Vaovao fohy momba ny fanarenana ny Rovan'i Manjakamiadana
Nampidirin'i ikalamako | 29 Okt, 2009Afaka andro vitsivitsy dia hiherina ny andro nahamay ny Rovan'i Manjakamiadana, ny alin'ny 6 novambra 1995.
Maro ny hetsika efa hita sy re momba ny fanarenana azy io. Mahavelom-bolo anefa ankehitriny fa efa mandroso miadana, saingy mbola lavitra ezaka izany.
Ankehitriny moa dia ny "Comité National du Patrimoine", komity manokana natsangana teo anivon'ny Fitondram-panjakana tamin'ny taona 2006, no miandraikitra mivantana izany fanarenana izany, miaraka amin'ny Fikambanana "Fanarenana ny Rova".
Notsinjaraina ho ambaratonga 4 ny asa tamin'izany ka ny tapany voalohany sy faharoa dia nokendrena ho vita mialoha ny faran'ny taona 2009.
Azo lazaina fa tàna ny fanamby : fanamafisana ny fototra sy ny andry, famerenana na fanoloana ireo vato ary ny famitana ny tafo solaitra sy vifotsy toa ny tany am-piandohana.
Tsy nataon'ny komity ho tompon-trano mihono anefa isika Malagasy izay miandrandra izany fanarenana izany, ka dia indro atolony ny tarehimarika sy ny fanazavana fohifohy momba ny fizotran'izany adidy makadiry napetraka amin'izy ireo izany.
Manentana sy manantena ny fandraisan'ny maro anjara hatrany koa izy ireo fa ny tao-trano tsy efan'ny irery tokoa.
Programme de restauration // Programan'asa : Jereo eto
Plan de l'enceinte royale et vue du site aujourd'hui // Ny Rova fahizany sy ankehitriny : Jereo eto.
Contexte hisotrique et technique du projet. Situation des travaux en cours (Mai 2009). Financement des travaux en cours // Tantara fohy sy ny tetikasa. Toe-draharaha ankehitriny (Mey 2009). Famatsiana ara-bola ny asa eo andalam-panantanterahana : jereo eto
Les prochaines étapes (3ème et 4ème phase) // Ny ambaratonga manaraka (tapany fahatelo sy fahaefatra) : jereo eto.
Isaorana be dia be ikalamako nizara vaovao.
Nampidirin'i LeRastah 29 Okt 2009, 07:04Ho an'ny firenentsika izay mametraka ny tourisme ho anisan'ny fidirambolam-pirenena, dia zava-dehibe tokoa ny fikojakojana an'ireo toerana manan-tantara toa ny rovan'i Manjakamiadana.
Koa atao akory e! NY antsika ny zvt na tsara na ratsy de dorana foana!
Nampidirin'i news2dago 29 Okt 2009, 09:14mafinaritra kosa aloha ny fahitana ny fivoaran'ny rara ee... fa ny instabilite politika eto amintsika hoy aho no tena sakana mety tsy hahavitan'io mihintsy. Mis a part ny manque de financements sy ny olona ratsy saina tsy te hahita an'io ho vita intsony...
mais bon, c'est la vie!!
Nampidirin'i simp 29 Okt 2009, 18:33misaotra fa nahalalana vaovao
Nampidirin'i sitlo 29 Okt 2009, 20:22Misaotra nitondra vaovao na dia fantatra fa mbola ho ela vao vita ity Patrimoine Malagasy simba tao...
Nampidirin'i mangamaso 29 Okt 2009, 20:26Eny indrisy, fiainana izany !
Mankasitraka be ilay fampitana vaovao akia Raneny a,ary tena tara mihintsy ny tenanay an !
Nampidirin'i fahamarinana 31 Okt 2009, 20:52