Venise sy ireo nosiny, anivon'ny ranobe mangeniheny
Nampidirin'i ikalamako | 8 Feb, 2026
Maro dia maro tokoa raha ny toerana tiana ho hita. Tsy misaraka amin’izy ireny ny tantarany.
Tamin’ny fiandohan’ny taona 2026 dia natomboko tany Venise ny fanalan’androko mizaha izay toerana tratry ny tongotro sy ny ho enti-manana eo am-pelatanako.
Roa andro ihany aho no tany, niainga alina tamin’ny fiarandalambý teto Roma dia tonga tany tamin'ny 6 sy sasany maraina. Tena nety satria mbola nilamina tsara ny tanàna, tsy mbola feno vahoaka, nisy nankafizana ny hakantony.

Tsy ny tampon-tanàna misy ny “Canale Grande” sy ireo tetezana marobe, sy ireo eglizy malaza ihany no Venise fa ao koa ireo nosy kely tokony ho 70 miparitaka ao anatin’ny riakasian’i Venise izay mirefy 550 km². Misy ireo nosy kely tsisy mponina fa misy koa ireo izay vitsy mponina satria velaran-tany fambolena sy fiompiana no mibahana ao.
Mpanao asa-tànana, mpamboly, mpiompy sy mpanjono noho izany no tena monina amin'ireny nosy kely ireny.
Vao tonga iny maraina iny aho izany dia naka “vaporetto”, ireo sambo fitateram-bahoaka, nianavaratra nankeny amin’ireo nosy kely avy hatrany.
**************************************************
I Torcello, amin’ny farany avaratra no naleha voalohany, 9 km miala avy eo Venise :

Efa nisy talohan’ny niorenana an’i Venise ity nosy ity (ho tantaraintsika manaraka eo ihany ny nanorenana an’i Venise). Teto no tena nipoiran'ny mponin'i Venise voalohany indrindra, nanomboka ny taonjato faha-VII raha nandositra ny fananiham-bohitra barbariana notarihan’i Attila, mpanjakan'ny Hona, ny vahoakan’ny empira romanina.
Amin'ny maha-riakasia an'iny faritr'i Venise iny, izany hoe velaran-drano manakaiky ny ranomasina fa sarahan'ny fasika na andilan-tany kely fotsiny dia ireny karazana heniheny sy honahona iandronan'ny zavamaniry ireny no tena betsaka teto Torcello.
Nohajariana izy ireny satria toerana nampandroso be ny lafin'ny fambolena, ny fifandraisana, ny varotra sy ny sisa ary dia nanintona olona maro be hiasa. Nanjary vavahady nivezivezen'ny vokatra tao amin'ny ranomasina adriatika i Torcello ka teo no nanomboka nampiroborobo azy.
Soa fa mba afaka niakarana ny tilikambon-dakolosin'ny bazilikan'i Santa Maria Assunta dia mba nahitana maso izao endriky ny tanàna izao.
Tamin'ny taona 639 no efa niorina teto Torcello ny bazilikan'i Santa Maria Assunta.
Nony efa nihamaro ny isan'ny mponina, nony nihatsara ny fari-piainana, nandroso be ny toe-karena dia lasa tanànan'ny mpanan-karena teto ka nitarina indray ny habeny, taona vitsivitsy tatý aoriana.
Noho i Venise teo amin'ny sampanan-dàlana ara-toe-karena tamin'ireo firenena Afovoany-Atsinanana sy i Bizantioma ary ireo tanàna italianina manana seranan-tsambo lehibe, dia tsy mahagaga raha niroborobo niaraka tamin'izany koa ny fifanakalozana ara-koltoraly.
Nanamarina izany ireo mozaika bizantina tsara tarehy manemitra ny rindrin'ny bazilikan'i Santa Maria Assunta ao Torcello, toy ity vaventy be ity, sanganasa izay heverina fa notontosain'ireo artista venisianina teo anelanelan'ny taonjato faha-XI sy faha-XII.

