Léa, kintana iray misandratra...
Nampidirin'i ikalamako | 3 Des, 2009Léa, zazavavy vao 14 taona, manoratra sy mamorona hira. Zaza natsangana izy, monina ao Frantsa, fa ny rahavaviny kosa mbola tafajanona any amin'ny tany niaviany, any MADAGASIKARA.
Nifankahita izy mirahavavy taona maromaro aty aoriana, na mifanalavitra toerana aza...ka ity hira ity dia natolony indrindra ho an'io rahavaviny io.
Mipao-tsatroka !
Mahavariana tokoa.
Nampidirin'i LeRastah 03 Des 2009, 23:10Misaotra an'ikalamako.
Dia misaotra an'i lafrantsa nanome sehatra ho an'i Lea.
sady mety ataon'i reny malala maharesy i Lèa @ ity mba hampandriana ny tany efa mihotakotaka ity :P
Nampidirin'i ikalamako 03 Des 2009, 23:17Tena vao nahita azy aho dia hoy aho hoe " gasy izany " Mirary fahombiazana ho an'i Léa e! Gasy ka manja
Nampidirin'i maeva74 04 Des 2009, 10:17Milay kosa ilay hira aloha fa lainga lainga... latsa-dranomaso mihitsy ilay ramatoa :-p
Nampidirin'i Hery 04 Des 2009, 15:16izy koa mahay mihira rahateo ; ho antsika malagasy moa vao mainka mampangorangorana...
Nampidirin'i ikalamako 04 Des 2009, 19:10za dia miandry mafy ny manaraka ,lasa hanaraka ilay emission amin'izao na dia tsy dia fijeriko loatra,ny kilonga no mpanaraka azy !
Nampidirin'i fahamarinana 08 Des 2009, 22:28Fa tena manja e,tena ao tsara ilay aingam-panahy,ny filalaovana mozika moa manginy fontsiny !
Mahay ny malagasy kah !
Fahafinaretan'ny sofina ny feony. Mahaontsa ny fanahy ny tantarany àry reharehan'ny malagasy ny fisiany!
Nampidirin'i Laza 16 Des 2009, 11:46Fa apetrako ny fanontaniana hoe: raha tsy Malagasy moa ity artista ity, ho marobe toy izao ve ny mpanohana azy ? Tsy afenina mantsy , fa ny "tantara" toy izao dia tantaran'ny mpianadahy marobe eran-tany voatery nosarahan'y fiainana noho ny fahantrana.