"Is this love?", hoy i Bob Marley.
Nampidirin'i ikalamako | 6 Feb, 2015Tokony ho feno 70 taona anio 6 febroary i Bob Marley. Avy dia ity hirany ankafiziko indrindra ity no tonga ato an-dohako
Tokony ho feno 70 taona anio 6 febroary i Bob Marley. Avy dia ity hirany ankafiziko indrindra ity no tonga ato an-dohako
Hira tena tiako izy ity. Indrindra fa rehefa manjomonjombona iny ny volondanitra - asa angaha maninona. Tiako lay feon'i Tata Rahely. Tiako ilay gadona. Tsy dia tena azoko ny nolazainy tamin'ny voalohany fa ny fotokevitra nijoroan'ny lahatsoratra aloha nazavazava ihany. Tsy namelako raha tsy azoko ny tonony. Mianatra manaraka azy aho io. Rehefa io no milahatra ao amin'ny RadioVazoGasy dia mijotso kely môraliko ato zay. Tsisy idirany amin'ny tononkira fa lay hira mihitsy no mety amiko.
Avelao aho hody eh e ia
Hametra-beloma heky aho ty rô, hody ami-gnavako agny e
Lavitry e lalam-be mbola hombagna ka tsara gne mifanody
Eny e e e, aia atero an-tsasa-dalagne eky aho rony e, magnano azafady
Hentsaky e manambady aho zany e, hody fa manan-kava.
Veloma rô, veloma gn'omeko anao o o
Engao agny e e hody aminay agny eh
Vandevandeshanao iao ngahy indeshinao lavitry aty,
Ivangako lamashinina hoy anao, ivangako lambahoany.
E e endre he gnaia, e e he engao agny e he
Lasha gn'eritao o o, tsy hita ralambahoany eh he
Feno e roy tao o o tsy azo ndra lamashiny eh
E e he e e rony, e e he e e hody aho agny eh
Ivangao lambahoany aho rô la mbala tianao o !
Avelao aho hody eh e ia
Nahafeno telo taogno aho zay rô nagnaraky anao tatiky
Tamin'ny iaho mbola zaza madiniky gn'azonao nambakaigny
Endre e aia a, zay elabe zay aho marogny nagnaraky e sitraponao,
Fa androany heky aho zany e trotraky e fombanao.
Veloma rô, veloma gn'omeko anao o oh.......
PS : Izany hono rizalahy an, aza mahita azy mbola kely dia manambaka hoe hividianako milina fanjairana sy lambaoany nefa avy eo tsy tanterahanareo akory, fa rehefa tonga taona sy tonga saina izy afaka telo taona dia avelany eo nareo.
Ary tamin'ny vao nahay azy ity aho dia nataoko dia olona efa nahazoazo taona i Tata Rahely. Hay mbola tanora nijajika tsara tamin'ny fotoan'androny saingy nosomparan-drafahafatesana aloha loatra. Tsy mahita sariny hafa ny serasera fa dia ny horonantsary no noezahany najanona dia nandraiketana ny endriny.
Tsiditsidio ihany ny Tononkirantsika ao fa tsy ambaka ny an'ny hafa ny mpanakanto malagasy eo amin'ny aingam-panahy an
Mitondra ahy any amin'ny 40 taona lasa mijery ity horonantsary ity. Safononoka ery ity izaho nahita azy io tamin'iny herinandro iny, hihihi.
Mbola mainty sy fotsy ny fahitalavitra tamin'izany sady tsy arehitra raha tsy faran'ny herinandro. Mbola tsaratsara ny fiainana, mbola netinety ny tantana, mbola teo ilay raim-pianakaviana na dia zara raha teo aza.
Ry O. Suza sy Barijaona, Ludger Andrianjaka, Henri Ratsimbazafy, Ventson' Androy (Angeline sy Jacqueline), Troupah, Raozin'ny Paradisa, Ambio, sns. Ireny no nametsovetso sy nandrotsirotsy.
Jacquou le croquant, Arsène Lupin, Auberge de la Licorne, sns, no tantara narahana sy nahavalalanina ery.
Dia nandeha ny taona. Maro ny zava-baovao dia nanaraka izany ny ankizy fa izaho dia tavela tao anatin'io tontolo io. Efa tsy afaka teo ambavan'ny ankizy ny hiran-dr'i Abba sy ry Bee Gees ; efa "eternal flame", "careless whisper", "reality" no fibatana sipa ; efa rarak'ivy rizareo mijery an-dr'i Eric Tselatra, ry Nini Kiaka sy ry Papaye Iraimbl, sns, izaho mbola variana nanamboatra ny "cahier de chant"-ko Kalon'ny fahiny. Tonga aty amin'ny taona roa arivo, izaho very tanteraka amin'ireto Mirado sy Marion sy Melky sy Soprano sy Beyoncé sy Timberlake sy Rihanna, sns, fa mbola somokotra mankafy an-dr'i Kintana telo sy ry Barijaona sy ry Ataum eto amin'ny aterineto