Tamin'ny taonjato faha-VII dia efa an'arivony ny isan'ny mponin’i Torcello fa nony nanomboka nivoatra i Venise, ary noho ny aretina tazomoka nahazo vahana teto dia niala teto tsimoramora ireo mponina.
Ankehitriny dia tsy mihoatra ny 20 ny olona monina ao.

**************************************************
Rehefa vita ny tao Torcello dia niverina naka “vaporetto” indray, niampita nankeny Burano, nosin’ny mpanjono.
Mahafaly ny maso sy ny saina erý ny mahita ireto trano miloko marevaka ireto raha vao tafidina ny sambo fitaterana. Mpanjono mivoaka maraina tsy mimpody raha tsy hariva manko ny mponina ao, kanefa matetika efa rako-javona ny tanàna amin'izay ora fodiana izay, ka manamora ny hanavahan'ny mpanjono ny tranony rehefa manjavozavo iny, hono, ny anton'izao lokony isan-karazany izao.

Nosy kely 4 iampitampitana amin'ny tetezana vitsivitsy no mandrafitra an'i Burano.
Miisa 2300 eo ho eo ny mponina ao. Ankoatra ny fanjonoana dia malaza amin'ny fanamboarana dantelina koa i Burano. Isan'ny malaza eran-tany ny "Merletti di Burano". Io trano biriky amin'ny sisiny ankavanana io no tranom-bakoka nosokafana tamin'ny taona 2011, mitahiry ireo asa dantelina natao teo anelanelan'ny taonjato faha-XVI sy faha-XX ka efa tsisy mpanana intsony, miampy ireo antontan-taratasy mirakitra ny tantaran'ny dantelina tao Burano.

Tsy misy trano fandraisam-bahiny be ireny ao Burano satria saro-piaro amin'ny taniny rizareo. Fa dia mila mahalala olona mampanofa trano eny izany raha te-hijanona eny andro vitsivitsy hanararaotra filaminana. Na izany aza, 8 km avy eo Venise fotsiny izy ary misy sambo fitaterana mivezivezy sy marim-potoana tsara eny.


Ny fanontaniana nanitikitika ny saiko foana izany dia hoe mety misy manana sambo roa na mihoatra koa ve any Venise sy amin'itony nosy itony, toy ny fananantsika fiara roa na telo isam-pianakaviana ?
Ary misy andriambavilanitra mitondra azy ireny koa ve fa tsy mba nahatandrina aho aloha tanatin'izay roa andro izay. Sa dia maka "bus-vaporetto" foana rizareo rehefa mba hikisaka kely ?
Eny e, fanontaniana adaladala 

**************************************************
Rehefa vizana sy afa-po nivezivezy tao Burano dia niampita ity tetezana antsoina hoe "Ponte Longo" ity ho etsy amin'ny nosy Mazzorbo, io tazana avy eto io. Izany hoe ity lakan-dranon'i Santa Caterina ity no manasaraka ny nosy roa. Misy "vaporetto" ihany mitondra mankeny fa tena hafa mihitsy ilay mandeha an-tongotra kely tsy misy 10 minitra : ny rivotra madio, ny tànana milamina, izay jerena mahafinaritra.

Avy niampita tamin'ny tetezana "Ponte Longo" aho dia nanaraka ny moron'ny lakan-drano nianatsimo fa tsy nanaraka ny làlana mandeha mivantana any afovoan-tanàna, eny amin'irý tilikambo irý.
Miendrika mahitsizoro, sady tsy feno sampantsampan-dàlana ilay nosy ka mety foana izay anombohana azy ary ho tonga eny amin'io tilikambo io ihany aho avy eo.
Lehibe kely fotsiny i Mazzorbo miohatra amin'i Burano saingy vitsy mponina satria mivelona amin'ny fambolena. Saham-boaloboka sy voly hazo fihinam-boa no mameno ny velaran-tany ao, toa io tanim-boaloboka eo am-pototry ny tilikambon-dakolosy io.
Toa an'i Torcello ihany dia lasa tanàna haolo i Mazzorbo nony nanomboka niala tanàna ny mponina, satria niha-nitontongana ny fari-piainana. Naleondrizareo namonjy an'i Venise sy ny fandrosoany.
Mba hanintonana ny olona hiverina honina sy hiasa tatý dia nananganana trano fonenana vaovao sy maoderina teto tamin'ny taona 1980. Tamin'ny 2021 dia niisa 200 mahery teo ho eo no isan'ny mponina teto, ka asa firy izy ankehitriny.

