Mangataka fa tsy mividy vato

2016-11-18 @ 11:28 in Lalao

Isika rehetra namana mba sendra mahita ity lahatsoratra ity alohan'ny 4 desambra dia iangaviana an-tànan-droa mba hanindry ny bokotra "Votare la foto" ato amin'ito takelaka ito : IL MESSAGGERO, fa mba mitsabo vintana ikalamako manapariaka ny pikapika sariny tetsy sy teroa. Mba ampiasao daholo moa ny solosaina sy ny finday rehetra hitanareo mipetrapetraka eny fa mitoko daholo manko ireny e.

"Roma eny an-kianja" no lohahevitra dia samy mba mampiseho ireo kianja eto Roma ny mpifaninana, na kianja malaza na tsy be mpitsidika na tena tsisy mpahalala,  ka ny ahy io eo anoloan'ny toby iray an'ny polisim-bohitra io no miakatra an-tsehatra mifaninana. Ireo roambinifolo mahazo ny voalohany dia hatao amin'ny alimanaka 2017 an'ilay gazety "Il Messaggero" mampanao ny lalao.

Indray mandeha isan'andro dia afaka mandatsa-bato raha sendra mandalo o ! Misaotra indrindra.

 

 

Valin-kafatra : Proudly Malagasy.

2009-05-26 @ 22:56 in Lalao

Fony tany Madagasikara aho dia sahirana mafy nisintontsitona io voloko io tamin'ny braoshinina fa ngita e !  Ny tarehy no ratsy hoy ny Ntaolo ka ny volo no sintotsintonina - tsssss

Tonga taty an-dafy aho dia "Negra" no fiantsoan-drizareo ahy (tsy izy rehetra akory an, matahotra Andriamanitra fa misy kosa ny tena feno fanajana ny zon'olombelona e Tongue out). 

...Kanefa ange dia môla be izy ireo mahita ny fiolikoliky ny volonao e,

...Kanefa ange dia tsy andrin'izy ireo ny hahatongavan'ny masoandro migaingaina hanendasana tena eny amoron-dranomasina e - misy aza moa mandritra ny ririnina manao ity hoe solarium ity mba ho negra toa ahy - dia asa maninona fa toa izaho foana no diso fa negra.

 

Dia tsy maninona fa proudly malagasy negra ngita volo izao sipa izao : MALAGASY AHO

 

 

 

calendar
« Febroary 2026 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Rohy
  • Namana