Fihaonana eto Roma ataon'ireo namana mpiserasera.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Aog, 2008

ANDRO VOALOHANY : 

Ireto avy ny namaly "izaho izay" tamin'ny vaky lapelina :

Avy eto an-toerana :
- angie ombam-bady, mpikarakara be fandavantena sy zotom-po (merci njy)
- sefo hery
- mbaliana
- ikalamako ombam-bady aman-janaka
- lolita24, hajalalaina
ary tao koa ireo namana monina eto Roma faly nihaona sy nikorana na tsy mpiserasera aza : Parfait, Eva, Roger, Mamie, Sandra,

Avy any Frantsa :
- ds ombam-bady aman-janaka
- lanto
- rakaroka ombam-bady aman-janaka
- Eric, Lova

Dia Jereo eto izany ny sary nalaina androany.

Rahampitso hijery tanàna ary hanagno baly ny alina.

 

ANDRO FAHAROA (tapany voalohany) :

nandeha nijery tanàna nitaingina ilay bisy ben'i valilahy Jojo be (hozy Francis Turbo).

Tonga koa i mimosa 

Nanampy isa tao koa Mamy sy  Mamih ary Stefano, Rainilita monina any Madagasikara miteny gasy be. Vao tonga avy any Madagasikara mandalo andro vitsivitsy eto Roma izy ireo.

Dia Jereo eto ihany ny sary, fa eo am-piomanana hamonjy alim-pandihizana izahay izao Wink

Dia Jereo eto ny sary tamin'ny totorebika. 

 

ANDRO FAHATELO :

Ny antoandro nihinana ny mofomamy nokasaina hohanina omaly nandritra ny fety saingy nahemotra hohanina androany indray.


Tany an-dranomasina ny tolakandro, saika hanao barbecue fa tsy afaka indray dia nentina nody ny cue fa ny barbe navela tany

Jereo eto indray ny sary.

 

ANDRO FAHAEFATRA : 

Efa lasa aninkeo maraina : Eric, Lova, Mimosa ary Lanto.
Hanainga rahampitso tolakandro : ds mianakavy.
Mbola tavela eto Roma : rakaroka mianakavy sy izahay mpiandry tanàna.
Noho izany androany no fotoana niaraha-nikorana farany sy nifanaovana veloma mandra-pihaona.

Dia toy ny mahazatra nandritra izay efatra andro izay Jereo eto ihany ny sary. 

Misaotra ny namana rehetra namaly ny antso ka afaka tonga http://www.moov.mg/forums/smileys/014.gif .

Misaotra ireo naniry ho avy fa tsy afaka http://www.moov.mg/forums/smileys/img36.gif.

Misaotra ireo niray fo hatrany sy nilendalenda ireo sakafo sy glasy (na hot na tsia http://www.moov.mg/forums/smileys/022.gif ).

Misaotra indrindra an'ireo nikarakara, indrindra indrindra i angie, fa raha tsy teo izy tsy ho tontosa ity fihaonana ity http://www.moov.mg/forums/smileys/001.gif: Kiss be akia njy malala a.

VELOMA VELOMA VELOMA e !http://www.moov.mg/forums/smileys/img26.gif


11 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Fihaonana eto Roma ataon'ireo namana mpiserasera."

  1. Izaho mandalo fotsiny maminany ny any lavitra any ! Resin'ny tsiaro mantsy ka tsy naharitra nitsirika na dia tsy alapazy aza.

    Mirary soa Ikalamako a ! dia mampamangy amin'ny rehetra !!!

    Nampidirin'i tsikisariaka 16 Aog 2008, 04:14
  2. Dia variana aho ry zareo ! Dia mba tantarao ny maresaka tany e !

    Nampidirin'i Kdaombaramita 16 Aog 2008, 11:03
  3. Aleo tsy miteny fa marary fo eto fotsiny
    Bizous nareo é

    Nampidirin'i Laza 16 Aog 2008, 18:25
  4. Mampamangy ny rehetra any ikalamako a!

    Nampidirin'i Lalasoa 17 Aog 2008, 03:25
  5. Dia mirary soa amin'ny fiarahanareo é!
    Dia mba ampandrosoy an-trano izahay rehefa mba mandalo.

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2008, 17:48
  6. mahazoa fahafinaretana daholo e :)

    Nampidirin'i Tokinao 18 Aog 2008, 12:42
  7. mahanoana aloha izany ilay sarin-tsakafo e! dia mampa te andeha ilay fihaonana fa saingy indrisy :(

    mirary soa

    Nampidirin'i maintikely 18 Aog 2008, 13:08
  8. mampilendalenda :P

    Nampidirin'i simp 18 Aog 2008, 14:27
  9. mirary vakansy mahafinaritra ho anareo any Roma ary e.
    Mampi-te-hisotro kou izany raoma izany. hihihi

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 22 Aog 2008, 02:59
  10. lehilahytsiresy : sady efa misy Ve(n)tikanina !

    Nampidirin'i ikalamako 23 Aog 2008, 19:24
  11. Izahay ve mahazo tonga ry Ikalamako ?

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2008, 08:05