Efa ela aho izay no tsy nahazo fehezam-boninkazo hany ka tsy niasa intsony ireo vaziko ato an-trano. Namana virtoaly nandalo tanàna tamin'ny alatsinainy teo indray no nitondra ity fehezana ity ho ahy, ary avy hatrany dia io vazy mena io no nandrian'ny saiko hasiana azy.
... Izy, olona tsotra, tena tsotra, feno hatsaram-panahy, tsy mivilivily rehefa miteny, tsy mba tia manaraka izay fombafomba sy zava-baovao apetraky ny fiarahamonina, tsy manana hena-maso izany fa rehefa tsy mety amin'ny sainy dia tsy ataony tsotra zao ...
... Izy, toa tsy tsaroako hoe nanana olana goavana ara-pahasalamana nandritra ny 25 taona mahery nahalalako azy ...
Hay efa nikiky Azy mangina tao ny homa-miadana tamin'ity fotoana nifankahitanay farany ity, tamin'ny mariazin-janany tamin'ny septambra 2016.
Hay kopakopa-tànana ho ahy ny nivoahan' ilay vazim-boninkazo indray tamin'io alatsinainy io fa lasa ny omalin'iny Izy, fa tara aho vao nahazo vaovao.
Ireo vazivaziny, ireo hehy tsy lany rehefa miaraka aminy, ny fihetsika feno fankasitrahana tsy nombany teny be loatra fa nasehony ahy hatrany tamin'izay kely mba vitako tamin'ny ankizy sy tamin'izy mianakavy : ao am-po mandrakizay.
♫ ♪ Ô izany diany mahitsy hatrany re ho any Aminao Fa ny hany tiany ka ho tompoiny anie dia Ianao ♫ ♫
Hoy ny zanany lasa nanatitra azy any hoe :
Lavitra sy sarotsarotra ny làlana sady niampy ny fijanonana kely isaky ny tanàna misy ireo Ondriny : Antsohihy, Befotaka, Ambilobe, Ambanja.
Ny alarobia 25 janoary tamin'ny folo ora alina vao tafapaka tany amin'ny farany avaratry ny Nosy, raha niala tany Antananarivo ny talata 24 janoary maraina.
Any izy no hody ho vovon-tany. Tsy any amin'i dada, tsy any amin'i neny fa eo anivon'ireo izay nahafoizany tena ka nekeny ho tompoina nandritra ny 30 taona.
Zoma 27 tolakandro :
♫ ♪ Tsy manahy tsy maninona Soava dia, dia ho ambinina ♫ ♫
Tsy afaka mifanotrona toy ny isan-taona tary andrefan-trano tary isika roa satria aho tsy any intsony, nefa haiko fa mifampahatsiaro isika, indrindra androany.
Nijery blaogin'olona tsy fantatro izay aho teo, dia tateriko ato sady adikako amin'ny teny malagasy ny zavatra nahafinaritra ahy tao :
"Ary nony tonga ny aloka, ilay mahatsaratsara iny, dia topazana maso ihany ny habakabaka hijerena hoe nankaiza ilay masoandro namela tetsy sy teroa ny tselatselatry ny kintany."
Kivy be foana aho rehefa handray ny blaogiko fa toa araky ny tenin'lay "Bandy Maditra Be" iry hoe mitady ho lasa "nécrologie" izy izany. Nefa androany dia tena eto ihany no tiako hampitana ity vetsovetsom-poko ity.
Ankona tanteraka indray aho manko nahazo fanontanian'ny namana iray tao amin'ny facebook hoe nodimandry hono akia i.... Avy dia nikoropaka nanontany namana iombonana aho, izay nanamafy ny vaovao. Efa tany amin'ny 2015 tany, hoy izy, fa nataoko dia nahalala koa ianao. Izy koa aza toa efa taorian'ny fahoriana vao nahare.
