Ny tena namana mahay manaja ny fahanginanao.

2018-08-04 @ 22:45 in Lasalasa fisainana

 

Sary tamin'ny fanendrena kardinaly vaovao tamin'ny volana jiona 2018 teo ity. I zoky Kardinaly sy ity zokiko ity dia isan'ireo nahalala ahy nanomboka teo amin'ny fahaadolatsentoko satria zokibe tao an-trano izy ireo nanomboka tamin'izany fotoana izany.

Vao nahita ahy nitsena azy teny an-tseranana izy dia vaky vava hoe "tena ohatran'ny mahita sy mahare an'i maman aho aminao". Nampiako ity izaho nitafy lamba tamin'ity fotoan-dehibe nanendrena ho kardinaly an'i zoky Dezy ity dia tena nitamberina taminay telo mianadahy ny 35 taona lasa.

Fa ity pika sary ity apetrako eto satria dia nitsatoka tany amin'ny ati-fanahiko ny fanamarihana sy fanontanian'i zoky teny antsefatsefan'ny fifalianay teny : "Zandry a, misy alahelo manaloka ny fiainanao. Afaka zarainao amiko raha tianao."

Indroa be izao ilay fanontaniana no nipetraka isaky ny mahita hirika izy satria fifalian-dehibe tanaty efatra andro no nihaonanay ka tsy dia nisy nivalamparana.

Hitany fa nandainga aho. Hitany fa nitelina ranomaso aho. Hainy koa anefa aho. Hainy ny toetrako. Hainy fa akora ety ivelany fotsiny ity izaho be ati-doha ity fa marefo toy ny kristaly aho ao anaty ao.

Isaorako azy ilay fanajany ny fahanginako. Tsaroako amin'ity sary ity ny Fitiavana be mamehy anay mianakavy.

 

(Tsy teto izy no nanontany fa antony hafa indray ity fihinay mianadahy ity. Mitovy toetra izahay mianadahy fa izy mazava fo sy avy hatrany dia milaza zay tsy zakany fa tsy toa ahy.

 

 

 

Tamboho manan-tantara, na ho an'ny nitaingina azy na ho an'ny nandalo teo.

2017-04-25 @ 00:18 in Lasalasa fisainana

​Tena mpankafy ny tarika Lolo sy ny Tariny hatrany am-boalohany aho​. Variana ihany anefa fa nisy hirany dia tsy haiko, sambany vao reko firy taona aty aoriana. Tsy dia nanana fahafahana namonjy rindran-kiran-drizareo koa moa ny tena fa mbola sahirana tamin'izany ka izay nandeha an'onjampeo ihany no tena hay.

Mahafinaritra ahy mahita ireo mpiondana LSNT sahirana mafy ao amin'ny facebook, miezaka manao antso avo azy 9 lahy hiverina an-tsehatra miaraka na dia indray mandeha fotsiny ihany aza. Raha misy izany ka sendra mba manana ny ampy entina mankany Madagasikara aho mety mba handray voromby mihitsy an ! (soa fa mbola afaka manonofy aloha hatreto, hihihi.)

Fa rehefa mihaino ity hirandrizareo iray ity kosa - nosoratan'i Erick Manana - dia toy ny mahita maso mihitsy an'ireo bandy ireo tamin'ireny. Nonina teny Anjohy sy Andohalo izahay tamin'izany fotoana izany. Mpianatry ry Mera tao amin'ny Maria Manjaka ary efa nianatra herintaona tao amin'ny sekoly anglikana tao Ambohimanoro koa. Dia nisy namanay rahateo nipetraka teo ambanin'ny tranondrizareo tery Ambohijatovo. Noho izany, azo lazaina fa nahita ny revin-drizalahy teny ambony tamboho mihitsy nandritra ny taona maromaro ihany.

 

Ka raha manao dia mianoatra mankany amin'ireny fotoana ireny ankehitriny dia mihomehy irery toa azy ireo ihany koa : moa ve mba tanaty saindrizalahy tamin'izany andro izany hoe hanao hira fahatsiarovana ireny izy ireo ampolo-taonany maro aty aoriana ? Mahafinaritra satria izahay koa izao mihaino ilay hira dia mbola mahatsiaro ireny daholo - na ny mpianatry ry Mera, na ny mpianatr'Ambohimanoro, Ambohijavoto avaratra, Paul Minault, lycée Gallieni, Sefrera Andohalo, sns izay nifanaretsaka teo amin'io sampanan-dalana teo Ambohijatovo io.

Matetika kamo ny ankizy handalo eo rehefa mirava fa siatsiahan-drizalahy foana - tsy misioka moa zany fa mitssstssst e. Nefa mino aho fa am-po taralila an - huhuhu.

Tokony asiana takelaka fanomezam-boninahitra mihitsy ity tamboho ity - antsoina hoe Tamboho Lolo sy ny Tariny - fa dia manan-tantara mihitsy ho anay adolantsento nanodidina ny taona 80' iny.

Maromaro ihany ny tokony hanoratra ankehitriny hoe #MerciHiary

2017-03-08 @ 22:46 in Lasalasa fisainana

 

Manoloana ny sazy mihatra, herintaona an-tranomaizina, mahazo an'i Hiary dia manontany tena ihany aho hoe tena mahazo torimaso mamy daholo ve ireo nahatonga izao ?

Izaho manokana aloha dia manaiky fa misy fotoana tsy dia azoazoko ny fiaingany. Fa toetrany manokana moa izay ka tsy voatery ho tian'ny olona rehetra izy. Tsy mpinamana izahay fa matetika manaka-dresaka ao aminy aho rehefa resaka mahafinaritra ahy, satria misokatra ho an'ny rehetra ny pejiny. Fa eto kosa aho dia tena midera azy fa hatramizao aho aloha tsy mbola nahita resaka hoe miangavy "firaisankina" amin'ny mpiserasera rehetra i Hiary hanafaka azy any, na hoe nigonongonona fa tsy rariny ny nahazo azy. Nanaiky izy fa diso ary ny hafatra nampitainy koa mbola feno fahendrena hoe aza miditra amin'ny fiainan'ny olona. Tsapany ihany hoe tsongoy fon'olona tsongoy fon-tena. 

Mbola nahatazana io vondrona natsangany io aho fony mbola hitan'ny rehetra avy aty ivelany izy io, ary isan'ny tsy nankatò ilay izy mihitsy satria halako bika tsy tiako tarehy no tena betsaka tao, ankoatran'ny adala sy ondraondranana rehetra faly nahazo fahalalahana hanaratsy sy hanambany ny hafa. Ilay izy rahateo vao resaka hoe fifosana dia tsy tsara mihitsy ny entiny na ahoana na ahoana hanadiovana ny fisiany. Raha hanatsara "pipole" angamba tsisy tsara ohatry ny miteny aminy mivantana hoe tsy mety izao, satria ny mifosa dia miresaka ilay olona rehefa tsy eo izy. Misy moa dia tena mivoana tanteraka. Ohatra iray, misy nanakiana ny fiankanjon'ny artista iray dia avy daholo babay sy lohavohitra amin'ny angady sy harona. Hatramin'ny hoe "mitaiza tanora ianao amin'ny mahaartista anao ka zao ve no fiankanjonao ?!!!" Oadrayyy, inona ary itony ! Ny ray aman-dreny no mitaiza ny zanany amin'ny fiankanjony fa tsy ny artista. Raha mihira izy hoe mifoha rongony dia mangalara daholo ianareo dia tena marina izay. Fa raha izay fiankanjony, soranjandiana io koh ! (tapitra ny ohatra fa mba tsetsatsetsa).

Ka hoy aho hoe misimisy ihany ny ankolafin'olona tokony hisaotra an'i Hiary amin'zao ora maizina ho azy izao :

- ireo nihoa-pefy tamin'ny resaka rehetra tao amin'ilay vondrona ka nahatonga ny fitoriana nony farany, fa dia nanaram-po mihitsy nomeny sehatra nifosana. 
- ireo mpiandraikitra ny vondrona "afaka madiodio", tsy voaroiroy kely akory fa efa misy an'i Hiary nijoro tamin'ny tongony nisolo vaika ny ankalana.
- ny fitondram-panjakana nahazo zanak'ondry atao sorona, ho fampitandremana fa zay mbola mitetateta eo dia hifafa ny kihony toa an'i Hiary. 
- ireo mantamanta vava fa nahay nilamina ihany, tsy manakotaba ny fitondram-panjakana intsony fa matahotra sao hanao vakansy herintaona eny ambany atsinanana.

Ny mampalahelo amin'ity fotsiny dia tsy afaka hampiseho firaisankina betsaka ankoatra ny #FreeHiary ny blaogasifera malagasy satria resaka fiainan'olona manokana no voakitika tamin'ilay tantara fa tsy hoe niady ny tsy mety ataon'ny mpitondra izy ka niharan'ny tsindrihazolena. Raha ity faharoa ity manko dia afaka niady ny hamotsorana azy ny vahoaka satria "gadra politika" izy amin'izay.

Izao no hoe bibilava sinambotr'ankizy... Fa araka ny fiteny iray hoe izay tsy mahafaty dia mampatanjaka, mahabe hery (hoy aza ny vazivazin'ny rainilita hoe izay tsy mahafaty mahalasa faikam-boto). Miampy ny fianarana tsy matoky olona intsony fa ny vadiny ihany sisa no nanaiky fa nanoronoro hevitra azy tao amin'ny fiandraiketana ny vondrona, ka nampidi-kizo azy saika nampiaraka nigadra azy mivady. Ankoatra izay dia efa lesona hay hatramizay hoe havako raha misy patsa no betsaka. Dia mankahery azy manokana sy ny fianakaviana keliny tokoa no mba azoko atao angamba. Asa raha mbola haverina hodinihana ny momba azy atsy ho atsy na dia miandry ny herintaona ivoahana fotsiny no hany azo atao...

Misy zavatra iray mampitsiky ahy fotsiny eto fa miparitaka be moa ao ny sarin'i Justin Trudeau, praiminisitra kanadiana. Nivoaka daholo ny sariny fahiny fa tena bôgôsy hatry ny fahakeliny ingahy. Lasa gaigy aby ny ampela ao amin'ny facebook. Dia avy aho amin'ny vazivaziko mahazatra hoe mba itadiavo ny sarin'ny praiministrantsika fony adolantsento koa nama fa mba asehontsika koa ny antsika a... Tsisy sahy namaly lay resaka, nefa raha talohaloha teo izay dia asa angamba zay vanitika tsy vanitika tao - laolina. Isa Folo ho an-drafanja fa tena nandaitra ny nanagadrana an'i Hiary, mbola tsy mitoko ary angamba tsy hitoko intsony ny mpiserasera malagasy. Tampina ny daomy.

'Tiako ianao' raha eto ...

2016-10-30 @ 09:16 in Lasalasa fisainana

Efa elaela ihany aho no saika handrakitra ity dingana iray mba vitako tamin'ny fiainako ity tato saingy tsy nirototra loatra fa nataoko hoe tsy zava-dehibe mila tsarovako loatra. Fa roa andro mifanesy izao dia misy namana roa miteny zavatra mamerina ahy hieritreritra azy ity foana.

Nandritra ny folo taona mahery aho niasa tamina ramatoa izay, efa 70 taona any ho any izy izao angamba satria latsaka kelin'izay izy tamin'izany. Ny reniny efa 90 angamba zay na mahery. Tsy dia misy asabe manakory natao tao aminy fa matetika dia lany andro miresaka zahay mianaka. Saingy telo na efa-taona lasa nony tsy nanana fiara intsony aho dia tsy nety tamiko intsony lay nankany aminy. Avy hatrany dia reny ny fahabangana ka nony afaka volana vitsivitsy dia nantsoiny foana aho hoe rahoviana ianao no hiverina. Tsy izay irery anefa ny olako saingy kamo be aho hitantara aminy dia avy dia tsy novaliako intsony ny antsony. Dia navelako tany izy. Misy fotoana anefa dia miasa ny saiko hoe efa nahazo taona izy mianaka, raha sanatria tonga ny andro tsy haha-eo azy intsony dia mety hanenenako izao fahanginako izao ka tokony mba hamangy azy ihany aho. Nefa tsy vitako foana ilay izy fa tena tsy te-hitantara aminy ny olako aho fa haiko fa tsy ho tanako ny ranomasoko fa izaho bekoretaka izay. 

Fa tamin'ny iray volana lasa izay dia noraisiko an-tànana ny heriko rehetra, tsy maintsy tonga any aho hoy aho. Noraisiko ny fiarabe iombonana dia lasa aho. Kanjo - soa ihany, vintana angamba hoy aho, hehehe - tsy tao izy. Dia hoy aho hoe tsy maintsy antsoiko izy izany ilazako hoe eto aho ary andrasako izy raha efa akaiky hody. Satria raha mody fotsiny aho dia tsy ho fantany mihitsy hoe "efa tonga nitady azy". Nantsoiko izy fa hay lasa vao maraina nankany amin'ny tranony any an-tendrombohitra izy mianaka nanao faran'ny herinandro.

Dia nolazaiko azy hoe izaho ato am-baravarana saika hanao mamikely anareo mianaka. Efa ela aho no saika handalo fa tsy ampy herin-tsaina hiresaka (sady kendan-dranomaso ihany aho miresaka amin'ny finday, tsssss) fa androany tena nataoko izay nandalovana. Faly be izy naheno ny feoko ary mino aho fa azony ny toe-panahiko nahatonga izay rehetra izay fa izy indray no nankahery ahy. Nahatsiaro tena faran'izay maivana aho nony avy nanidy finday. Tsy dia fanaoko izay dingana izay kanefa dia vitako satria tena tsy nandry ny saiko.

Ka naharay mailaka avy amin'ny namana iray aho zao maraina izao dia nanganohano kely indray ny masoko. Teto amin'ny blaogasifera no nampinamana anay tamin'izany, niara-nitolona tamin'ny fanaovana asa-soa sy niara-nivanitika tamin'ny hagegena ihany koa, dia avy teo nifampitarika tany amin'ny facebook. Nony niala tany aho dia mbola vitsy aloha hatramin'izao ny namana nanoratako mailaka na nafarako olona hampita kopa-tànana. Ka ankoatra azy ireo, sy ianareo zay mamangy ity blaogiko ity, dia misy ny namana manomboka miasa saina any hoe nisy inona no tsy hita intsony aho. Anisan'ireny izy saingy soa fa tsaroany hoe voarakitra tany amin'ny blaoginy tamin'izany ny adiresiko dia io izy nanoratra io : matahotra aho sao dia vaovao ratsy ny aty amin-dry fa tiako indry, tena tiako be [...] Mba omeo vaovao akia aho.

Dia avy hatrany koa dia ny tenin'ilay namana iray omaly no niverina tao an-dohako raha nizara ilay hiran'i Gildas Arzel hoe "Avant de t'aimer" izy. "Aza hadino mihitsy, hoy izy, ny miteny hoe tiako ianao amin'ny olona izay tianao fa mandalo fotsiny ihany izao fiainana izao."

Manampy trotraka izany ny famaranan-dresakay sy Angie Boutax ary sefo Hery matetika hoe "tiako be nareo an, aleo lazaina zao sy averimberina ihany fa tena tsy hay ny rahampitso". Sady miaraka manao zavatra ara-sosialy ihany izahay telo mianadahy no mifanafatrafatra foana.

Lanaky ny nofy ratsy ihany ikalamako

2016-03-18 @ 22:52 in Lasalasa fisainana

Raketiko ato aloha ity fa mety izay no hanosika ahy hanoratra hitantara azy atsy ho atsy (izany hoe hiverenako soratana ity lahatsoratra ity amin'izay).

Efa ho herinandro mahery manko izao no sembanin'ny nofy ratsy foana ny torimasoko. Teo alohaloha izy dia saika nitovy foana ny fitrangany, saingy afak'omaly alina niova kely ary tena tsy tiako mihitsy. Dia mba hafa koa, somary maivamaivana  alina (tsy alina moa izany fa efa maraina e, satria aho taitra tampoka sady nangovitra moa ny famantaranandro fanaraina koa naneno, namoha an'ingahirainy handeha hiasa).

Efa nanam-pikasana hanoratra ilay nofy afak'omaly ihany aho satria kamo hitantara amin'ny olona sao lazainy efa marary saina. Saingy tena tsisy aingam-panahy mihitsy fa toa modaka be fotsiny ato. Kanjo nivenjivenjy kely teto amin'ny aterineto aho io dia nahita famporisihana hoe aborahy fa aza kobonina ny nofy ratsinao, soraty raha tsy tianao tantaraina amin'ny olona, amboary ho angano kely, ezaho ho tsara fiafara fa hanampy anao betsaka izany.

Dia tonga ato ihany aho aloha izany manoratra ity. Asa raha ho tafaverina miaraka amin'ny aingam-panahy hiangaly azy na dia hionona amin'ity Foot in mouth

 

Ny havesa-danjan'ny Misaotra

2015-03-23 @ 05:19 in Lasalasa fisainana

 

Toa tsy mety ho lany daty mihitsy ity resaka manao soa ity izany an. Lasa teo indray manko ny tafasiry. Ny votoatin-dresaka dia iray foana : manaova soa raha mbola afaka manao izany. Mivaly hatrany ny soa atao. Tsy miandrandra valiny anefa rehefa manao soa. Ary tsy ny olona hanaovana izany no voatery hamaly anao.
Dia tiako hotantaraina kely eto ity zavatra niainako vao haingana ity. 

Tamin’ny faramparan’ny taona 2014 iny dia nisy dia iray nalehako. Efa mahafinaritra moa mikisaka ankehitriny fa maro ny saran-dalana mora. Dia nitsiry teo koa ny hevitra hoe efa handeha ihany ka ahoana raha mitsoriaka mamangy namana iray. Nojerena dia afaka mahita tapakilan-damasinina haingam-pandeha mora ihany koa. Nisy fanahiana ihany hoe raha sanatria ka tsy tratra dia vola very fotsiny, satria hampiasa fitaterana isan-karazany vao ho tonga eny amin’ny fiarandalamby. Raha ny kajy tsotsotra dia tokony ho tratra, na ampiana ireo fotoana lany amin’ny fitohanan’ny fiara eny an-dalambe sy ny fiandrasana ny fitateram-bahoaka sasany aza dia azo atao hoe malalaka ihany. Dia tapaka ihany ny hevitra hoe aleo aloha atao mba tsy hanenenana. Raha tena tsy tratra dia tsy anjara izany ny hifankahita. Raha lasa dia arahaba soa arahaba tsara. 

Kanjo tokoa dia tena tsy laitra ilay fitohanana teny an-dàlana hany ka tena 10 mn alohan’ny hiaingan’ny fiarandalamby aho vao nitontona tany. Ilay gara rahateo mbola tsy haiko ka tsisy fotoana nandinihana hoe aiza no mankaiza fa nahita soratra manondro masinina haingam-pandeha dia nihazakazaka tsisy toa izany nidina ilay tohatra. Efa hampaneno kiririoka ny “sefo de gara”. Avy dia niakatra tsy nanontany intsony fa faly erý hoe lasa ihany. Kanjo sady manidy varavarana ingahy sefo no miteny hoe “marihina fa tsy manan-kery amin’ity fiarandalamby ity ny tapakila mora vidy” …

Loooza, notaritina indray ny valizy ndeha hivoaka kinanjo tsy nisokatra intsony ny varavarana. Nikoropaka nitady an’ilay sefo. Soa fa iny izy handeha hanamarina ny hidim-baravana koa. Ampidino aho hoy aho taminy fa diso azafady. Ho aiza ianao, hoy izy. Nolazaiko ny alehako dia hoy izy hoe ka mankany ity kah. Eny hoy aho, mankany ity saingy tsy tapakila mandeha amin’ity no atý an-tanako, izaho tsy manam-bola hividianana tapakila feno matoa aho naka ity. Mandehana aloha hoy izy mipetraka etsy fa jereko ny momba izany avy eo fa tsy afaka midina intsony ianao na ahoana na ahoana. 

Nipetraka, nipotrapotraka ny hatsembohana, nihararetra nefa faly ihany hoe lasa – tsss. Lasa teo ny kajy tao an-doha hoe mety mbola ampy ve ny vola sisa aty amiko sa hiantso an’i sefo Hery hamahana ny karatra ilay fividianana zavatra amin’ny aterineto. 

Afaka kelikely io hitako ingahy sefo mifamaly amin’ny tovolahy afrikana. Tsy haiko zay nifamaliana fa ny reko dia ilay tovolahy miteny hoe “tsy manafokafoka anao aho”… dia nanohy nifamaly teo, dia nilamina avy teo, dia hitako namoaka vola ilay tovolahy. Dia nandray ny tapakilany dia nipetraka teo amin’ny seza teo alohako. Dia niandry ny anjarako aho. Dia niandry. Asa impiry izy no nandalo teo amiko, fanahy iniako jerena fa sao ataony dia mody fanina aho. Tsy miteny tsy mivolana izy fa manohy ny làlany, dia nanomboka naka toky aho no sady nanomboka latsa-dranomaso hoe “ndryyy mba mitsinjo ahy ve izy izany e ?” 

Na izany na tsy izany, mba lalina koa aloha ilay gara misy fiarandalamby roa samy haingam-pandeha dia miaraka miainga e ! Sa natao fanahy iniana fa tsy maintsy misy foana ny diso toa ahy ? Smile

Afaka adiny telo tonga soa aman-tsara tany amin’izay naleha. Navelako nidina daholo ny mpandeha satria teo amin’ny kalesa loha-masinina sady misy ny tranokelindrizareo mpiandraikitra no nisy ahy. Nony tafidina daholo ny olona dia nanao mbay làlana ilay mpiara-miasa aminy aho satria somary nibahana teo an-dalantsara izy. Etsy ny fivoahana hoy izy fa tsy atý. Azafady hoy aho fa misy zavatra tiako lazaina ilay  mpiara-miasa aminao fotsiny, dia nomeny làlana aho. Naheno ahy ingahy sefo dia nijery. Efa nomaniko moa ny holazaiko. Nataoko teo amin’ny foko ny tanako, ny feoko mangovitra (be hetsimpo tsssssss) : “misaotra tompoko” hoy aho sady somary niondrika kely aho. “Tsy misy fisaorana madama”, hoy izy. Nitanàka ilay namany nijery ahy… “andrayyyyyy, hoy izy, tsara beeeee”.. “marina e”, hoy ihany izy sady nampakariny ny ankihiben-tànany. 

Nandritra ny adiny telo dia zay no nameno ny lohako : tsy ny olona ataonao soa no hamaly izany aminao. Ary tsy mitady valiny aminao koa ny olona manao soa anao. Ka mahaiza mankasitraka na kely na be ny soa atao aminao. Mahaiza misaotra.

 

Namana, mana-namana, finamanana.

2015-01-30 @ 13:54 in Lasalasa fisainana

Tsy filàna akisa akory ity lahatsoratra ity na famelezana akaiky fa eritreritra mandalo fotsiny. 

Tsara erý manko ny mahatsapa hoe manana namana - na virtoaly aza - rehefa iny izy maneho eny tsindraindray amin'ny teny na fihetsika kely hoe mahatsiaro anao na tsy hitahita aza ianao sady manome toky eny ihany koa hoe eo izy raha misy ilàna azy.

Fa mahafinaritra ihany koa, ary manohina mihitsy, rehefa misy namana maneho aminao amin'ny fehezanteny roa na telo fotsiny hoe marefo ny tanja-tsainy ka tiany zaraina aminao. Tsy mangataka n'inon'inona izy fa manamaivana azy fotsiny izay fihetsiny izay. Hainy fa tsy afaka hanampy azy amin'ny olany ianao - indrindra raha lavitra azy - fa ataony fampaherezana ho azy kosa ny fahalalana fa ao ianao tsy mitsara, tsy mandiso, tsy mandray an-tendrony, tsy manaraby, tsy manao serimônina. Tsy voatery ho hainao toy ny paosinao izy vao afaka hanampy azy ianao. Ary tsy voatery handoa-danitra ianao hanampy azy.

