Madagasikara : araka i Brigitte Rabarijaona.
Nampidirin'i ikalamako | 1 Apr, 2008Tsy miala eo amin'ny foto-kevitra momba an'i Madagasikara isika.
Vaovao vao nampitain'i Helisoa ity ary nanaitra ahy : sary hosodoko nataon'i Brigitte Rabarijaona.
fanazavana eo ambany :
Fa tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy ity raha misy afaka mamaly :
Io voninkazo Madagasikara io - rehefa hanala azy isika dia asaina amboarin'ny namana ny molony, dia rehefa avy eo lazaina izy fa mitovy amin'ny voan'ilay voninkazo, tsss ; mba nataoko koa ny zanako tamin'izahay mianaka tany dia toran'ny hehy ery izy sady nametraka ilay fanontaniana apetrako aminareo ihany :
Aty aminay aty Italie, stella di Natale no anaran'io voninkazo io, izany hoe "Kintan'ny noely". Rehefa ririnina, amin'ny fotoanan'ny Noely ihany vao betsaka azy io eny an-tsena hany ka lasa bizna be (mila ampidirina anaty voambolana malagasy ve io teny io hihihi), satria fanao fanomezana. Ka iza ary maninona no Madagasikara no anarany any amintsika. Bizna be io raha misy manondrana aty isaky ny krismasy, sa tsy vokatra izy amin'izay fotoana izay ? Misy fotoanany tokoa ve ny famonian'izy io ?
Eo antokotaninay misy an'io Madagasikara io koa fa tsy avelan'i Neninay ratsanana akory fa maniratsira firenena ony :)
tsy azoko tsara le hoe hanala azy, hamboarina namana??
Nampidirin'i simp 01 Apr 2008, 16:16hadinoko,
ra misy fotsy @ io vonikazo io dia mety hoe mitovitovy @ lokon'ny sainam-pirenena malagasy dia mety izay no nanaovana azy hoe Madagasikara...
Nampidirin'i simp 01 Apr 2008, 16:17hanala azy : hanome litika namana satria mitovy amin'ilay vonin'ny madagasikara ny molony (mananihany hoy ny fiteny matotra).
Nampidirin'i ikalamako 01 Apr 2008, 16:21ka na fotsy sy maitso, na mena sy maitso zany fa tsy fotsy maitso mena.
Mba avereno hazavaina hoe ilay fanalana azy fa tsy azoko mihitsy lol.
Ny molotr'iza no namboarina ? Ny an'ilay namana ve sa ilay voninkazo (misy molony angaha moa lol). Dia amboarina atao ahoana lol
Nampidirin'i pissoa 01 Apr 2008, 17:27ampidiro any anaty lisitra ny fanazavana ny manala azy sy manala azy ry pissoa :P
merci ikalamako, mazava :)
Nampidirin'i simplex 01 Apr 2008, 17:36Etoile de Noël no anarany aty an-dafy ary vao taty aorian'ny 1960 io vao tena nalaza taty !
Fa satria nahoana ?
Satria Tss...
Toy ny zava-drehetra nalaina tany amintsika io e !
Tany Madagasikara dia efa elabe fony "efe tany ny tany" hoy ny fitenin'ny Ntaolo no efa fantyatry ny Malagasy ny voninkazo MADAGASIKARA ary marina ny an'i Brigitte RABARIJAONA !
Gasy moa no miteny ko ! Mila porofo O !
Fa raha vazaha ve dia OK !
Matoa ny olon-dehibe tsy mamela ny ankizy hikasika an'io voninkazo io dia misy dintiny fotsy toy ny an'ny FANTSIHOLITRA any atsimon'i nositsika izy io koa mandratra maso sy mametraka fery amin'ny oditra toy ny ditin'ny manga raha tsy mitandrina !
Nampidirin'i Helisoa 01 Apr 2008, 18:18Salut,
Io voninkazo io dia ataoko fa ny aty Madagasikara ihany no miantso azy toy izany fa tsy ny eran-tany akory. Ny tena anarany dia POINSETIA, ary misy karazany loko telo ny voniny : maitso, fotsy ary mena. Asa, izay angaha no niantsoantsika azy hoe Madagasikara, sa ilay endriky ny felam-bonikazo miendrika tongotra ankavia toy ilay firenentsika !
