16 taona lasa izay.
Nampidirin'i ikalamako | 22 Sep, 2008Tononkalo novakiana 16 taona katroka lasa izay, teny am-pandevenana an-dRamaroson Wilson, mpamoron-kira, sakaizan'i Rado.
NY RANTSANY
Mahaontsa ery ilay efitra nidirako
feno fitolokon'ny sento lavareny
f'ilay mpanisy feo ny andalan-tononkirako
no indro fa mangina, mikimpy tsy miteny
'Reo rantsany mpitendry, mpikitika ny lyrany
indreo, toa savolaina ka dia miala sasatra
any an-tsaina sisa ireo ngadongadon-kirany
nentiny nandoko ny kanto sy ny fatratra
Veloma ianao, Ramaro, mandria am-piadanana !
Be ny vitanao niarahana nitazana
Ary dia misaotra nametraka ho fananana
ireo hira sarobidy ho an'ny tanindrazana
Tsy maty akory ianao raha mbola misy ihany
olo-mahatsiaro ny asanao rehetra.
Ny nofonao no lo , hihintsana ho tany
fa ny hiranao tsy maintsy ho tafatoetra.
RADO - 6 septambra 1992
...atolotra ho azy nanoratra ihany koa ankehitriny.
Misaotr amizara Ikalamako a!
Nampidirin'i Tokinao 22 Sep 2008, 23:24antsika rehetra io tokinao a. Lova navelany daholo ireny e. Ho lava dia ho lava ny fahatsiarovana azy fa izay rehetra atao toa mamerina tononkalony avy...
Nampidirin'i ikalamako 23 Sep 2008, 01:05manja reo ty Ikalamako ity an
Nampidirin'i sazykely 23 Sep 2008, 11:21snif
Nampidirin'i finoanaranoray 23 Sep 2008, 11:35ahoana ry ikalamako ireo olona manao manifestations momba ny vidin'ny mofo dipaina ao Italia ireo ?
Nampidirin'i lehilahytsyresy 23 Sep 2008, 13:18Tantara tokoa izany an !
Nampidirin'i DadaRabe 23 Sep 2008, 14:12Lalana iraisana hono e ! hi hi hi
Manao sali sali r'Ikalamako a :-P
Nampidirin'i pissoa 23 Sep 2008, 18:35:) dia ampy
Nampidirin'i simp 23 Sep 2008, 19:53zah hoa ary atsimo andrefana ary malahelo le namako ao @ blaogy ry pissoa an !
Nampidirin'i ikalamako 23 Sep 2008, 23:02simp : ary le fety atsy @ villa ahoana ihany e ? :-p
:):)
Nampidirin'i simp 24 Sep 2008, 18:33tonga dia santaro ny villa fa za mbola sady tsy manam-potoana no tsisy inspiraka :P
simp :-D : les Zaza Vavy sont trop sérieuses...(sic)
Nampidirin'i ikalamako 24 Sep 2008, 22:24