'Mpifamofo mandra-maty', tantara nosoratan'i Thinà.

Nampidirin'i ikalamako | 24 Mey, 2018

Azo lazaina fa maromaro namana manana talenta aho : ao ireo mpanakanto ara-mozika dia ao ireo havanana amin'ny asa soratra. Maro noho izany ny kapila mangirana sy ny boky izay natolotr'izy ireo na nojifaiko tamindrizareo. 

Raha ny asa soratra dia tononkalo no maro an'isa. Mahafinaritra ahy misintona boky iray izay tandrify ny tànako dia mitsaingoka pejy iray hovakiana rehefa milamindamina iny aho. Tsy ataoko sesi-montotra fa matetika ataoko fakana aingam-panahy.

Ny boky farany voaraiko teo kosa dia tsy tononkalo fa tantara : "Mpifamofo mandra-maty" nosoratan'i Thinà Andriafaly (na i Tsikisariaka eto amin'ny serasera). Tsy nampoiziko ho tantara, fa noheveriko fa raki-tononkalo toy ny mahazatra ilay izy raha tsy tonga teny an-tanako.

Mpiara-mianatra teny amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa izahay roavavy nanomboka tamin'ny taona 1980, fa nandritra ny taom-pianarana - sendra nifampitantara hoe misy fahoriana ao amin'ny fianakaviana - vao nahalala fa hay mpihavana tsy mifanalavitra akory. Saingy ny finamanana no tena namatotra anay hatramizay ka hatramizao.

Efa tonga namangy ahy tatý Roma izy indray taona, nanararaotra ny fandalovany niasa tatý Eoropa. Tsaroako izy niteny tamiko hoe "hosoratako ho tantara izay" raha nisy zavatra noresahanay mirahavavy tamin'izay fotoana izay. Tsy nijanona tanaty saiko kosa anefa ilay resaka raha tsy tafavoaka ny boky ka nampatsiahiviny ahy.

Ny tantara moa tsy azo tsimponina toy ny tononkalo ka efa iray volana taorian'ny nahazoako ny boky aho vao nanana fotoana nifantohana taminy. Edrey fa dia tao aho no noraisina fa tsy nijanona raha tsy ny maso no vizana ary ny torimaso no niantso. Tsy lavabe rahateo moa ilay izy ka nisononoka ery ny famitàna azy.

Sady velon-tsiky teny am-piandohana sy teny an-tenantenany teny fa nahatsapa ho nahazo anjara ankolaka tanaty tantara ihany ny tena, satria tantaran'i Mialy zanak'i Ravolasoa ity izy. Mbetika nitsetsetra, mbetika nitaintaina, mbetika nitsiky teny am-pitetezana ireo pejy 160 mahery. Ary tsy nampoiziko ny niafarany ka dia nirotsa-dranomaso sy velon-tsento terý.

Hay ve ka tsy mivetsovetso lasam-borona amin'ny tononkalo fotsiny ny talentany, hoy aho, fa miangaly tantara mihitsy koa. Ny fahaiza-mamorona, ny fomba fanoratra, ireo voambolana sy sarinteny nampiasaina moa dia aoka fotsiny. Manaiky aho fa voafehy ary nentina niakatra avo ilay taranja.
Dia mandrosoa hasina akia rahavavy dia misaotra indrindra nizara !

Mino aho fa azo jifaina eny amin'ny fivarotam-boky mahazatra izy ity fa izaho aloha dia mamporisika hoe vakio fa tsy mandiso fanantenana. 

 

Giò & Giulia, voromahery mpivahiny ao Milan

Nampidirin'i ikalamako | 8 Mey, 2018

 

​Mahafinaritra ny fandroson'ny teknolojia indrindra rehefa anomezana fahafahana ny olon-tsotra hanaraka moramora ny fiainan-tokantranom-biby. Marina fa rehefa entin'ny hazakazaky ny fiainana sy rehefa tsy dia mahay loatra ny mombamomba azy ireny tsy azo onona akory fa ao an-drenivohitra be toa an'i Milan sy ny trano be mijoalajoalany dia afaka monina ao koa ny voromahery.

