Hafaliana tsy omby tratra.
Nampidirin'i ikalamako | 28 Jio, 2008Vita soa ny fandidiana an'i Kamba kely : misaotra anareo rehetra rehetra.
Faly loatra aho ka nijoy kely ny ranomasoko teo avy niantso ny rahavaviko isan'ny mikarakara mafy azy ao amin'ny hopitaly Ravoahangy-Andrianavalona.
Lava dia lava ny andron'izy ireo androany izay. Tamin'ny 8 ora sy sasany maraina izy dia efa niditra trano fiandrasana mialoha ny fandidiana, nokarakaraina nasiana ny kojakoja rehetra hiatrehana izany.
Tamin'ny mitataovovonana ka hatramin'ny 8 ora alina teo no nikatroka ny fandidiana i Pr Clément Andriamamonjy sy ny ekipany.
Efa nifoha i boay kely bôgôsy tamin'izaho niantso tamin'ny 10 ora alina (amin'ny 11 ora alina any Madagasikara). Mitaraindraina izy ao = fambara tsara.
Tsy vita eo anefa ny ezaka, mbola mitohy ny fanotronana azy hiatrika ny aorian'ny fandidiana - mba tsy hisy fahasarotana ny fihidin'ny fery.
Mirary azy hahita fahasitranana haingana sy hitombo fahasalamana hatrany.
Mbola mamerina fisaorana eram-po eran-tsaina ireo namana sy tapaka tsy ary ho tanisaina eto fa maro tokoa ianareo no nanohina ny antso na tamin'ny lafiny ara-bola na tamin'ny lafiny ara-tsaina. Fitiavana daholo izany. Misaotra misaotra.
aaaaaaahhhh c'est génial!!!
Nampidirin'i jogany 28 Jio 2008, 17:19Arahabaina izany i Kamba kely sy ny ray aman-dreniny ary ireo namana aman-tsakaiza.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 28 Jio 2008, 18:39Mahay be io pr Clement io sady kapaokany ny resaka loha sy ny lalan-dra rehetra any loha any e!
tsy adino koa anefa ny mitondra am-bavaka satria ny dokotera no mitsabo fa andriamanitra no manasitrana!
Nampidirin'i news2dago 29 Jio 2008, 01:30Sitrana soa ny marary, omen'Andriamanitra tanjaka ny mitsabo sy mikarakara azy!
Nampidirin'i Lalasoa 29 Jio 2008, 01:58arahaba zany
Nampidirin'i shoan 01 Jol 2008, 12:31