Marina fa lany ao amin'ny facebook ny androantokon'androko matetika, saingy tsy ny pejin'ny namana rehetra no asehony ao amin'ny pejy fandraisana fa zay matetika ifaneraserana ihany. Ary impiry moa aho rehefa "manadio trano" - izany hoe manala namana izay hitako hoe tsy dia misy fifaneraserana matetika mba tsy hahamaro ny namana ka tsy hahitana ireo sasany (toa itony mitranga itony) - dia rehefa tonga eo amin'ny anarany aho ka hitako hoe "mbola nanidy pejy" izy dia hoy foana aho hoe "izy tsy esorina fa tena mba namana mifampizara hatrany". Nataoko ity izy dia sahirana ka somary niato kely. Tato ho ato kosa dia ekeko fa tsy tandriko intsony hoe tena tsy tao intsony ny anarany, ka asa na nofafana tanteraka na nesorina daholo avy hatrany fotsiny izay namany tao.
Ka eto amin'ny blaogiko no hampitako amin'ilay andefimandriny androany ity hafatro ity. Ho azy sy izy mirahalahy kambana zanany. Namana ato amin'ny blaogy izy - mino aho fa mbola mandalondalo mahita ity (enga anie). Tato rahateo no nifankahalalanay vao nitohy tany amin'ny facebook ary nihitatra taminay mirahavavy. Efa ranomaso tsy miaraka amin'ny fahoriana moa izy ity ka sanatria tsy hamoha fota-mandry na hamendrofendro. Fa tiako lazaina azy fotsiny hoe tohina tanteraka aho amin'izao fotoana anoratako izao, malahelo tamin'ny fahalasanany ary malahelo ihany koa tsy nahare vaovao ara-potoana.
Misy namana virtoaly mamela diany kely ao anaty fo ao ny fandalovany na tsy hoe niara-nivary lena aza.
(...) Dia ho velona hatrany ianao raha mbola misy tia anao Raha mbola misy andriambavilanitra miresaka momba anao Raha mbola misy olona mahatsiaro anao Ny hanononana ny anaranao fotsiny Dia hampirehitra lel’afo kely iray... Ianao no antoky ny hampaharitra anao mandrakizay na tsia (...) Hoy ity hiran’i Sergio Reggiani ity, atolotro indrindra an’izay namana iray izay.
Omaly aho vao nahare ny vaovao ratsy. Notadiaviko tao amin’ny tambazotra facebook ny zanany (satria tsy namako) dia nijojo ny ranomasoko nahita ilay sary tsotra dia tsotra tokoa nandravahany ny pejiny tamin’ izay fotoana izay : tamin'ny volana septambra teo izany no nahalasanany.
Izy no Malagasy voalohany fantatro – ankoatra ilay namako malagasy nanafatra ahy nankaty - tanatin’ny herinandro nahatongavako teto Roma tamin’ny fiandohan'ny taona 1991. Avy dia nahatsapa tena nahita zoky, nahita reny aho tamin’ny fandraisany ahy.
Tsotra sy be fitiavana : tsy misy afa-tsy izay no azoko ambara momba azy. Tsy mba simban’ny fahatafitana tamin’ny fiainana ny toetrany nandritra ny dimampolo taona nanambadiany olona hafa firenena. Tsy mba simban’ny fanatontoloana ny fomba fisainany na dia efa nahatety izao tontolo izao aza izy, noho ny asan’ny vadiny sy isaky ny fotoana fialan-tsasatra. Tsy mba simban’ny fizahozahoana ny fony na dia nisondrotra hatrany aza ingahy vadiny teo amin’ny asany.
Nahafinaritra ery nahita azy an-gazety, rehefa nisy fihaonana ofisialy na teny amin’ny lapa-panjakana malagasy na tany amin’ireo masoivohom-pirenena isan-karazany. Satria mitovy lenta amin’ny Lehiben'ny masoivoho ny vadiny amin’ny maha-Tale Jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena lehibe iray miasa any Madagasikara azy. Izay no toerana notazoniny farany talohan’ny nandehanany nisotro ronono.
