"Manina anao"
Nampidirin'i ikalamako | 9 Apr, 2008Hiran'i Carson Rangers, nalaina tanatin'ny rakikira "Beratro" navoaka tamin'ny 2002.
Hiran'i Carson Rangers, nalaina tanatin'ny rakikira "Beratro" navoaka tamin'ny 2002.
Rahoviana no tokony hampiasa ny "milaza ny ho avy" amin'ny matoanteny.
Efa ohatra iray io lohateny io, satria misy fotoana tsy azo ampiasana afa-tsy ny ho avy amin'ny matoanteny :
- Ao aorian'ny tokony : Tokony hiantso dokotera fa voa mafy ny marary (io ilay ohatra amin'ilay lohateny etsy ambony)
- Ao aorian'ny mba (milaza zavatra kendrena) : Mianatra mba hanondrotra ny firenena.
- Ao aorian'ny enga anie ka : Enga anie ka hotahin'ny razana isika.
- Eo alohan'ny anie : Hotahin'ny razana anie isika.
- Ao aorian'ny te, ta : Ta hatory ity zaza ity izany.
- Ao aorian'ireo teny rehetra mitarika hevitra milaza ny ho avy toy ny hoe : tsara, mendrika, mikasa, mikendry, mitetika, maniry, mitady, mila, tiana, vonona, manao izay, madiva,... : tsara hianarana io tononkalo io, mila hatory ny masoko, madiva hilentika ny masoandro.
_____________________________________________
Dia ity mba misy fanalàna havizanana sy fakana alahelo kely :