Efa nisy tamintsika angamba no nahita sy namaky teto amin’ny
tontolon’ny blaogy ny tantaran’i Kamba, zaza herintaona
mipetraka any Majunga izay manana takaitra hatrany an-kibon-dreniny.
I Diana Chamia, mpitoraka blaogy avy amin’ny FOKO any
Majunga, moa no nampahalala azy io teto, ary niangavy izy tamin’izany ny
hanampiana azy hitady vahaolana amin’ny hitsaboana io zaza io, fa izay no
nampanantenainy ny renin’ny Kamba.
Maro ny fifanakalozan-kevitra nataon’ireo namana eto amin’ny
blaogasfera ary ny fivoatran’izany dia voarakitra ao amin’ny “Malagasy-Miray” :
http://malagasymiray.net/2008/05/02/help-diana-help-them-bloggers-committe-on-the-way/
Ankehitriny dia tonga ny fotoana hanaovana antso avo ny
namana rehetra tsy ankanavaka handray anjara amin’ny fanohanana ara-bola
enti-miatrika ny fitsaboana an’i Kamba, izay irariana dia irariana tokoa mba
tsy hanano-sarotra.
Efa misy dokotera mpandidy iray nanaiky tam-pitiavana ny
handray an-tànana ny raharaha, ka isaorana betsaka izy, ary isaorana eram-po
eran-tsaina indrindra indrindra i Jean sy Bako RAZAFINDAMBO tamin’izay efa vita
sy mbola hataon’izy ireo ho an’ity zaza ity. Izy ireo no tena angady nanana ny
fivoaran’ity hetsika ity.
Eto am-piandohana aloha dia vola tokony ho 500 euro
eo ho eo no ilaina hampakarana azy mianakavy kely any Antananarivo amin'ny voalohandohan'ny volana jiona hanaovana ny
scanner izay tsy misy any Mahajanga : nokajiana anatin’izany ny saran-dàlana,
ny ho lany amin’ny scanner sy ny kojakoja ao amin’ny hopitaly ary ny hiveloman’izy mianakavy kely
mandritra izany fotoana izany. Aorian’izany kosa vao ho fantatra ny tena
teti-bola ilaina amin’ny fandidiana.
Tànan-kavia sy havanana re izy ity ka izay didi-maharary,
koa manentana antsika rehetra amin’izany asa soa levenam-bola izany.
Indro ny pejy manokana hahitana ny fanazavana rehetra sy handraisana anjara amin'izany voin-kava-mahatratra izany :
www.zaza-vavy.org/kamba
Isaorana betsaka tokoa ireo ezaka rehetra natao sy hataon’ny
tsirairay. Misaotra ny tontolo virtoaly manome fahafahana malalaka mifanampy amin'ny soa.
Misaotra sy mankasitraka.
PS : Raha misy monina ao Ottawa na manodidina, na sendra mandalo ao
amin'ny andron'ny 25 mai izao dia afaka manotrona an'i Jogany/joan
amin'ny fampaherezana an'i Jean sy Bako Razafindambo izay handray
anjara amin'ny "Half Marathon de Ottawa" hanohanan'izy ireo indrindra
izao hetsika ho an'i Kamba izao.
"Jean sy Bako : Go Go Goooooo"