Valin-kafatra : Proudly Malagasy.
Nampidirin'i ikalamako | 26 Mey, 2009Fony tany Madagasikara aho dia sahirana mafy nisintontsitona io voloko io tamin'ny braoshinina fa ngita e ! Ny tarehy no ratsy hoy ny Ntaolo ka ny volo no sintotsintonina - tsssss
Tonga taty an-dafy aho dia "Negra" no fiantsoan-drizareo ahy (tsy izy rehetra akory an, matahotra Andriamanitra fa misy kosa ny tena feno fanajana ny zon'olombelona e
).
...Kanefa ange dia môla be izy ireo mahita ny fiolikoliky ny volonao e,
...Kanefa ange dia tsy andrin'izy ireo ny hahatongavan'ny masoandro migaingaina hanendasana tena eny amoron-dranomasina e - misy aza moa mandritra ny ririnina manao ity hoe solarium ity mba ho negra toa ahy - dia asa maninona fa toa izaho foana no diso fa negra.
Dia tsy maninona fa proudly malagasy negra ngita volo izao sipa izao : MALAGASY AHO
Manja, ikalamako a.
Nampidirin'i LeRastah 27 Mey 2009, 06:03Ry zareo aza anie ka mahavatra mandany 20 Euros isam-bolana mihitsy mba hanaovana permanente hahatonga ny volony miholikolika toy ny antsika.
Azafady, 60 Euros mantsy e.
Nampidirin'i LeRastah 27 Mey 2009, 06:04Vita malagasy...Tsara...Mahasalama
Nampidirin'i finoanaranoray 27 Mey 2009, 08:08Tsy mahavoa ny ahy io anao io.
Tokony mba hoe negrita eh!
Tengo la camisa negra
Nampidirin'i sitlo 27 Mey 2009, 08:14ya tu amor me interesa
Manao ahoana Ikalamako
Nampidirin'i mangamaso 27 Mey 2009, 09:55Gasy ka manja akia
Mioly ny volo
Tsy mila permanenta
hoditra karamela
Manitra toy ny canely
Mamy tahaka ny tantely
sôtsa dôly e !
Nampidirin'i ikalamako 27 Mey 2009, 10:12sitl : aiza ny an'lah ? Negrita kosa ange espaniôla e, fa zah aty "brutta negra" (sale nègresse hozy ny farantsay - hihihi) dia hozy foana aho hoe ka zah ange na ompaina aza tsy ho fotsy mihitsy sao dia ho fotsy rora eo fts nareo e, negra et fière de l'être - hihihi
Ikalamako : ny antsika roa zany akia ny volo ro endasina ,ny azy ny tenany !...Ny olana amin'ilay volo endasina hany ka rehefa rotsahan'ny orana an ! Tsaroako tsara be tany toamasina ,akiazakazaka be mamonjy abri fa rahavao mipaka na kely monja aza ny rano dia eka mikarainkona ! odoie !
Nampidirin'i fahamarinana 27 Mey 2009, 14:37hahaha - aoka re marina fa eo indrindra ilay litika beuh. Zao tsisy bedy intsony na aviavia raorana isan'andro aza fa tsisy matahotra volo mihorona intsony eo...
Nampidirin'i ikalamako 27 Mey 2009, 15:19lol
Nampidirin'i simp 27 Mey 2009, 17:51le kiraro indray no hitako alohan'ny volo
tpt
oui,
gasy ka manja
amen
Nampidirin'i simp 27 Mey 2009, 17:53^:^
LeRastah, finoana, sitl, mangamaso, faha,
ary inona no maha-malagasy mampirehareha anareo?
:P
Nampidirin'i simp 27 Mey 2009, 18:08Marina izany fa izao koa ny olona efa malama volo mbola mandany vola any @ salon de coiffure, volo efa malama dia mbola endasina ihany, ny an'ny sasany moa volo malama be ohatry ny an'ny sinoa dia atao permanante ho ngita indray dia iny fa simba lasa mikarainkona sy mihintsana!!! Zah Rangita indray ny bika no atao mivoaka tsara fa taitra foana ry zalah hihihhi
Nampidirin'i zafintaolo 27 Mey 2009, 18:23Simp
Nampidirin'i mangamaso 28 Mey 2009, 11:28Nandritra ny taona maro be niainako et Frantsa, dia na aiza na aiza alehako, misy vazaha manontany ahy foana hoe: Avy aiza ianao ? (origine)
Lazaiko azy ireo fa avy any Dago aho, teraka tao Fianarantsoa ary mitondra alohan'ny fanambadiana ny anarana lavabe malagasy ireny (rehefa misy taratasy atao dia sahirana mafy ilay olona eo burao hihi!)ary reharehako izany mahamalagasy ahy izany (mbola eo foana ny accent gasy rehefa miteny frantsay e!)Afapo ve i Simp ? LOL
Diso kely: eto...
Nampidirin'i mangamaso 28 Mey 2009, 11:32simp : manao publicité occulte @ marque kitro :-P
Nampidirin'i ikalamako 28 Mey 2009, 14:04Simp :k'efa hoe taloha oah zany ,ankehitriny tsary manendy volo tsotry fa sady tsa manam-potoana no efa soir no efa hafa ndraika ny ao an-tsaina !
Ny mampirehareha ahy amin'ny maha-malagasy ve no tian'ise ho hay ?
Nampidirin'i fahamarinana 30 Mey 2009, 15:12Tsy mila mireheraha intsony ,vao mahita ahy sy ny endriko sy ny accent-ko sy ny volo ngitako,sy ny ambiny rehetra dia hay avy hatrany fa gasy ! Dia vao mivolana dia efa kobo fa avy any !Tsa misy hafenina !Fa " fiere " hatrany fa gasy na manja na ratsy na tsara !!.....izy aby e !
Za ndray tsy manam-pihaviana fa avy amin'ny faritany enina mitambatra fa ny akaikin'ny foko kokoa dia toamasina !!...
Mahavariana hoà fa io volontsika io foana no entina anenjehana antsika ngita volo e! na aty aza anie misy manana izany toe-tsaina izany e! mahagaga ahy mitnsy fa ny ahy dia ataoko rano ao an-damosin'ny vorom-bazaha :-)
Nampidirin'i ari.malala 05 Jio 2009, 15:45nefa io no tena reven'ny vazaha ry ari - lolllll
Nampidirin'i ikalamako 08 Jio 2009, 18:39