Namana, mana-namana, finamanana.

2015-01-30 @ 13:54 in Lasalasa fisainana

Tsy filàna akisa akory ity lahatsoratra ity na famelezana akaiky fa eritreritra mandalo fotsiny. 

Tsara erý manko ny mahatsapa hoe manana namana - na virtoaly aza - rehefa iny izy maneho eny tsindraindray amin'ny teny na fihetsika kely hoe mahatsiaro anao na tsy hitahita aza ianao sady manome toky eny ihany koa hoe eo izy raha misy ilàna azy.

Fa mahafinaritra ihany koa, ary manohina mihitsy, rehefa misy namana maneho aminao amin'ny fehezanteny roa na telo fotsiny hoe marefo ny tanja-tsainy ka tiany zaraina aminao. Tsy mangataka n'inon'inona izy fa manamaivana azy fotsiny izay fihetsiny izay. Hainy fa tsy afaka hanampy azy amin'ny olany ianao - indrindra raha lavitra azy - fa ataony fampaherezana ho azy kosa ny fahalalana fa ao ianao tsy mitsara, tsy mandiso, tsy mandray an-tendrony, tsy manaraby, tsy manao serimônina. Tsy voatery ho hainao toy ny paosinao izy vao afaka hanampy azy ianao. Ary tsy voatery handoa-danitra ianao hanampy azy.

 

"Fony aho kivy ratsy tsy mba nanana hitarainana, hoy i Henri Ratsimbazafy, tsisy tia, lany vatsy, zary leon’ny fiainana. Dia ianao tamin'izay no hany mba  niteny tamiko ka namerina indray ny fiainana ho mamiko. Eny teny kely monja feno hatsaram-panahy, nisy hevitra mafonja ka nitondra hery ho ahy."

 

Tsaroako tampoka ny tenin'ilay akama be izay Wink hoe "misy namana tsy foy kôtiana... ohatra hoe ianao".  Tamin'izay aho avy dia niteny hoe tsy mi-tira mihitsy angamba aho zany an Yell.

Fa vazivazy moa iny nandraisako azy iny fa marina fa misy mihitsy ny bandy - na dia ireny atao hoe tsy mandalo katsa-maina ireny aza Tongue out, fa tena fatra-panaja ny sipa tsy foiny kôtina. Ilay "tsy foy" no tena tsindriana eto. Tsy hoe tsy sahy na tsy tiana akory.

Fa avy eo miankina amin'ny tsirairay ny mino na tsy mino izany satria ianao miaina ilay finamanana ihany no mahatsapa zay fihetsika tsara be izay. Misy ny tsy mety mino fa ry Don Juan sy ry Casanova dia afaka tsy mikôty sipa fa mandray azy ho namana toy io lazaiko io ambony io.

Fantatro fa tsy mijery ny blaogiko izay namako izay. Tsy fantany akory ny fisian'ity. Fa apetrako eto ihany ity eritreritro nandalo androany ity rehefa avy naharay "misaotra" avy taminy aho ho setrin'ny fampaherezana nasiana tsiky kely nalefako ho azy omaly.



 

Ikalamako ! .... prezanty !!!

2015-01-18 @ 12:26 in Ankapobeny

Niverina amin’ny taniny ny blaogista, huhuhu.

Tena nataon’ny facebook lany inspiraka mihitsy ikalamako tsy nahita blaogy natoraka nandritra ny taona maromaro an Sealed. Malalaka kokoa ny sehatra any manko, sady JeSuisCharlie kokoa satria mora ny fandraisana anjara mavitrika sy fifanakalozan-kevitry ny mpinamana, na ny tsy mpinamana fa mpanaraka “pejin’ny mpankafy” (sady tsy voatery mizème lay pejy) ; fa ato amin'ny blaogy mila miditra ho mambra serasera vao afaka mikapetsona mamaly hevitra.

Fa tamin’ny faramparan’ny taona teo iny aho ohatra ny nanana fikasana hiverina ato. Hitako ihany ny lafitsaran’ny blaogy : afaka mirediredy irery eto aho tsy voatery hisy hamaky, tsy voatery hisy hamaly hevitra. Fa any amin’ny facebook toy ny tsy mety ilay izy fa matoa nosoratana dia natao hovakiana, dia ny namana toa mahita havaly foana, laolina. Ankoatra izay dia mila marimaritra iraisana ihany koa any noho izy toerana iraisam-pirenena. Hany ka misy zavatra mila atao amin'ny fiteny telo na efatra rehefa tena tiana hahakasika ny namana rehetra Wink 

Nohidiako fotsiny ny tranoko any satria nafana fo loatra aho tany ka raha misintaka tanteraka (désactivée) dia mitsambikimbikina daholo ireo resaka nandraisako anjara – ary faran’zay halako mahita ireny an, satria raha olona tsy naharaka ilay izy dia toy ny hoe adala miteny irery ny tena. Misy koa ny pejy sy vondrona iandraiketako ka manjary afaka ireo lohadinika sy hafatra nozarazaraiko tetsy sy teroa.

Rehefa hitako tafaverina soa amantsara ato aho dia hiezaka amin’izay hampifandanja ny ataoko any sy ato, fa tena reko ihany hoe nitady ho very ilay fitiavako mampiasa ny saiko hanoratra. Angamba koa mila miverina mamaky boky etsy ambony sezalava amin’izay an.

Betsaka ny zavatra vita sy hita tany aloha na izany na tsy izany e. Nahitana karazan’olona, karazan-kevitra, karazan-kira, karazan-damaody, karazana revy, sns.  Taona maro lany tamin’ny fifanampiana, fifampizaràna fifaliana sy fahoriana, fifanomezan-tànana, fifanakalozan-kevitra, fifanoroana hevitra, fampiroboroboana ny soa sy ny kanto, fanaovana resa-tsaka sy resak’alika ihany koa, fifanomezana lagy sy fakàna litika, sy ny sisa sy ny sisa.

Dia tao ihany koa ny zavatra mba nanamarika ny fiainana manokana, toa ity hira iray ity izay nentiko namikavika ny herinandro farany tamin’iny taona 2014 iny, sy nitondra tsikitsiky nankaty amin’ny 2015.

Traty ny taona daholo e ! (mbola tsy tara io fa mbola tsy tapitra ny janoary an Embarassed)

 

calendar
« Janoary 2015 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Namana