Dia arehitro ny arendrina !

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jio, 2009

Tsy mba nisy ihany koa ny nanazava tamiko hoe inona ny dikan'ny arendrina (sady tsy nikaroka aho fa raha tsy hita izay maharatsy azy ve dia tsy hotohizana ? lollll) fa manantena aho fa tsy vokatry ny fanjanahantany frantsay izy io.

 

 

arendrina taratasy ô, may may may

zé tsy faly manao aminay...


7 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Dia arehitro ny arendrina !"

  1. Ka raha tsy faly zahay zany dia ahoana? :b:b:b
    hono hoa ry ikalamako? :b:b:b

    ;-)

    Nampidirin'i xxxx 26 Jio 2009, 08:33
  2. ka izaho no faly fa ze ataonareo anareo kah ! Arendriko io dia arehitro fa ny laboziako ihany no ho lany ao !!!
    :))))

    Nampidirin'i ikalamako 26 Jio 2009, 11:14
  3. Zay tsy faly manao aminay...

    Dikan-teny voalohany no tena izy ry xxxxx a... fa tsy ilay dikan-teny "manao" ankiray

    Nampidirin'i finoanaranoray 26 Jio 2009, 20:02
  4. Toa we avy @ fomba sinoa hono ny fandrehetana arendrina ry kalamako a,
    Ny sinoa @ alina alohan'ny fety dia mandrehitra zavatra tahaka ireny, (@ endrika harendrina mba misy endrika kokoa) mba ho fandroahana ny fanahy ratsy izay mety hanimba ny fety rahampitso.
    Dia iny no nalain-tsika Malagasy tahaka, mety tsy @ ilay finoan'ny sinoa azy fa mba mahafinaritra ny maso no mba kilalao e !!

    Nampidirin'i mmmhh 01 Jol 2009, 06:52
  5. Tsy nanana arendrina aho ry Ikalamako. Soa ianao fa nanana dia mba nirehitra ho antsika rehetra

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Jol 2009, 01:17
  6. misaotra mmmhh a !
    DadaRabe, saliiiiii. Mba manembonembona ny fahazazana e, Nilay ange t@ zany e : arendrina taratasy o, may may may, sady ny tanana amin'io may fa miredareda ny labozia - hihihihi

    Nampidirin'i ikalamako 07 Jol 2009, 17:08
  7. Ny fahalalako ny arendrina dia efa fomba malagasy fahiny be.
    Saingy tsy arendrina taratasy.

    Ny any ambanivohitray dia mbola mitazona izany fomba izany fa 26 juin ihany koa no itondrana azy.

    Afo bozaka fatorana amin'ny hazo no entina mandehandeha.

    Toa io resaka fanahy ratsy io koa no fahalalako ny tantarany.

    Ny dadatoanay aza tsy fanala no iantsoany ny fanala fa arendrina.

    Dia ny an'ny mamanay hono kitay no fataon-dry zareo arendrina tamin'ny mbola kely.

    Nampidirin'i sitlo 08 Jol 2009, 19:19