ANDROY.

Nampidirin'i ikalamako | 19 Apr, 2008

Fanontaniana napetraky ny tao an-tranonay foana ny hoe : "taiza ho aiza tamin'ny fiainako no nitiavako an' Androy ?"

Tsy hitako ny valiny. Ny toetrako angamba mifanaraka tsara amin'ny hangazan'ny tany sy ny fanakoakon' ny beko antandroy.

Efa voalazako fony voatagy aho fa isan'ny mba nampalahelo ahy tamin'ny fiainako ny tsy nahafahako nanohy hatramin'ny farany ny fianarana teny amin'ny Anjerimanontolo (sampana tenin-drainiboto), nefa dia mba fikasako tamin'izany fa ny lohahevitra hotohanako amin'ny famaranana ny fianarana dia ny hoe "Comparaison de la langue allemande et le dialecte antandroy". Frown

Indro misy beko antandroy ho an'izay mba liana hahalala misimisy kokoa an'ity faritra atsimon'ny Nosintsika ity, tanànan'ny roy,  maniry betsaka any amin'io faritra io .

Fomba fiteny any Androy ny hoe : "aty Androy, ny fiainana toy ny fihinanan-draketa, tsy eritreretina ny tsilony".

 

 


 


8 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "ANDROY."

  1. Izaho koa retsy. Tamin' ny T8-T9 (quatrième-troisième) tany amin' ny SAFF (CEG), fony nianatra tenim-paritra no tena mba nitiavako ny fitenin' Androy.
    Misaotse. Mahavelo bevata. :-)

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 19 Apr 2008, 22:29
  2. "Comparaison de la langue allemande et le dialecte antandroy" Vazivazy sa tena marina e? Tsy mbola tara r'Ikalamako fa raha mbola velon'aina mbola afaka mametra tanjona!

    Nampidirin'i Lalasoa 20 Apr 2008, 01:22
  3. misaotse lie !
    Tsy vazivazy akia lalasoa fa tena izy a ! Mbola ao "anaty tiroara" ao ilay fikasana ;-). Indrisy, mihakely hatrany ny fanantenana hahatanteraka izany fa ny taona mibaby, nefa danza be koa ilay mitady ravin'ahitra ato ka dia mbola tsara pirina ao izy hatramizao. Ny hahita an'Androy aloha izao no azo nofisina...

    Nampidirin'i ikalamako 20 Apr 2008, 04:37
  4. mora ifandraisana ny teny malagasy ô!lol

    Nampidirin'i news2dago 20 Apr 2008, 05:28
  5. Kay ve nisy projet izany teny Ankatso e ! inona moa no misakana anao tsy hanohy io fikarohana io ankehitriny ? Azonao atao boky fa hitako havanana be ianao manoratra. ilaina foana na dia tsy atao amin'ny tenin-dRainiboto aza fa amin'ny tenintsika e ! Mba andramo e ! dia mahereza !

    Izaho nampianatra an'io mihitsy fony SN tao amin'ny Lycée Mananjary. Ankehitriny dia miha-manadino fa mitaky ny isan-jaza.

    Misaotra amin'ilay beko an ! ahatsiarovako an'i Vahombey izany root izany.

    Nampidirin'i tsikisariaka 20 Apr 2008, 07:34
  6. tsara ilay faniriana ry ikalamako fa maninona raha tohizana ihany? (za ilay faly mampirisika foana ;))

    Inona ilay toetra mifanaraka @angazan'ny taniny sy ny akoakon'ny bekon'ny atandroy? :D

    Nampidirin'i maintikely 21 Apr 2008, 01:49
  7. Avoahy foana ilay etude e. Tsy ho tara na oviana na oviana io tsinona.
    Misy kil anankiray farafahakeliny io raha avoakan'ikalamako ;-)

    Nampidirin'i lap 27 Apr 2008, 07:32
  8. lap : eo mahita izy

    Nampidirin'i ikalamako 27 Apr 2008, 07:56