Ny eglizin'i Santa Caterina no hany eglizy sisa mitsangana tamin'ireo eglizy 10 nisy tao Mazzorbo. Tsy ilay endriny voalohany tamin'ny nanorenana azy tamin'ny taona 783 intsony anefa io fa efa nisy fanamboarana matetika - tao ny ampahany noravana, ny ampahany nohatsaraina, sy ny sisa.
Fa ny lakolosy amin'io tilikambony io kosa no lakolosy antitra indrindra ao amin'iny faritr'i Venise iny : namboarina tamin'ny taona 1318.

Ny karazam-boaloboka antsoina hoe "Dorona" no mampalaza ny nosy Mazzorbo, ary miavaka, hono, ny tsiron'ny divay fotsy vokariny satria maniry amin'ity tany milomano ambony ranomamy sady masira ity.
Mbola saronana rizareo izao satria fotoana fakan'ny hazo aina (ankavia amin'ny sary). Efa vita tamin'ny volana septambra tany ho any ny fiotazana ny voaloboka.

Mazzorbetto koa no nosy iray mandrafitra an'i Mazzorbo. Ny tovana "-etto" amin'ny fiteny italianina dia manambara hoe "kely". Mazzorbo kely izany no iantsoana io nosy io na dia mbola lehibe noho ity Mazzorbo misy ahy ity aza izy. Tsy misy tetezana ifandraisana amin'ny eny fa tsy maintsy miampita amin'ny vaporetto.
Toa ireo nosy kely amin'iny faritra iny dia nisy fotoana nampamiratra azy : nisy eglizy roa tao, nisy manda naorin'ny aotrisianina ihany koa, tobin'ny Fitaovam-piadiana Mavesatra ho an'ny Aron'Habakabaka nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.
Mponina 10 eo ho eo sisa no ao ankehitriny.
Ankoatra ny tany fambolena dia misy trano vitsivitsy efa hikoro, ary ilay manda aotrisianina dia efa lasan'ny Fikambanan'ny Skoto katolika venisianina. Ampiasaindrizareo ho fanaovana lasy i Mazzorbetto noho izany, no sady fomba iray hanatsarana sy hanorenana ireo ravarava izany satria nanome fanampiana ho an'izany ihany kosa ny Comune di Venezia.
Ka raha hitsidika eny dia manao fangatahana amin'ny "Associazione Guide e Scouts Cattolici Italiani" (AGESCI).

Nahahodidina ny nosy Mazzorbo aho izay.
Ny olona raha niala ny tetezana Ponte Longo avy tany Burano, dia nahitsy namonjy io tilikambo io. Izaho kosa nanaraka lakan-drano avy tatsy aoriana dia izao vao hiakatra hankeny.
Nony nahita moa aho tatsy hoe efa vita ny fotoam-piotazana, ary efa maina sy rakofana ny foto-boaboloka hiarovana azy amin'ny hatsiaka, dia tsy nanaitra ahy intsony ny handeha hatreny, satria saham-boaboloka midadasika an'ny orinasa mpamokatra ny divay "Venissa" no eo am-pototr'io tilikambo io.
Nisy fiangonana teo fahagola fa efa rava tsisy niangana intsony. Io tilikambo io sisa no vavolombelon'ny fisian'izany teo.
Efa io amin'ny fiantsonana io rahateo ny vaporetto horaisiko ho any Murano.
Irý amin'ny fara-tazana irý izao i Torcello.

**************************************************