"Hirahira ho anareo manatrika eto - La palma dell'acqua" by Amelia Fenosoa.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Nov, 2011

Mampodipodimandry loatra ity zaza ity ka aleo hozaraiko ato.

Isan-taona toa izao ny "Zecchino d'Oro" aty aminay, Festival ho an'ny hiran'ny zaza izy io.

Tamin'ity taona ity dia isan'ny mandray anjara i Amelia Fenosoa, 5 taona  ary ity hiran'i Lolo sy ny Tariny ity no entiny eny ambony lampihazo.

Ny fotokevitr'ilay hira moa eto - araka ny fanazavana nomen'ny mpikarakara ny Festival - dia ny hatsarampanahy sy fahalala-tànan'ny zaza malagasy. Ny rano no tena ambetin-dresaka, ny rano izay harena sarobidy ho antsika, indrindra ho an'ny any amin'ny faritra atsimo. Tsy tokony holanilaniana amin'ny tsy antony ny rano izay fanomezana sarobidy fa lasa ho "aina" izy rehefa ny tsirairay mahatandrina izany ka tokony hiezaka hamela soa isika fa izay no mitondra fahasambarana.

Hira hira hira hira hira
Hira hira hira ho anareo manatrika eto
Lascia che ogni bene ci dìa felicità (aoka ny soa rehetra hanome fahasambarana ho antsika)



7 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny ""Hirahira ho anareo manatrika eto - La palma dell'acqua" by Amelia Fenosoa."

  1. Oooeeeee !!!

    Nampidirin'i pissoa 18 Nov 2011, 18:28
  2. Manahoana!I'm a fan of zecchino d'oro. I very much like this song and also very curious about the malagasy lyrics. So sad that I don't understand even a little Malagasy. What does it the lyric say, can you help me? Many thanks! Misaotra! Nampidirin'i Rainie 19 Nov 2011, 09:56
  3. soooooo cute!!

    manja eee

    Nampidirin'i simp 19 Nov 2011, 18:01
  4. Mersy dry

    Nampidirin'i sitlo 20 Nov 2011, 05:39
  5. Rainie : in this italian version, it talks about malagasy child's generosity. About how they take care not to waste water because it's a precious gift and it's good for everyone.

    But in malagasy version, they say that they must sing for the unfortunates in life : those girl who runs all day long, those poor man who can't rest even if it's the end of the week, the oppressed people who can't express their opinion....

    Nampidirin'i ikalamako 20 Nov 2011, 12:30
  6. Afaka mba mahazo ny parole an'ity version italienne ity vé ?
    Misaotra mialoha

    Nampidirin'i Tina 02 Des 2011, 16:52
  7. Tina> ataovy google Lascia che ogni bene ci dìa felicità

    http://www.zecchinodoro.org/album_dei_ricordi/pdf/54-06.pdf

    Nampidirin'i sitlo 09 Des 2011, 20:00
Hampiditra hevitra

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype