Vazo fahiny ihany : ry Black Jacks indray izao
Nampidirin'i ikalamako | 4 Mey, 2008
Dia miala any indray ary ny vazonay roapolo taona lasa izay !
"Ento mora" - Black Jacks
(fa lasa white ilay jacks aty amin'ny taona roa arivo, lol)
Dia miala any indray ary ny vazonay roapolo taona lasa izay !
"Ento mora" - Black Jacks
(fa lasa white ilay jacks aty amin'ny taona roa arivo, lol)
Izaho koa retsy ry ikalamako dia anisan' ireo mpankafia ny hiran-dry Délakr tamin' ireny andro ireny.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 04 Mey 2008, 09:40Manja akia ikalamako a.
Fa ny tsy azoko fotsiny dia ilay hoe: "lasa white ilay jacks tamin' ny 2000" ? Inona no dikan' izany ? :-)
Marina be ilay tonony an, ody loza tsy mba vidina ny firaisan-kina ary ody faty ny fitiavana.
Nampidirin'i Lalasoa 04 Mey 2008, 10:26Sambatra izay mifankatia!
Ooay, taloha zany hira zany tsy tiako ery fa zao izy tena ohatran'ny tiako be an
Nampidirin'i ikalakely 04 Mey 2008, 12:30Misaotra an'ikalamako nampatsiahy azy indray
Tsy kilalao intsony anie le iy ry Ikalamako e! efa tena fiainana, raha tsy hoe angaha hoe fiainana kilalao e!
Nampidirin'i Napoles 04 Mey 2008, 12:56Dia ho entina mora ve?
Raha tsy hitondra mora!
Lehilahytsyresy a, ka jereo ilay
Nampidirin'i ikalamako 04 Mey 2008, 15:59jaquette-n'i lery fa tsy fotsy ary ve izy ao, nefa hoe black jacks - hihihi
Ka hoy aho hoe nony tonga aty amin'ny taona roa arivo dia lasa white jacks indray ny black jacks :-P
ikalakely a, toa izay foana ilay izy e ! fa zah kosa efa tamin'izany no nirevy azy an. Nankafy mihitsy aho nahita ireo hirany naverin'ny "Nomad" ankehitriny (maison productrice vaovao any Dago ve izy io fa tena namoaka hira fahiny be dia be zareo an) .
eka ouz ry lalasoa sy napoles !!!
:)
Nampidirin'i simp 04 Mey 2008, 16:17Ilay clavier ampiasain-dry zareo io vao tany amin'ny taona 2000 tany vao nivoaka :-P
Nampidirin'i lap 05 Mey 2008, 16:54Fa zay koa nge mba nivazo black jacks koa e
K'hita hoa.
Hi hi - Ikalamako.
Nampidirin'i pissoa 05 Mey 2008, 18:16Misy anle zanany lahy kely ireny nahataratara an-dry zandrinay. Mbola any koa ve ry Black Jacks junior?
Nampidirin'i miangaly 13 Mey 2008, 00:14tonga soa ato an-tokantranon'ikalamako indry ry miangaly ! Hosorana menaka ?
Nampidirin'i ikalamako 14 Mey 2008, 15:12Asa akia raha mbola any izy ireny fa tadidiko tampoka tokoa ny fisiany k'ity !
Lasa aiza Ikalamako oooo !
Hi hi hi
Nampidirin'i pissoa 15 Mey 2008, 00:37Menaka inona le misy any o? Tsy maninona rehefa tsy diloilo coco fotsiny, hihihi
Nampidirin'i miangaly 15 Mey 2008, 06:43pissoa : eto ihany ikalamako fa toa mitady hahazo aretina antsoina hoe blaogy tsy mavitrika koh ! hihihi (tokony hosokafana indray aloha ny salon'ny Foko hivanitihana miaraka amin'ny joburgaise sy ny caligariana fa efa elaela izy izany :-D )
Nampidirin'i ikalamako 15 Mey 2008, 09:42miangaly : huile d'olive akia a ! milay ve ?