Nanorina akany ao an-tampon'ny tranobe an'ny orinasa Pirelli ao manko izy ireto satria ireny voromahery mpivahiny (faucon pélérin) ireny dia tia sy afaka miaina an-tanàn-dehibe ka matetika dia eny ny toerana avo no fidiany. Ary io trano mijoalajoala io dia isan'ny avo indrindra ao Milan, 32 rihana ary isan'ny nalaza ho avo indrindra tatý Eoropa tamin'ny taona 60'. Natao ho biraon'ny orinasa mpanao kodiarana Pirelli izy tany am-boalohany fa ankehitriny kosa dia ao ny foiben'ny "Regione Lombardia" ka anatin'ny andraikitry ny "Regione" izany ny fiahiana ihany koa ny zavaboary, biby sy zavamaniry ao amin'io faritra io.

Rehefa tsikaritry ny mpiasa ao amin'ity trano avo ity ireto vorona dia nampandre ny manam-pahaizana manokana momba izany izy ireo ka nanomboka teo dia nametrahana fakan-tsary miafina hanarahana andro sy alina ny fiainan'izy ireo tao an-tafontrano tao. Nasiana ihany koa lafika natao hanatodizana. Nomena anarana izy mivady : Giò ilay lahy ary Giulia ilay vavy. Ny antony dia satria Giovanni Ponti - Giò no anaram-bositra fiantso azy - no teknisianina namolavola ilay trano mijoalajoalan'ny Pirelli, ary Giulia Vimercati ny vadiny.

Napetraka ho an'ny daholobe ny rohy hanarahana izany ho an'izay liana sady mba hiarahana miasa ihany koa. Ka raha sendra misy mahatsikaritra zavatra hafahafa dia mampandre malaky ny tompon'andraikitra. Zava-dehibe sy zava-baovao tokoa ny fahafahana manaraka ny fivoaran'ny natiora, tsy mila mandeha lavitra fa eo amin'ny solosaina na amin'ny finday dia afaka manaraka ny fomba fandatsahany ny atody, ny fanafenany azy, ny fahafoizan'ilay atody - hmmm mampihetsi-po na dia zavatra efa hay ihany aza - ny famahanan'izy mivady ireto zaza, sns. Mahavariana daholo izay ataon'ireto vorona, mandeha mihaza (ny voromahery dia haingana be amin'ny fihazana vorona eny am-panidinana fa mahalana izy vao maka biby mipetraka izany) dia mody mitondra ny sakafo dia mamahana ireto zaza. Eo amin'ny isaky ny adiny roa eo rizareo miverina mitondra sakafo.

Tamin'ny herinandro iny nisy nahatsikaritra fa naratra ilay renim-borona ary tsy hita nandritra ny roa na telo andro. Niasa saina tsisy toa izany izahay. Nisy tsy natory fa nahavatra tsy niala teo amin'ny efijery ny maso, ny sasany nahavita nametraka ny finday teo anoloan'ny solosaina dia nanodina horonana ny zava-miseho. Vaky vava ihany koa mahita ny fikarakaran-drainy ireto voronkely satria raha vao teraka ireny dia mbola atolotra eo am-bavany aloha ny sakafo. Mihorakoraka toy ny zaza daholo mahita azy tonga miaraka amin'ny haza, dia mamahana ireto zaza fa reniny mbola marary dia nanjavona. Nitsinjaka daholo nony nipoitra tampoka i Giulia. Soa fa tsy re ny tabatabanay fa raha tsy izany angamba dia efa tsy tafapetraka tao intsony rizareo. 

Androany izao dia efa hita fa manomboka mivoaka ny volom-borona maintimainty ao ambany elatr'ireto zaza. Misy iray efa manomboka mikopak'elatra dia mianjera izay fa mbola tsy mahazaka tena. 

Dia io indray aloha ny mahavariana ahy ato. Ankoatra azy dimy mianaka dia mahasondriana ahy koa ny mitazana ity tanàna ity amin'ny ora isan-kazarany : vao mangirandratsy, antoandrobenanahary, avy orana, alimbe, sns. Io hariva io ohatra dia avy ny orana, nisy tselatra be teo dia io i Giulia (mino aho) fa ery ambony "climatiseur" izy no mihaminkamina sady miambina ny zaza.