Arahaba, arahaba ry fahazazana.
Nampidirin'i ikalamako | 2 Jol, 2008Ny pasoka miavosa,
Ny sakafo sady efa tara vao mitokona no mbola kila sy may,
Ny trano tsy voampirina,
Ny vilia tsy voasasa fa raha vao mipetraka ny sotro dia adaboka ao fotsiny aloha fa tonga dia eny ambony kianja ;
...izany rehetra izany mbola arahana hatsembohana mitete amin'ity hafanana 32°,
...ny entana amin'izany voakapoka daholo fa teritery ihany ny efitra nefa ny fihetsehana tsy hita hotantaraina,
satria rehefa nandramana daholo ireo lalao hafa dia izao no vokany :
- ny bowling tsy mahavoa ny toraka kapoaka,
- ny boxe tsy mamely fa sady tsy re akory ny fidabokin'ny totohondrin'ny adversa eny amin'ny tavanao, no tsy mahazo fy le mamely rivotra kle !
- ny golf tsy mampazoto fa ny tena angamba efa nahazoazo taona ka tsy mahita lavaka tsara intsony, lol
ka dia ny TENNIS izao no malaza eto amin'ny tanàna. Vao miantso ny zaza hoe "mama andao amin'izay" dia lasa mirifitra ny reniny mamonjy kianja... ao amin'ny Wii.
Mahay raha ra-olombelona amin'ity virtoaly ity, tssss.
Ha ha ha hitako no tsy hitako ko! Vacances rahateo dia mba miara-manao izay mahafinaritra e! Mazotoa mi-wii izany!
Nampidirin'i Lalasoa 02 Jol 2008, 21:15Tsssss ! sao dia arahaba ry fahadalana no tokony ho lohateny r'ikala a ! hi hi hi
Nampidirin'i pissoa 02 Jol 2008, 21:25pissoa : sao dia izao vao zaza ? (voan'ny retour d'âge - doty)
Nampidirin'i ikalamako 02 Jol 2008, 21:31aza manao vizaka fa mbola be no sisa e
Nampidirin'i news2dago 02 Jol 2008, 21:39dia mba tena lany andro aloha aho @io e!!!! ary andramo koa anie ilay wii balance e! hihih ato dia mody hoe hanao sport nefa toa .....no beh
Nampidirin'i sipagasy 03 Jol 2008, 08:26non toi aussi!! hitako tsy mispamme tsony!
Nampidirin'i jogany 03 Jol 2008, 14:30din io wii io hoa tena killer mihitsiny...
Taitra aho hoe inona ity kianjan'Ikalamako ??? (ilay miaraka amin'ny vadiny ve ? hi hi hi) Hay mbola gravy noho ny eritreretiko ilay izy ! Izaho mbola mijery tsara hoe tena interessant tokoa ve ilay Wii fa tsy mbola mahazo akony tsara aho h@ izao. Tena manetsika vatana toy ny sport tokoa ve ilay izy sa dia jeu d'adresse fontsiny ?
Nampidirin'i Kdaombaramita 03 Jol 2008, 19:51marary aby ny sandriko ato ry kdaombaramita (repos anjoany kle) fa ela tsy nikotrana, dray dray dray, tsembo-dratsy hoy aho amin-driko...
Nampidirin'i ikalamako 03 Jol 2008, 20:03nadal mpanao tenis io a
Nampidirin'i harilova 04 Jol 2008, 12:28sao tezitra eo indray.
Ny ahy ziao herinandro dia izao indray (omaly) vao nahazo net e
Mifady hanina kely aloha
Alefaso aty ny lamba anaovako tsy mipasoka fa ny ahy izao mbola tsy voasasa aza ko!
dia aza mandany gaz intsony fa tonga dia sakafo mangatsiaka hohanina fa ny andro efa mafana rahateo!
kay moa ity tsy mampiseho ny votoatiny mialoha le
Nampidirin'i harilova 04 Jol 2008, 12:33Nefa ten n'adal no nataoko teo!!!
lol
wii fit ndray andramana ikalamako a!
toa tsara hono. Mbô teneno raha tsara :D
bonnes vacances sy bon wii ary e :)
Nampidirin'i maintikely 04 Jol 2008, 22:26Alao mora ny fiainana e :)
Nampidirin'i Tokinao 13 Jol 2008, 12:51