Enti-mody : "Aza ampijaliana ny tenintsika" - and. 2.
Nampidirin'i ikalamako | 7 Apr, 2008Rahoviana no tokony hampiasa ny "milaza ny ho avy" amin'ny matoanteny.
Efa ohatra iray io lohateny io, satria misy fotoana tsy azo ampiasana afa-tsy ny ho avy amin'ny matoanteny :
- Ao aorian'ny tokony : Tokony hiantso dokotera fa voa mafy ny marary (io ilay ohatra amin'ilay lohateny etsy ambony)
- Ao aorian'ny mba (milaza zavatra kendrena) : Mianatra mba hanondrotra ny firenena.
- Ao aorian'ny enga anie ka : Enga anie ka hotahin'ny razana isika.
- Eo alohan'ny anie : Hotahin'ny razana anie isika.
- Ao aorian'ny te, ta : Ta hatory ity zaza ity izany.
- Ao aorian'ireo teny rehetra mitarika hevitra milaza ny ho avy toy ny hoe : tsara, mendrika, mikasa, mikendry, mitetika, maniry, mitady, mila, tiana, vonona, manao izay, madiva,... : tsara hianarana io tononkalo io, mila hatory ny masoko, madiva hilentika ny masoandro.
_____________________________________________
Dia ity mba misy fanalàna havizanana sy fakana alahelo kely :
... saika, mbola ... tsy efa voafandrik'i Hery ve ?
Mitapolaka indray ny any an-tanàna lesy a :-)
Nampidirin'i lap 07 Apr 2008, 19:08oups, kay !!! hihihi
Nampidirin'i ikalamako 08 Apr 2008, 02:22Mamerina indroa manana ny antitra :-P
Eka ouz le mitapôlaka !
misaotra e! ary tsy voamariko ireo raha tsy notanterinao teto an!
Nampidirin'i news2dago 08 Apr 2008, 03:19Misaotra ikalamako amin'ilay fanamafisana ny fivoizana ny tapôlaka e ! http://tsikisariaka.blaogy.com/post/638/4548
Efa soamadodoka ery ny eto an-tanàna.
Fakana alahelo an !
Nampidirin'i Tsikisariaka 08 Apr 2008, 08:09"Mahatsiaro anao foana aho
Isaky ny maraina ny andro
Malahelo anao foana aho
Isanandro, isanandro !"
tapolaka amin'alahelo :)
Nampidirin'i simp 08 Apr 2008, 10:06Fa hono wa e, le te sy ta ve tsy hoe "tia" no tena izy sa ahoana?
tia hisotro dite ianao?
te hisotro dite ianao?
tsy hay tsony eee :)
Nampidirin'i simp 08 Apr 2008, 10:12Nalaina tao amin'ny bokin'"Isambilo T4" aloha io lesona io, ka asa re !
tsy hay tsony eee :)
Nampidirin'i ikalamako 08 Apr 2008, 13:30Simp : ie - fanafohizana ny "tia" ny te sy ny ta. Fa raha tsy diso aho dia tsy tena fitiavana no ambarany fa "faniriana" ; ary ny "ho avy" no temps miaraka aminy. Ny "tia" indray milaza fitiavana, tsy hafohezina, ary miaraka amin'ny "Ankehitriny". lol.
Nampidirin'i pissoa 08 Apr 2008, 14:02eka ouz ry pissoa !
Teo am-panodinkodinana spaghetti aho dia lasa tany foana ny saiko, ka vao lany izy izao dia inty ikalamako sy ny rakibolana hamaly ny fanontaniana :
Ta na Te : fanafohezana ny "Tia", izay apetraka eo alohan'ny matoanteny milaza "faniriana hanao ilay asa lazain'ny matoanteny", ka ny TA no ampiasaina raha manomboka amin'ny "ha" ny milaza ny ho avin'ilay matoanteny, ary ny TE raha manomboka amin'ny "hi" na "ho".
Oh : ta hatory, te hisotro, te hody.
Ouf !
Nampidirin'i ikalamako 08 Apr 2008, 14:48Mahafinaritra foana Ikalamako à!
mianatra isan'andro ny tena. fa misy anareo ...mpampianatra.
Misaotra !
Nampidirin'i DadaRabe 08 Apr 2008, 18:35efa hoe ao @ comments no tena grave be ny leçon, misatranareo i jogany ! (mety miakratra 2/20 ihany ny dictée-ko r@ Juin raha izao no mitohy!)
bisouxxx nnareo
Nampidirin'i jogany 08 Apr 2008, 19:03Ié, nahemotra ny tapôlaka, indrisy...
Nampidirin'i Tsikisariaka 09 Apr 2008, 08:56angaha ?!
Nampidirin'i ikalamako 09 Apr 2008, 10:00oops !
ary toa lasa te hahay sy te hanaja ny fitsipiky ny teny malagasy be daholo sika ato zany e
Nampidirin'i sazykely 10 Apr 2008, 02:18mahafinaritra
sali njy klou e !
Nampidirin'i ikalamako 10 Apr 2008, 03:14tsy hoe lasa te hahay sy te hanaja (ta hahay sy ta hanaja araka ny fitsipi-pitenenana, lol) fa miezaka hikaly rehefa hamoaka lahatsoratra fa indraindray manelingelina be ilay lahatsoratra tailana. Tsy hita izay naharatsy azy ry sazikely ka maninona tokoa moa raha atao ! Dia mba aty amin'ny hevitra no mba manondratsondrana na somary bedin'i tsikisariaka aza njainjay.
Sazykely : Misy lalao vaovao retsy eto amin'ny blaogy fa domazy njy efa mibosy zao a ... bon, hazavaiko phone amin'ny weekend ! hi hi hi.
bizzz bizzz
Nampidirin'i pissoa 10 Apr 2008, 12:25