa aho manoratra ity dia noho ny fahatsapana fa mihamaro ireo lahatsoratra ahitana taratra ireo, ary dia marina ilay hevitra napetraky ny namana tany ho any hoe “Fanalana sady Fitaizana” no eto.
Miala tsiny raha lava dia lava ny lahatsoratra fa be loatra ny aingam-panahy ka tsy aritra intsony ny tsy hamoaka azy. Raha diso ny teniko avereno amiko fa aza izaho no ariana ; ataovy toa ny voankazo an’ala ka ny mamy raiso fa ny mangidy kosa ario. Misaotra betsaka.
Ikalamako a,
Hanampy trotraka koa ny languages sms fa angaha tsy io no hampidi-doza ny fanoratra teny malagasy atsy ho atsy e !
Ohatra hoe : " ôtra'n mbola ts tong lé ola nef za teo fôn nijoro2 teo. Sosotra b za de las nod, bdb naita lé iz !! " Ha ha ha !
Kdômbitah
Nampidirin'i Kdaombaramita 30 Mar 2008, 04:45aoka re ry kdaombaramita !!! Vizana be aho sady malahelo rehefa mamaky sms alefan'i zokinay avy any Dago. Mino aho fa ny zavatra tiany holazaina mbola tsy mihoatra ny isan'ny litera azo ampiasaina handefasana ilay hafatra, fa dia fahazaran-dratsy fotsiny. Sa mihena hono ny saran-dalana raha fohy ny litera ampiasaina ? :-P
Nampidirin'i ikalamako 30 Mar 2008, 16:13kdaombitah
Aza matahotra fa ho amin'ny teny gasy ko ny tetikasa Telomiova.
Nampidirin'i Tattum 30 Mar 2008, 18:09Tsy tadidinao anga tamin'ilay fandikan-teny nandraisanao anjara (fanolorana an'ilay tetikasa) hoe sady amin'ny teny gasy no teny vahiny?
fa be laotra ny zavatra tokony soratana anio ka dia amin'ny izay vita aingana no atao dia ny namana no asaina hanampy handikan-teny. sa ahoana?
eny akia tattum ah ! Ilay fampiarahana ny fianarana aterineto sy ny fikaliana ny teny gasy no tena notsindriako teto.
Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 04:30Isika vonona foana raha fiaraha-miasa fa aza matahotra. Vao santatra am-bavarano iny fandikana lahatsoratra iny, c'était un plaisir hoy ny vazaha.
"Ilay fampiarahana ny fianarana aterineto sy ny fikaliana ny teny gasy no tena notsindriako teto."
>> Mafinaritra sady ilaina ka! :)
Ary misaotra an'i fiaraha-miasa, mbola betsaka no miandry aloha e :). Ho any hoavintsika daholo izay atao, izay aloha ny tanjona e.
Ary ahoana raha atao ao @ e-campus ny Telomiova izay vokany vita @ roa volana io? Tonga dia lasa lesona. :)
Nampidirin'i Tattum 31 Mar 2008, 14:25Cool! Milay mantsy e!
Nampidirin'i Tattum 01 Apr 2008, 01:41Tsy hovaina ilay hoe Dadarabe na i Sipagasy no hamaran'azy satria tena mety fa sosokevitra ny anay hoe ny vokany sy ny fiafarany mety atao ao @ Telomiova.
Aleo aloha ao @ blog myspace-nao hatrami'ny jona io satria mbola maro no enjehana ao @ tranonkala ny Telomiova.
Fa raikitra izany ary e!