Olona avy any avarabaratr’i Eoropa any ingahy. Tany amin’ny taona 1967 tany ho any no nifankahalalandrizareo raha tsy diso ny fitadidiako. Toa mbola hitako foana izy mitantara amiko hoe isaky ny ora fisakafoanana dia mody mandalo ao amin’ilay fivarotana niasany ingahirainy, kay efa nitilitily azy. Izy anefa hono tamin’izany nampitahorin’ny olona hoe ny vazaha ange mpaka fo, dia natahotra mafy mihitsy. Saingy babo ihany fa ingahy tsy namotsotra tamin’ny fisariana zoro.
Dia miaraka lokin'ny hehy izahay roa itantarany ny fangovitany nony tonga ny andro hitondrana azy hihaona amin’ny rafozany (satria tena azo an-tsaina mihitsy lay tahotra raha ny fahatsorany ). Impiry naveriny tamiko hoe "aza matahotra, malala, fa izaho no hanambady anao fa tsy ny ray sy reniko", hoy izy, fa izaho efa nanangan-torana nony hidina ny fiaramanidina.
Efa nanana olana tamin’ny fo izy na tamin’ny fotoana nifankahalalanay voalohany aza, fa aty amin’ny tany mandroso moa sady misy ny enti-manana ka dia voaaraka akaiky foana ny fahasalamany. Nandalo tany an-tanindrazana aho ny 2003 – vao voatendry niasa tany am-bolana vitsivitsy izy ireo tamin’izay – dia mba nahita fotoana nahafahanay niaraka nisakafo. Tany amin’ny taona 2008 tany aho no nahare hoe tena narary mafy izy ary lasa nalemy. Saingy tsy nifanena mihitsy izahay.
Indray andro, tamin’ny taona 2012 raha tsy diso aho (mety ho 2011 ihany koa anefa) dia akory ny hafaliako naharay antso an-taribihy tamin’ingahirainy nilaza fa eto Roma izy mivady (fa manana trano eto koa moa rizareo) ary mba maniry hahita ahy ka handalo aty an-trano ny ampitson’izay. Dia mijanona misakafo ianareo, hoy aho, raha izany no izy. Tsy afaka mijanona izahay, hoy izy, fa mba maka rivotra kely vetivety fotsiny amin’ny tolakandro fa te-hahita anao mafy. Dia tonga tokoa zareo, mbola afaka mandeha izy fa tantanana miadana fa tena efa sahirana be sady reraka dia reraka.
Hafaliana no nifamihinanay mirahavavy-mianaka. “Mbola nataon’Andriamanitra hahita an-dry akia aho”, hoy izy… Nafeniko ny masoko nanganohano tamin’izay, fa nanomboka omaly aho isaky ny mahatsiaro io teniny io sy mitadidy ny endriny tamin’izay fotoana izay dia mirotsaka ny ranomasoko. Tsy maintsy malahelo fa tsy vato ilay fo e !
Ka ho azy ity aingam-panahiko nisidina androany ity, ho fanomezam-boninahitra azy. Fa fiderako hatrany koa ny vadiny. Ity sary nindramiko tao amin-janany ity dia mahalaza zavatra be dia be momba azy mivady. Nisy elanelana be, tena lehibe tokoa, teo amin’ny faripahaizan’izy ireo – tsy hoe fanaratsiana no ilazako izany fa izay nahafantatra azy ireo dia nahalala izany avokoa. Saingy Fitiavana sy Fifanajana ary Fahatsoram-po sy fanahy no tena nanjaka tamin’ny tokantranon’izy ireo ka tsy mba olana tamin’izy ireo izany. Hita taratra eto amin’ity sary tamin’ny fandevenana azy tany an-tanindrazany ity ny fahatsorana sy ny mahamamy hoditra azy ireo.
Na mafana aza ny kotrana ao amin'ny Blogathon, ity andro ity koa tsy hadino, satria noho ny fisian'ity fandrosoana ity atao hoe aterineto ity dia tsy tara intsony ireo lavin-kavana fa misy ny gazety mampita ara-potoana ny vaovao.