Par contre, ny RAVINALA (anaty dikisionera RAVINALE)dia tena io no ahafantarana azy eran-tany, ary avy amin'ny tenintsika no niadohany.
Amin'ny manaraka.
Kdômbitah !
Nampidirin'i kdaombaramita 01 Apr 2008, 23:28Rehefa aforitra ny ravin'ny Madagasikara (Fleur de Noël amin'ny fiteny frantsay), dia manome sary mitovitovy amin'ny sarin-tanin'i Madagasikara izay. Ny mahagaga dia hoe oviana ary izany no nahazo anarana hoe Madagasikara io zavamaniry io; inona no mety ho anarany taloha, ary oviana ny Malagasy no nahafantatra ny endriky ny sarin-tanin'i Madagasikara?
Nampidirin'i DotMG 01 Apr 2008, 23:56Ary tsy endemika any amintsika kay izy io
Nampidirin'i lap 02 Apr 2008, 01:35pissoa : angaha nareo tsy mba nifanala tamin'ireny ? Mitovy @ vavan'ny ganagana ilay voniny eo ampofovoany iny (sa voaniny moa izany?) dia alaina iny dia asaina manao toa ny vavan'ny ganagana ny namana dia lazaina fa mitovy amin'iny voanin'ilay voninkazo iny hono. Dia nihomehy sady nahazo litika tamin'izany satria ratsy tarehy ny paozin'ilay vava.
Nampidirin'i ikalamako 02 Apr 2008, 02:29Misaotra amin'ireo fanazavana. Mitombo ihany zavatra hay eto ankoatra ny fitsipi-pitenenana. Izaho aloha tena tsy nieritreritra ilay raviny e !
ny marimarina kokoa : mitovy amin'ny molotr'i Angelina Jolie ilay izy.
Nampidirin'i Rajiosy 02 Apr 2008, 07:30rajiosy : tpt be !
Nampidirin'i ikalamako 02 Apr 2008, 07:39Misy dia mahavita io voninkazo io peta-kofehy tsara tarehy mihitsy!
Nampidirin'i Lalasoa 02 Apr 2008, 13:39Poinsetia marina ny hafantaran'azy ary misy any toera kafa koa izy io fa tsy any dago akory.
Nampidirin'i jogany 02 Apr 2008, 14:11Rajiosy> eny marina !!!!!!!
rajiosy sy jogany : ie toa mitovy tokoa... ity sy ity.
Nampidirin'i ikalamako 02 Apr 2008, 16:18iny indray no tsy hitako, hihihi. Tena voatery nitady sarin'i Jolie mihitsy aho fa tsy fantatro tsinona :-D
Nampidirin'i ikalamako 02 Apr 2008, 16:19Rajiosy : Ha ha ha, marina izany !
Misaotra amin'ireo fanazavana hafa ry zareo rehetra a !
Ikalamako : Efa nanaovanay (fony mbola ankizy) resaka ity ataontsika eto ity. Eo antokotanin'ny fahazazako misy an'io voninkazo io, hatramin'izao. Dia ny raviny mihitsy (tsy felana fa ravina, ilay maitso izany) no miendrika sarin'ny MADAGASIKARA ary dia hoy izahay hoe "izay tokoa !". Tsy àry mitovy ny firafitry ny raviny fa azo akapoka ho iray rehefa dinihina fa dia sary tsotran'ilay nosintsika e ! Tsy haiko hoe oviana ary iza no nandinika azy fahiny elabe ka nanome ilay anarany. Eto an-tokotanim-piasako misy mihitsy ary mahatazana ilay raviny nolazaiko tetsy aho.
Misy mena felana izy ary misy mavo felana koa (fa tsy fotsy). Tsy tsaroako ny fotoam-pamoniny, angamba amin'izao fotoana izao mihitsy.
Manaraka izany, izahay indray na dia nahita ilay molotra kely aza tsy nampitovy an'ilay izy tamin'ny namana fa.....
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Apr 2008, 05:56Zavatra hafa mihitsy no natoron'ny sasany anay (ratsy ?) dia sosotra be aho tamin'izany !!! Oun... alazao tsara !
ha ha ha be ilay hoe Angelina lol
Nampidirin'i pissoa 04 Apr 2008, 17:17