Manjakamiadana 2010.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Feb, 2010

 

Fa hoy i Clarisse Ratsifandrihamanana izay hoe : "Raha tafakatrao izay efa bobongolo; Raha tafarinao ireo kisolasola, Eny sombinaiko, ny fikirizanao, Ekeko, eny ekeko, mitomban-dahy ianao".   In- "Fantatro" - Salohy, pejy 17)


8 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Manjakamiadana 2010."

  1. Eny iky ry Manjakamiadana tsy foy.

    Nampidirin'i maeva74 07 Feb 2010, 16:44
  2. indro fa niverina ihany i Ikalamako !!!! Ouf, re-tongasoa e !

    Tena Mankajamiadana 2010 ve io akia sa ... ?

    Nampidirin'i Kdaombaramita 07 Feb 2010, 19:55
  3. Eto ihany akia zah kdaomba a, fa raha ny marina dia ilay blaogy.org no hetsehiko kokoa satria tena vitsy kely sisa no mampiasa azy iny noho izy ilay tratran'ny mpanafika indray andro iry.

    Nampidirin'i ikalamako 07 Feb 2010, 22:15
  4. Ie, tena 2010 io, sady nataon'ny "Komity misahana ny harem-pirenena" ho fiarahabana amin'izao fiandohan'ny taona izao fa isan'ny tena mba mahafaly an-drizareo ka tiany hozaraina amintsika rehetra ny fandrosoan'ny asa fanarenana ny Rova izay imasoan'izy ireo tokoa araka ity lahatsoratro indray andro ity : http://ikalamako.blaogy.com/post/458/6800.
    Jereo tsara ilay sary fa mbola tsy vita ny ao anatiny fa izay izao no fanamby @ ity taona ity...

    Nampidirin'i ikalamako 07 Feb 2010, 22:19
  5. Misaotra an'ikalamako nizara vaovao lehibe.
    Efa mba misy hojerena aloha ny ivelany, dia azo lazaina hoe tena zava-dehibe tokoa izao.
    Angamba tokony hampidirina ho anisan'ny harena ara-kotontsaina arovan'ny UNESCO koa anie io e.

    Nampidirin'i LeRastah 07 Feb 2010, 22:27
  6. oops... "ara-kolontsaina" no tiako nosoratana, fa nisolifatra ny ratsan-tanako dia diso tsipelina. Azafady indrindra.

    Nampidirin'i LeRastah 07 Feb 2010, 22:29
  7. Misaotra nijara Ikalamako :) kiss

    Nampidirin'i mangamaso2 08 Feb 2010, 02:42
  8. Hay ve mba efa nisy fivoarana toy izao ny Rova eh! tsy toy ilay trano be haolo sy rava intsony ela marina aho tsy tany Tana ah! dia misaotra indrindra ry Ikalamako nizara ah!

    Nampidirin'i Fanhaiky 09 Feb 2010, 07:43