 

"Fony aho kivy ratsy tsy mba nanana hitarainana, hoy i Henri Ratsimbazafy, tsisy tia, lany vatsy, zary leon’ny fiainana. Dia ianao tamin'izay no hany mba  niteny tamiko ka namerina indray ny fiainana ho mamiko. Eny teny kely monja feno hatsaram-panahy, nisy hevitra mafonja ka nitondra hery ho ahy."

 

Tsaroako tampoka ny tenin'ilay akama be izay Wink hoe "misy namana tsy foy kôtiana... ohatra hoe ianao".  Tamin'izay aho avy dia niteny hoe tsy mi-tira mihitsy angamba aho zany an Yell.

Fa vazivazy moa iny nandraisako azy iny fa marina fa misy mihitsy ny bandy - na dia ireny atao hoe tsy mandalo katsa-maina ireny aza Tongue out, fa tena fatra-panaja ny sipa tsy foiny kôtina. Ilay "tsy foy" no tena tsindriana eto. Tsy hoe tsy sahy na tsy tiana akory.

Fa avy eo miankina amin'ny tsirairay ny mino na tsy mino izany satria ianao miaina ilay finamanana ihany no mahatsapa zay fihetsika tsara be izay. Misy ny tsy mety mino fa ry Don Juan sy ry Casanova dia afaka tsy mikôty sipa fa mandray azy ho namana toy io lazaiko io ambony io.

Fantatro fa tsy mijery ny blaogiko izay namako izay. Tsy fantany akory ny fisian'ity. Fa apetrako eto ihany ity eritreritro nandalo androany ity rehefa avy naharay "misaotra" avy taminy aho ho setrin'ny fampaherezana nasiana tsiky kely nalefako ho azy omaly.



 

ANDROY.

2008-04-18 @ 21:51 in Lasalasa fisainana

Fanontaniana napetraky ny tao an-tranonay foana ny hoe : "taiza ho aiza tamin'ny fiainako no nitiavako an' Androy ?"

Tsy hitako ny valiny. Ny toetrako angamba mifanaraka tsara amin'ny hangazan'ny tany sy ny fanakoakon' ny beko antandroy.

Efa voalazako fony voatagy aho fa isan'ny mba nampalahelo ahy tamin'ny fiainako ny tsy nahafahako nanohy hatramin'ny farany ny fianarana teny amin'ny Anjerimanontolo (sampana tenin-drainiboto), nefa dia mba fikasako tamin'izany fa ny lohahevitra hotohanako amin'ny famaranana ny fianarana dia ny hoe "Comparaison de la langue allemande et le dialecte antandroy". Frown

Indro misy beko antandroy ho an'izay mba liana hahalala misimisy kokoa an'ity faritra atsimon'ny Nosintsika ity, tanànan'ny roy,  maniry betsaka any amin'io faritra io .

Fomba fiteny any Androy ny hoe : "aty Androy, ny fiainana toy ny fihinanan-draketa, tsy eritreretina ny tsilony".

Fihavanana.

2007-11-22 @ 20:27 in Lasalasa fisainana

Fihavanana, tsy misy dikanteny azo omena an'io hono :

  • Parenté : tsia satria milaza rohim-pihavanana io
  • Amitié : tsia satria azo lazaina hoe fifankatiavana
  • Amour : tsia satria io no fitiavana
  • Unité : tsia satria midika firaisankina
  • Relation : tsia satria fifandraisana no dikany
  • ...

 

Fihavanana : tsy mety hazavaina na adika fa hiainana. Ny Malagasy ihany no mahalala ny dikany satria izy ihany no miaina azy. Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny Fihavanana.

Tsy mpikaroka na manam-pahaizana aho fa sarababem-bahoaka miady amin'ny fiainana andavandro ka tsy dia mandinika lavitra.  Fa mba nampiasaiko ihany ny "matière grise" kely ananako nandinihiko tsara an'io androany tolakandro manontolo. Izany tokoa ve hoy aho. Raha ny "contexte" nampivoaka ilay resaka dia toa manaiky aho fa izay tokoa. Handeha mba hampiasaiko ny solosaina hanaovako fikarohana momba izany hoy aho anakampoko, hihihi.

