Lalao vaovao : enti-mody malagasy.

Nampidirin'i ikalamako | 29 Mar, 2008

Hevitra avy amin'i lap izy ity, tohanako fa tsara Wink .

Jereo ato ny fanazavana.

Raha ny hevitra mipetraka ao amin'io lahatsoratra nataon'i lap io dia ho lalao mbola ho lava izy ity. Tsy an-tery hono fa izay terem-panahy. 

Mbola tsy ny anjara enti-modiko ity fa fanokafam-bavony aloha. 

Mahavità be daholo  ! Misaotra lap ! Innocent

 

 

Ry tenin-drazako

 

 
Eny, mamiko ianao, ry tenin-drazako, ry teniko !

Tiako ianao, lalaiko loatra ary izao dia tsy afeniko,

Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko

Mampitovy lanja anao sy i Neny ilay niteraka ahiko.

Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny :

Nanononako an’i Dada, nanononako an’i Neny.

Dia i Dada sy i Neny : sampan-drano nitsinjovako

Ny loharano niandohako dia ireo razana tsarovako.

Dada ! Neny ! mamy izany. Aina nisehoan’ny felana,

Tany nisehoan’ny voa, lalana nanelanelana,

Vavolombelona hita maso maneho ny lasa izay takarina

Ho tsinapa sy azo raisina ary tena nisy marina...

Tiako i Dada, mamy i Neny ! Nefa inona, lazao

Ny ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao ?

Ry Tenin-drazako lalaiko ! Ry teny mamy tsy hariako,

Taminao no nahalalako ireto faka nitsiriako...

 

Ary raha zohina indray ny zanatohatra niakarako,

Teny an-dalan'ny fiainana isoritan'ny tantarako,

Dia lasitra namboarinao, notinefinao maharitra

Hifanentana amin'ny molotro, no nahaizako namaritra

Ny hasoan'ito taniko. Ka na lanitra baliaka,

Na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka,

Na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo

Eny anivon-takariva mampiherika mpandalo

Ka mampody aina indray ilay tanàna haolo ngazako...

Taminao dia taminao ! Taminao ry tenin-drazako. 

 

Ary nony vaky vony ilay fitia tanaty foko,

Ka niraraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko,

Moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro

Hanambara ilay fitia nampombain'ny fo natolotro ?

Teny tsotra mahalaza ny fitia sy ny alaheloko

Izay nirafitra ho tantaran'ny tsiambarambarateloko .

Eny, ho'aho, ry tenin-drazako, ry fiteny malagasiko,

Tsy nindrana aho fa ambiny aza ireto vita an-taratasiko !

 

Tapitra eo va re ny soa sy ny voa izay notiazako

Taminao, ry teny tiako, taminao, ry tenin-drazako ?

Moa ny herinao voafetra ho an'ny andro fahazazako

Ka raha misondrotra ny taona  dia hiletsy ilay malazako ?

Tsia ry teniko lalaiko ! Tsia, ry teny izay hamboiko !

Tsia ry teny malagasy, ry fiteny iray tsy foiko !

Atao ahoana no hanadino, fa ireo aina sy solofoko,

Ireo taranaka avy amiko ary tena sombi-nofoko :

Tsiry vokatry ny faka, piti-drako tonga aina,

Sarobidiko, lalaiko, nofiko raha diva haraina :

Noro, Fanja, Vero, Tiana, Hery, Zo, Voahangy, Mamy...

Tsy taminao daholo va no nanononako an'izany ?

Taminao no nahitako izay mba laniko ho anarany,

Na i Ramatoaniaiko, na izato Andriamparany...

Ry tenin-drazako lalaiko ! Afapo ny faniriako,

Fa azo taminao daholo izay itiavako ny tiako. 

 

Ary moa ho lany tsiro ny herinao raha toa fakaina

Ny hasinkasin-kevi-tsoa italanjonan'ito saina,

Rehefa injay ianao velarina hanamboarana fiainana :

Mibaribary sy miseho ny marina ekem-pisainana .

Voazavanao ny tsy hita maso, tazoninao ny fahagola ,

Raketinao ny fahendrena tamin-drazako efa tola.

