Valin-kafatra : hatsangako ny sainam-pireneko.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jio, 2009

 


 

Eny iky ry Kdaomba, atsangako ny sainam-pireneko raha mbola nahazo tombon'andro aho hahafahako maneho  fa Malagasy - Proudly Malagasy - avy any Madagasikara.

Io ny ahy, io no Madagasikarako na mahantra aza, na tantely afa-drakotra aza ka anjakan'ny adala, na lavitra ahy aza.

Nomen'ity firenena honenako ity ahy ny zom-pireneny ary dia natsangako "teo amin'ny antsasa-taho" tatsy amin'ny pejiko iray tatsy ny saina "maitso-fotsy-mena" italiana nanehoako fisaonana volana vitsivitsy lasa izay raha nisy horohorontany be namoizana ain'olona maro teto Italia.

Mbola mirehareha amin'ny maha-malagasy ahy tanteraka aho ka dia atsangako ny sainam-pirenena "maitso-fotsy-mena" malagasy amin'izao andro fahatsiarovana ny nahazahoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany izao satria aho mbola tsy very zo fa mbola malagasy 100 isanjato.

 

  "Fa anivon'ny mamiratra, ny taniko no mamiko, tsy manam-paharoa ; hafa mbola hafa, mamy tena mbola mamy" (Jérôme Randria)


8 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Valin-kafatra : hatsangako ny sainam-pireneko."

  1. Misaotra akia, ananantsika zo 100% ny mahamalagasy antsika mponin'i Madagasikara.

    Nampidirin'i Kdaombaramita 23 Jio 2009, 19:28
  2. Hevitra itovizana

    Nampidirin'i samoina 23 Jio 2009, 20:41
  3. ny ahy koa akia, dia samia manangana aby e, io no tanintsika reharehantsika

    Nampidirin'i Mitia 23 Jio 2009, 20:55
  4. Ary misy saina Malagasy maitso fotsy mena ato fa andraso fa "Atsangako eto Frantsa" koa, ary dia ho entiko hiriaria etsy La Defense hahitana fa misy any ´zany gasy !

    Nampidirin'i Hanta 23 Jio 2009, 21:40
  5. Misaotra Ikalamako a!
    Mahafinaritra io sary napetrakao,
    misy ny saina malagasy.
    Apetraka eo am-baravaran-kely ny tranontsika koa, sa ahoana hoy nareo?

    Nampidirin'i mangamaso 23 Jio 2009, 22:06
  6. rehefa misy Summit na Conseil ao amin'ny FAO dia apetraka eo ivelany ireo sainam-pirenena, fa rehefa avy eo ampidirina ampirantiana ny "reception" antsoin-drizareo hoe "Flagroom".
    Ka nisy Conseil, momba ny fambolena raha tsy diso aho, tamin'ny 15 ka hatramin'ny 19 jiona teo, dia niranty saina ny ivelan'ny FAO, fa dia eny @ sainantsika foana ny masoko isaky ny mandalo eo aho indroa isan'andro hoatran'ny fanafodin'ny dokotera, fa tsy mba hitako ireo saina hafa ireo - lolll

    Nampidirin'i ikalamako 23 Jio 2009, 23:06
  7. Ary mitovy saina daholo ihany anie izany ny gasy e...tsy misy saina hafa

    Nampidirin'i finoanaranoray 25 Jio 2009, 07:35
  8. nareo rangaha mangala-tahaka ny lokon-tsainako a ! Zah prèm tsisy zéro tsisy ninoninona.

    Nampidirin'i ikalamako 25 Jio 2009, 12:33