 

Ilay "contexte"  ? :

Tamin'ny talata maraina be aho nahazo antso avy amin'ny namako mba nangataka servisy : hitsena olona eny amin'ny seranam-piaramanidina fa ilay olona efa nantenainy hitondra azy eny (fa izy tsy mamily) tsy afaka tamin'ny ora farany. Nananako ny fotoana dia nekeko ny fangatahany fa efa fombanay eto rahateo ny tsy mifampihafahafa, taigna samy an-taigna. Nolazainy hoe iza ilay olona ho tsenaina hamonjy fivoriana iraisam-pirenena, fantatro anarana fotsiny. Malagasy ambony - sy malaza - hoy ny valalabemandry. Fantatro koa satria firesaky ny reninay foana taloha. Nifandray rizareo hatry ny fahakely, fa tapitra teo amin'io andiany io, tsy nahalala azy izahay ankizy, satria samy nanana ny fiainany izy ireo nony lehibe.

Kanjo nony tonga ny vahiny, izaho tsy nieritreritra hitonona, saingy ilay namako "mpirahalahy" amin'ny zokiko lahy, no nilaza hoe : " izy dia zandrin'i anona", dia tonga ilay vahiny dia nanao hoe  "zanak'i anona ianao izany" (Golemain!). "Eny tompoko". Teny an-dàlana dia nanontany ireo dadatoa sy nenitoanay izy, sy ireo bebe sy ny dadabe : aiza, manahoana,... 

Dia nanao kaonty iray sy valo teo aho aloha : adidiko ve ny manasa azy ireo hisakafo satria fantatro fa nifampitondra tsara mihitsy izy mianakavy roa tonta tamin'izany. Rehefa nalaina ambony nalaina ambany dia eny no neken'ny saiko. Kanjo nony nilazako ilay namako mahalala  azy ireo hilaza izany  amin'izy ireo, dia nilaza izy fa efa voafandrika zareo io alakamisy hariva noeritreretiko io. "Zarako aza naratra" hoy indray aho anakampo. Ny finiavana nisy fa ny fotoana no tsy nifanindry. Samy afaka izany. (Zany mba lohako ! hihihi).

Kanjo alarobia hariva, nahazo hafatra tanaty finday ilay ranamana hoe mba hanasa anao sy ry anona ary izy mivady ranona (ikalamako mivady io) amin'ny alakamisy antoandro. Dia golemain fanindroany fa ny andrizareo indray no tonga aloha.

Teo ampihinanan-kanina io tolakandro io moa izany no nivoahan'ity raikipohy ity hoe "ny fihavanana tsy mety adika fa iainana" satria rehefa avy nanazava tamin'ny iray latabatra izy momba ny fifandraisan-drizareo ray aman-dreny, ary nanambara izy fa tena tsy nampoiziny ary nahafaly azy mihitsy ny nahita sy nahalala ahy aty, dia nivoaka ny hoe "boribory ny tany", "tena tsy ampoizina an", "mahafinaritra kah". "lalina ny fiainana an" ; dia izy nanasa no namehy hoe : "tsotra ny antony : ny fihavanana". "Ka inona no handikana sy hanazavana izany amin'ny vazaha" hoy indray ny fanontaniana. Dia novaliany hoe "tsy azo adika sy hazavaina izany fa zavamisy iainan'ny Malagasy. Izy irery ihany no mahazo izany. Le Fihavanana chez les Malgaches, fiteny io satria izay nandalina momba azy io dia tsy nahita ny teny mahadika azy.

Misy hotsakotsakoina izany satria ny kaly teo efa levona koh. Tsy nampoiziko aloha e, satria izaho vao nilazana ny anarany dia tsy nirototra fa araka ny kajiko dia tsy misy hamakian'io olona io loha amin'izay izaho zanak'olom-pantany taloha mihitsy, ka tsy misy antony tokony hitononako hoe iza aho.

Fehiny : Nahay nihavana tokoa ny ray aman-dreny taloha.

calendar
« Febroary 2026 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Rohy
  • Namana