Ho an'ny zanak'i Bira sy ny manodidina : hetsika "Bezoro e !"
Nampidirin'i ikalamako | 22 Mey, 2009Bezoro daholo,
Ho anareo ao Antananarivo sy Antsirabe ary ny manodidina.
Ho fitokanana ny atelier d'art "Bezoro e!"
izay natsangana ao Antsirabe : fiaraha-mikorana ny tontolo andron' ny
alatsinain'ny Pentekosta miaraka amin'ny tarika Vahömbey hotrononin'ny
artista maromaro. Indro ny fanazavana sy ny fandaharam-potoana momba
izany.
Ny toerana : fivoahana amin'ny lalàna miankandrefana mankany Betafo, tokony ho 100m mialoha ny Orinasa STAR
Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso na manoratra amin'i :
Vahömbey
00261-3202-45459
bezoro.tao@gmail.com
TONGAVA MARO, KARIBO E !....
Dia arahabaina fa tonga eto an-tany ny hetsika bezoro sy ny atélier d'art. Mamposirika sady manara-dia tsimoramora eny araka izany tratra e.
Nampidirin'i Tahirintsoa 25 Mey 2009, 15:03Bezoro x 5
Bezoro madama gitara a!
Bezoro x 4
Zay tiko tsy mizarazara!
hihihi
Mahafinaritra ny fisian'izany hetsika izany fa dia mankahery sy mirary soa ô!
Nampidirin'i Tokinao 25 Mey 2009, 18:49