Enti-mody : "Aza ampijaliana ny tenintsika" - and. 1.
Nampidirin'i ikalamako | 30 Mar, 2008Ny fanakambanan-teny
Raha ny teny voalohany miafara amin'ny -ka , -tra, -na, ary ny faharoa manomboka amin'ny renifeo dia toa izao ny lalànan'ny fanakambanan-teny :
alatsaka ny -ka, ny -tra, na ny a amin'ny -na, dia soloina tsipi-panohizana "-". Raha toa ka tokony hiova ny renifeo amin'ilay teny faharoa dia ovaina ka ny :
f tonga p : tongo-parafara
h tonga k : tongo-kazo
l tonga d : tongo-dovia
r tonga dr : hero-dronono
s tonga ts : tongo-tsaka
v tonga b : tongo-boalavo
z tonga j : sora-javona
Raha toa ka miafara amin'ny -na ny teny voalohany dia milatsaka ny a amin'ny -na saingy ny n kosa miova ho m eo alohan'ny renifeo b sy p, na maty mihitsy eo alohan'ny renifeo m sy n :
oh : moron-tsiraka, sisin-tany, feom-baliha, fofo-menaka.
Misaotra ikalamako a!
Ity misy zavatra mahatsikaiky sendra tonga ato an-tsaiko.
Inona ary no fiteny ?
"tànana akoho" sa "tànan'akoho" ?
.
.
.
.
.
.
jereo etsy ambany ny valiny ô :-).
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
Valiny :
etsy ambany hoa jerena ô :-).
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
.
tena valiny : samy diso anefa ireo satria tsy manana tànana ny akoho. Ny fiteny dia tongotr'akoho.
ikalamako a : azonao fafaina ity raha mandratsy endrika an'ilay lesontsika a :-P
Nampidirin'i Tokinao 31 Mar 2008, 12:00Fa na izanyna tsy izany aloha ... dia toran'ny hehy aho rehefa miverina mamaky an'ilay tongo-dovia e hihihi
Nampidirin'i Tokinao 31 Mar 2008, 12:03fa ahoana no fafana, ireny no manatsara endrika ny resatsika fa "fanalana sady fitaizana" no eto :-D
Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 12:49Efa nitady aza ny saiko hoe ahoana moa no hahamarina ilay tànana akoho fa tànan'akoho no izy saingy ny tsipi-panohizana nosoloina faingo mihantona.
Tsss, saika voa indray!!!
Tena hahaizana zavatra izy izany. Efa ela moa no nianarana azy ireto ka lasa tsy tsaroana intsony :(
sotsa e!
Fa hono hoy aho:inona ilay tongo-dovia ry ikalamako?
tokinao: ary ny ahy tanàna no noeritreretiko fa tsy tanana!loza ihany rehefa tsy mamaky tsara :D
Nampidirin'i maintikely 31 Mar 2008, 13:35ikalamako > mahafinaritra ilay toe-tsaina tia lalao fa misaotra e!
maintikely > Rehefa nataoko koa moa ny fanadihadiana lalina dia mi-exister ihany kay ilay tongo-dovia. Tsisy zavatra tsy hita eto @'ty anterinento ity tokoa kay 'ko : jereo ao @ www.gaogla.kaom ange ilay tongo-dovia e :-).
ok! aza omen-tsiny ilay mpamorona ny sary fa alahady ny andro ka mba manala azy e :-).
Nampidirin'i tokinao 31 Mar 2008, 14:24oops
hay i tokinao efa namaly. Nolavin'ny blaogy ity hevitro ity fa averiko ihany. Angamba nisy anao nanelingelina ny fandefasako hevitra teo :-P (vazivaziko izany an, hihihi)
ity ilay hevitra nosoratako tsy lasa :
za koa mba gaga tamin'ilay tongo-dovia tamin'ny voalohany.
Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 14:30Tokony nosoratako ihany tokoa araka ny nangatahan'ingahy lap ilay loharanon-desona (tanaty Isambilo T4 io tpt - fa tsy lol ntsotry) ka io mihitsy no ohatra tao dia gaga aho, misy novaiko fa io navelako fa nahavariana ahy koa. Asa inona no vilia tian'ingahy Rajemisa-Raoilison lazaina eto :-D
hitako ilay tongo-dovia ry tokinao tptbeuuhhh
Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 14:31ok! andeh hatory raToky fa aleo avelako hiana-desona am'zay ny mpianatr'Ikalamako :-).
Nampidirin'i Tokinao 31 Mar 2008, 14:44mampatsiaro ny fahiny:
milatsaka ny a 8)
Nampidirin'i simp 31 Mar 2008, 15:27milatsaka ny a dia soloina tsipi-panohizana...:-P
Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 15:31MAhafinaritra Ikalamako à!
mankahery é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 31 Mar 2008, 16:01tpt sy fbdb @ilay tongon-dovia!
Nampidirin'i maintikely 31 Mar 2008, 16:18iny indray no tsy hitako :D
misaotra betsaka dia betsaka DdRb nitsidika na dia sahirana mafy amin'ny fifindra-monina aza a ! (toa tsy ho ela araka ny kaontiko dia hanavatsava an'i Tamponketsa ianao - tonga dia nalahelo be izany aho fa manahy anao tsy hiditra matetika intsony. Fa ny FOKO club toa manome toky kah, angamba ao @ salon-drizareo ao misy hifaneraserana , sa ahoana ra-jogany ?)
Nampidirin'i ikalamako 31 Mar 2008, 16:43ekena Ramatoa ikalamako a ! any izay Valiharisoa e ? sy i Karakakeko ! ha ha ha... Misaotra ihany.
Fa maninona hoy aho ianareo no mbola manafohy teny sy mampiasa teny vahiny eny anelanelany eny e ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 01 Apr 2008, 06:27io le lazain'i pissoa hoe "ianaro ny teny malagasy fa anjaranao ny mahita ny fomba firesakao amin-drasoa sy rakoto". Izany hoe, any amin'ny lahatsoratra kaliana fa any amin'ny hevitra mahazo mampme kely fa manjary maty hono ny teny iray raha tsy miova hozy tokinao (sa iza moa nilaza izay teo?)
Nampidirin'i ikalamako 01 Apr 2008, 06:50an an an ka ! ny ezaka arahina fahazarana no tena idealy e ! rehefa hanao indray mitopy anie tonga dia ilay hoe "mampme" no hita e ! dia "hozy" ilay namaky hoe 'izay no tena izy izany. Fa raha izay no izy dia tokony asiana fotoana famalanan-kira dia samy manatailana ny fitenenena sy fanoratana.
Nampidirin'i Tsikisariaka 01 Apr 2008, 08:58Ikalamako > zah tokoa no niteny an'io :-). Ny tena marina dia indraindray lava be ilay teny ofisialy, nefa ny tena mba te hanoratra haingana. Fa raha tianareo aloha dia ezahiko ho teny ofisialy hatrany ny hafatro ao amin'ny blaoginareo :-).
Tsikisariaka > Tena marina aloha ny anao e! Ary hevitra tsara ilay hoe asiana toerana mahamatotra, ary asiana toerana ahafahana mikivalavala. Ny olana fotsiny dia ny hoe : hatao firy isan-jaton'ny resaka ny sehatra famalanan-kira ? :-P.
Mba mahafinaritra ihany angeilay miomehy e :-)
Nampidirin'i tokinao 01 Apr 2008, 11:37tokinao : hoy i Dotmg (mba tsy havalana ny hira dia hoy fa tsy hozy) mihomehy fa miomehy satria fototeny "hehy" dia nasiaka tsofoka "om" :-P
Nampidirin'i ikalamako 01 Apr 2008, 13:29