Ny ​"Sala del Conclave" dia io efitrano lehibe io izay nifidianana ny ho Papa Ray Masina hitondra ny eglizy katolika romana, handimby an'i Papa Clément IV izay nodimandry ny 29 novambra 1268.

 

Izay no fifidianana Papa lava indrindra teo amin'ny tantara satria dia naharitra 2 taona sy 8 volana (1006 andro) ny fahabangan'ny seza fiandrianan'ny Papa. Ary izay no nitondra ny fanaovazana tamin'ny fananterahana ny Fifidianana Papa ka nahatonga ny "Conclave" fantatsika ankehitriny.

 

Ankoatra ny fizarazaran'ireo kardinaly nivory tao manko, satria samy nanana ny antokotokony sy ny tombotsoa arovany avy, dia nisy antony hafa ihany koa nampitarika ela ity fifidianana ity :

 

- 20 ny isan'ny kardinaly am-perinasa tamin'izany saingy ny iray dia tsy afaka namonjy ny fifidianana satria niondrana an'ady araka ny antson'i Louis IV hiatrehana ny silamo (croisade) ary matin'ny aretina pesta tany.
- tamin' ireo 19 nandray anjara tao indray dia nisy iray nametra-pialana noho ny fahosany sy ny fahanterany. Ary nisy kardinaly roa nodimandry nandritra ny fotoam-pifidianana.

 

Leo ihany ny mponin'i Viterbo noho izany fitarozahan'ny fifidianana izany satria mbola izy ireo koa no miantoka ny sakafon'ireo kardinaly. Hany ka nohidiandrizareo tao amin'io efitrano lehibe io izy ireo nanomboka tamin'ny volana mey na jona 1270. Izay no nahatonga ilay anarana hoe "Conclave" - nohidiana "cum clave", teny latina midika hoe "miaraka amin'ny lakile".
Nataon'ny mponina zay hahanoana azy ireo ka noferany ny habetsahan'ny rano fisotro sy ny sakafon'izy ireo ary nesoriny ihany koa ny tafon'ny trano mba tsy hampahazo aina ireo kardinaly.

 

Efa ny voalohan'ny volana septambra 1271 vao nahita marimaritra iraisana izy ireo ka i kardinaly Tebaldo Visconti no voatendry ho Papa ary Grégoire X no anarana nentiny.

 

Rehefa voafidy ny Papa vaovao dia mivoaka ny efitrano ireo kardinaly ary mankeo amin'io lavarangana tsara tarehy antsoina hoe "Loggia della Benedizione" io. Eo no ambara ny vahoaka hoe nahazo Papa vaovao : Habemus Papam ! Ary avy eo no hanomezany ny tso-drano.

 

Mba tsy hiverenan'izay intsony dia noraisina ny fanapahan-kevitra tamin'ny taona 1274 fa mitokana sy mihidy amin'ny "conclave" mandritra ny 8 andro ny kardinaly rehefa hifidy Papa ka raha tsy mahafidy amin'izay dia ahena ny sakafo sy ny rano.