Abaribarinao an'ohatra ny adim-piainana itolomako,

Ny eritreritra sy nofiko, ny hevi-dalina ironako,

Ny fanahy mikatsaka hery, ny finoana izay ilomako,

Hay tsy zava-baovao, f'efa nisy ka iombonako

Tamin'ireto razambeko, olon-kendrin'ny fahiny,

Italanjonan'ny taranaka mandimby ankehitriny ?

Dray ! Ry teny mamy loatra ! Dray ! Ry teny iray mba tiako !

Moa tsy ny torohevitrao no nanitsiako itony diako ?

Tiako ianao, lalaiko loatra ! Ny momba anao sy ny forongony

Horaiketin'ito foko amin'ilay vilany nongony...

Ka ny satanao  rehetra sy ny zony no handrianiko

Ny hevitra napetrakao hozohiko sy antoniko.

Ka na firy refin'andro hany sisa holalovako,

Ahy ianao, ry tenin-drazako, ary hijanona ho lovako.

 

 

Rado (1952) 


11 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Lalao vaovao : enti-mody malagasy."

  1. Mety mila hanao famandrihana izy izany fa ho lasan'Ikalamako eto ny idee de genie-ko raha izao fahazotoana izao !

    Mantenana antsika rehetra handray anjara e !

    Nampidirin'i Pissoa 29 Mar 2008, 09:28
  2. pissoa a, ny idée géniale akia be dia be a ! hihihi
    Manentana mihitsy e, ataovy lahatsoratra maromaro fa mbola lava ny iray volana, kasaina hotaritina hatrany amin'ny volana jona aza izy ity hamonjy ny fankalazana ny fetin'ny tenin-dreny. Ho faranana amin'ny fomba makotrokotroka amin'ny cyber-fety fa i jogany efa vonona amin'ny fanomanana. Atokisako ireto blaogera ireto an !

    Nampidirin'i ikalamako 29 Mar 2008, 14:04
  3. Misaotra ikalamako a! mahafinaritra ilay tononkalo. Ny diavolan-ko-lava, ny lalao mbola ho ela tokoa e! Tsy ho diso anjara i Tokinao amin'io :-) Nampidirin'i Tokinao 29 Mar 2008, 14:44
  4. fa ra vao tonokalo tsy miady rima mety mampijaly ny tenin-drazana ihany an hihi
    attention ry pissoa :)

    Nampidirin'i simp 29 Mar 2008, 15:33
  5. Misaotra Ikalamako
    ... misaotra Rado (1952 ?!)

    Tokinao, milay e

    Simp, mitanisa ny fahorian'i lery v? :-D

    Nampidirin'i lap 29 Mar 2008, 16:36
  6. lap : eny tokoa - Rado 1952. Anaty boky "Dinitra" (pejy 15-16-17). Tononkalony nanomboka tamin'ny taona 1943 ka hatramin'ny taona 72 no voatahiry ao. Mba efa 80 taona kosa ange i Rado e !

    Nampidirin'i ikalamako 29 Mar 2008, 16:46
  7. Misaotra e !

    Kanto tokoa an !

    Mba tsidio ny tranonkalan'i RADO ato:
    http://www.freewebs.com/radopoete

    Ao io tononkalo io !

    Nampidirin'i Helisoa 29 Mar 2008, 19:42
  8. Mendri-piderana. Sady miady-rima tsara. Bravo, ikalamako.
    Misaotra an' i Helisoa koa tamin' ilay tranonkalan' i Rado.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 30 Mar 2008, 00:28
  9. mahafinaritra ny lalao e! fa aleo aho haka sisiny ihany, na dia tena mahaliana aza izy ity

    Misaotra an'i lapino e!

    Nampidirin'i sipagasy 30 Mar 2008, 01:22
  10. nannn !
    i sipagasy tena mila mandray anjara fa tsy maka sisi-tosy fotsiny.
    Marina fa omena ny tranokalan-njy ny valin-dalao avy eo fa na izany aza mila mikanja an !

    Nampidirin'i ikalamako 30 Mar 2008, 08:36
  11. Efa lehibe ihany marina i Rado an!

    sipagasy, tena ireo mpandray anjara bediabe ireo omena fisaorana

    Nampidirin'i lap 30 Mar 2008, 15:09